Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Maty Aho Akory”

“Tsy Maty Aho Akory”

“Tsy Maty Aho Akory”

“Aza mitomany ahy eo am-baravaram-pasako,

Izaho mantsy tsy ao.

Tsy maty aho akory.”

● Ireo no andalana farany amin’ny tononkalo malaza iray fantatry ny Anglisy tsara. Natao hira koa ilay tononkalo ary efa an-taonany maro no nampionona olona maneran-tany. Maro ny poety voalaza fa nanoratra azy io. Nisy aza nilaza fa tonom-bavaky ny Navajo rehefa mandevina izy io.

Lasa nalaza tany Japon io hira io, taona vitsivitsy lasa izay. Nampikorontan-tsaina be koa anefa izy io. Mitsidika ny fasan-drazany matetika ny Japoney, ho fanajana ny havany maty izay heverina fa mbola velona ao. Zavatra hafa anefa no ampianarin’ilay hira, ka maro no lasa saina hoe aiza marina ny maty.

Efa fanaon’ny Bodista japoney hatramin’ny ela ny mandevina sy miandry faty ary mahatsiaro ny maty. Tsy voavalin’ny ankamaroan’ny Bodista anefa ny fanontaniana toy ny hoe aiza no toerana misy ny maty, mankany koa ve ny olona any amin’ny fivavahana hafa na firenena hafa rehefa maty, ary nahoana ny maty no tsy mamaly.

Maro no mihevitra fa tsy misy valiny ireo fanontaniana ireo ary ho lany fotoana fotsiny izay mitady ny valiny. Mbola mety hanontany anefa ianao hoe inona no mitranga amintsika rehefa maty isika. Aiza no mety hahitana ny valin’izany? Lazain’ny Baiboly fa lavorary ny mpivady voalohany noforonin’Andriamanitra ary nomeny zaridaina tsara tarehy mba honenany. Ho afaka niaina mandrakizay tao amin’ny Paradisa an-tany izy ireo raha nankatò an’Andriamanitra. Tsy nankatò anefa izy ireo.

Noroahin’Andriamanitra avy tao amin’ilay Paradisa àry izy mivady ary tsy nokarakarainy intsony. Inona no vokany rehefa tsy nankatò izy ireo? Hoy Andriamanitra: “Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” Vovoka no nanaovana ny olombelona, ary hiverina ho vovoka izy rehefa maty.—Genesisy 2:7; 3:19.

Hoy ny lehilahy iray mpiandry fasana any Kofu, Japon: ‘Lavenona sy taolam-paty no apetrako ao am-pasana, nefa tsy misy tavela intsony izany rehefa afaka dimy na folo taona eo ho eo.’ Zavatra avy amin’ny tany no nanaovana antsika, ka lasa vovoka indray ny vatantsika rehefa mihasimba. Dia inona sisa no tavela?

Tsy afaka mieritreritra intsony ny maty. Tsaroan’ilay Mpanao antsika foana anefa isika. Na ny fody maty aza hitany daholo. (Matio 10:29-31) Hanangana antsika amin’ny maty izy, araka ny nampanantenainy. Hantsoiny isika ka hifoha avy ao amin’ny torimason’ny fahafatesana.—Joba 14:13-15; Jaona 11:21-23, 38-44.

Te hahazo fanazavana bebe kokoa momba izany ve ianao? Manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity, fa ho faly hanampy anao izy ireo. Azonao atao koa ny mijery ny www.watchtower.org ao amin’ny Internet.