Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nisy fitsapan-kevitra nataon’ny fikambanana momba ny filazam-baovao BBC tamin’ny olona 13 000 any amin’ny tany 26, ka hita fa ny kolikoly no olana tena resahin’ny olona eran-tany. Ny fahantrana anefa no noheverina fa olana lehibe indrindra eran-tany.—VAOVAON’NY BBC, GRANDE-BRETAGNE.

“Mametraka fitaovana elektronika GPS amin’ny sarivongana mampiseho an’i Jesosy zazakely ny eglizy eran’i Etazonia. Ahafahana mahita ny toerana misy azy ireny izany, satria nirongatra ny fangalarana azy ireny tato anatin’ny taona faramparany.”—THE WEEK, ETAZONIA.

“Milaza ny komity mpanolo-tsaina ny Birao [Amerikanina] Miandraikitra ny Sakafo sy ny Fanafody fa ny olona rera-dava dia tsy mahazo manome ra, satria mety ho virosy no mahatonga azy ho reraka lava.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

Hazavana Mamono Mikraoba Mahery

Nahita teknika vaovao famonoana ny mikraoba mahery any amin’ny hopitaly ny ao amin’ny Oniversiten’i Strathclyde, any Ekosy. Hazavana mahery be no ampiasaina. Mahafaty mikraoba kokoa io teknika io raha ampitahaina amin’ny fanadiovana sy ny famonoana mikraoba amin’ny alalan’ny fanafody.

Mahatonga Tazomoka ny Fandripahana Ala

Hitan’ny mpikaroka fa mihabetsaka ny olona voan’ny tazomoka, ka anisan’ny mahatonga izany ny fandripahana ny ala any amin’ny tany mafana. Nandinika ny fahasalaman’ny olona tany amin’ny faritra 54 any Brezila ireo mpikaroka sady nijery ny fandripahana ala, hita tamin’ny alalan’ny sary amin’ny satelita. Moka antsoina hoe Anopheles darlingi no fantatra fa tena mpamindra an’ilay aretina, tao amin’ny faritra iray nanaovana fandinihana. Nilaza i Sarah Olson, tao amin’ny tatitra nataony fa “toa tena tian’io moka io ny toerana malaladalaka tsy misy hazo sady misy rano mihandrona somary azon’andro.” Hita fa ny toerana tena misy fandripahana ala no tena be tazomoka.

Angisy Misidina

Vao haingana dia hita tamin’ny sary fa misy karazana angisy mamoaka rano mifantsitsitra mba hahafahany manidina. Voamariky ny mpikaroka momba ny zavamananaina fa “afaka misidina hatrany amin’ny roa metatra ambonin’ny rano ny angisy kely mirefy 20 santimetatra, ary afaka manakopakopaka ny fivoiny sy manenjana ny tanany hatrany amin’ny 10 metatra.” (Scientific American) Mitroka rano izy ary mampifantsitsitra an’izany mafy mba hahafahany misidina hatrany ivelan’ny ranomasina. Hita avy tamin’ireo sary fa mampiasa ny fivoiny izy mba hanidinana.