Salamo 141:1-10

  • Vavaka atao mba ho voaro

    • ‘Ho toy ny emboka manitra anie ny vavaka ataoko’ (2)

    • Toy ny menaka ny anatry ny olo-marina (5)

    • Ho latsaka ao amin’ny fandrika nataony ny ratsy fanahy (10)

Hiran’i Davida. 141  Jehovah ô, miantso anao aho.+ Mba tongava haingana hanampy ahy.+ Henoy re aho rehefa miantso anao e!+   Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra+ voaomana tsara eo anatrehanao!+Ho toy ny manolotra fanatitra varimbazaha amin’ny takariva+ anie aho, rehefa manandratra ny tanako!   Asio mpiambina ny vavako, Jehovah ô!Asio mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotro.+   Aza avela haniry zava-dratsy ny foko,+Mba tsy hivarilavo miaraka amin’ny mpanao ratsy aho;Tsy hihinana amin’ny sakafo matsiron’izy ireo mihitsy aho!   Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho fanehoana fitiavana sy tsy fivadihana izany;+Raha mananatra ahy izy, dia ho toy ny menaka ahosotra amin’ny lohako izany+Ka tsy holavin’ny lohako mihitsy.+ Mbola hivavaka ho azy foana aho na dia misy loza manjo azy aza.   Na atsipy avy eny amin’ny harambato aza ny mpitsara azy ireo,Dia hihaino tsara an’izay lazaiko ny vahoaka, satria mahafinaritra ny teniko.   Toy ny ataon’ny olona miasa tany ka mamakivaky bainga,No anaparitahana ny taolanay eo am-bavan’ny Fasana.*   Ianao anefa no andrandrain’ny masoko, Jehovah Tompo Fara Tampony ô!+ Ianao no ialofako. Aza esorina* ny aiko.   Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika napetrak’izy ireo,Dia ny vela-pandriky ny mpanao ratsy. 10  Hiara-latsaka ao amin’ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra,+Fa izaho kosa tsy haninona rehefa mandalo eo.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “araraka.”