Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Zanakao

Ampio ny Zanakao

Ampio ny Zanakao

“Ny fijerena tele be loatra no tena natahorantsika taloha. Izao anefa isika manana lalao video sy ordinatera ary telefaonina. Tena be loatra izany ho an’ny ankizy! Toy ny hoe lasa andevozin’ireny fitaovana ireny izy ireo ... Zatra sary sy feo ny atidohany, ka tsy afaka andro izy rehefa tsy misy an’ireo.”—Dr. Mali Mann.

MIHAMIFANDRAY kokoa izao ny olona eran-tany satria mivoatra be ny fitaovam-pifandraisana, ary eo koa ny Internet. Tanora maro no tsy mivoaka ny trano raha tsy mitondra telefaonina, na fitaovana fihainoana hira. Mihatsara foana koa izy ireny sady mihamora, ka azo inoana fa vao mainka hitobaka. Tsy maintsy hihasarotra ho an’ny ray aman-dreny àry ny hanara-maso sy hampiofana ary hifehy ny zanany.

Misy zava-dehibe roa anefa afaka manampy anareo. Voalohany, ekeo ilay tenin’ny Baiboly hoe: “Manao hadalana ny ankizy rehetra, fa hiova izy raha hahitsy amin’ny fomba hentitra.” (Ohabolana 22:15, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Faharoa, ekeo fa mety hisy vokany tsara na ratsy amin’ny zanakao ny teknolojia, ka ataovy izay hahatonga an’ilay izy hisy vokany tsara.

Manomboha aloha be!

Ny tele no fitaovana maoderina voalohany hitan’ny ankizy, ao amin’ny tokantrano maro. Lasa mpitaiza azy mihitsy izy io matetika. Misy mpitsabo aretin-tsaina anefa milaza fa raha mijery tele be loatra ny ankizy na mbola kely loatra dia efa mijery tele, dia mety ho lasa tsy tia mampiasa vatana, tsy hahay hanavaka ny tena zava-misy sy ny tantara foronina, hanana olana ara-pihetseham-po, ary tsy hahay hifantoka any am-pianarana. Milaza ny Dr. Mali Mann fa hoatran’ny olona voan’ny aretin-tsaina mihitsy ny ankizy sasany mijery tele be loatra, satria lasa tsy mifantoka, mipelipelika be, na mbetika faly mbetika tezitra. Manoro hevitra àry ny manam-pahaizana sasany hoe tsy tokony havela hijery tele ny ankizy latsaka ny roa taona.

Hoy ny Dr. Kenneth Ginsburg, solontenan’ny Fikambanana Amerikanina Mitsabo ny Ankizy: “Manomboka mifandray akaiky amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, mandritra ireo taona voalohandohany amin’ny fiainany. Izany no zava-dehibe indrindra mitranga mandritra ireo taona ireo.” Lasa misy io fifandraisana io, rehefa miresaka sy miara-milalao aminy ny ray aman-dreniny, ary mamaky teny aminy. Raha amakiana teny matetika koa ny zaza, dia lasa tia mamaky teny, ary tena ilainy izany.

Marina fa mety hilain’ny ankizy maro ny fahaizana mampiasa ordinatera sy fitaovana maoderina hafa. Ahoana anefa raha lasa mandany fotoana be loatra amin’ireo na amin’ny lalao video ny zanakao? Mila misarika ny sainy ho amin-javatra hafa ianao. Azonao ampirisihina hanao asa tanana, na hitendry zavamaneno, ohatra, izy. Rehefa zavatra mahasoa sady mahaliana, ka haharevo azy, dia efa mety.

Tsy ho fialam-boly fotsiny izany, raha mahay mifidy ianao. Afaka manampy azy izany mba hananany faharetana sy fikirizana, ary hahaizany hifehy tena sy hamoron-javatra. Hanampy azy hahomby eo amin’ny fiainana ireo. Tsy mora toy ny mikitikitika ordinatera mantsy ny mamaha olana eo amin’ny fiainana.

Mila ‘fahendrena sy fahaiza-misaina’ ny zanakao

Samy ampirisihin’ny Baiboly hampiasa ny ‘sainy’, izany hoe hieritreritra tsara, na ny olon-dehibe na ny ankizy. (Romanina 12:1; Ohabolana 1:8, 9; 3:21) Sady manampy antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy izany, no manampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena. Tsy voararan’ny lalàna, ohatra, ny manao lalao video na mijery tele mandritra ny ora maro. Kanefa fahendrena ve izany? Tsy voarara koa ny mividy izay fitaovana elektronika na programana ordinatera nivoaka farany. Kanefa fahendrena koa ve izany? Raha izany àry no izy, ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba hahaizany hampiasa an’ireny fitaovana ireny amim-pahendrena?

Lazao ny voka-dratsiny. Mora mahay mampiasa fitaovana maoderina ny ankizy, nefa mbola tsy manana fahendrena sady tsy dia mahalala zavatra firy, ka mora ambakaina. Lazao azy àry ny mety ho voka-dratsiny sy ny fomba hisorohana an’ilay izy. Eritrereto, ohatra, ireo fandaharana ahafahana mifandray amin’olona ao amin’ny Internet na telefaonina. Marina fa afaka mampiseho ny maha izy azy ny tanora, ao amin’izy ireny, sady afaka mifandray amin’ny tanora hafa. Mampiasa an’ireny fandaharana ireny koa anefa ny olon-dratsy, toy ny mpametaveta ankizy. * (1 Korintianina 15:33) Tokony ho mailo àry ny ray aman-dreny, ka hampitandrina ny zanany mba tsy hilaza ny mombamomba azy ao amin’ireny fandaharana ireny. *

Marina fa manana zo hanana ny fiainany manokana ny zanakao, arakaraka ny fahamatorany. Nomen’Andriamanitra fahefana sy andraikitra hitaiza sy hanara-maso azy ireny anefa ianao ray aman-dreny. (Ohabolana 22:6; Efesianina 6:4) Antenaina fa ho tsapan’ny zanakao hoe tena tia azy ianao matoa manampy azy, fa tsy hoe te hidikiditra amin’ny fiainany akory.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: “Ahoana moa no hanampiako ny zanako, nefa izaho aza tsy mahay mampiasa telefaonina na ordinatera?” Mila mianatra kely fotsiny ianao! Eritrereto i Melba, vehivavy 90 taona mahery. Mbola tsy nikitika ordinatera mihitsy izy, raha tsy efa 80 taona tany ho any. Hoy izy: “Saika hatsipiko teny am-baravarankely ilay ordinatera, tamin’izaho vao nampiasa an’ilay izy. Haiko ihany anefa ilay izy rehefa afaka volana vitsivitsy. Mahay mandefa hafatra amin’ny Internet aho izao, ary misy zavatra vitsivitsy koa haiko tsara.”

Fero ny fampiasany an’ilay izy. Mijery tele, na mampiasa Internet, na manao lalao video irery mandritra ny ora maro ve ny zanakao? Nahoana raha manao fitsipika momba izany? Lazao azy ny fotoana sy ny toerana tsy azony ampiasana an’ireo fitaovana ireo ao an-trano. Amin’izay dia ho tsapany fa tena ilaina ny manaraka an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” Izany hoe misy fotoana natokana ho an’ny fianakaviana, natokana ho an’ny namana, hanaovana entimody, hisakafoanana, hanaovana fanatanjahan-tena, sy ny sisa. (Mpitoriteny 3:1) Mila manao fitsipika voalanjalanja ianao ary manao izay hanarahan’ny zanakao an’ilay izy foana. Hilamina ny fiainanareo amin’izay, ary hahalala fomba sy hihevitra ny hafa ny zanakao sady hahay hifandray amin’olona.

Hodinihintsika indray izao hoe inona no hanampy antsika rehetra, na kely na lehibe, hihevitra ny hafa sy hitsitsy vola rehefa mampiasa fitaovana maoderina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Afaka manampy ny ray aman-dreny ny lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! Oktobra 2008 hoe “Mijery Internet ve ny Zanakao? Inona no Tokony ho Fantatrao?” Misy lahatsoratra momba ny sary vetaveta sy lalao video ary Internet koa ao amin’ny Mifohaza! Martsa sy Desambra 2007, ary Janoary 2008.

^ Fanaon’ny ankizy sasany koa izao: Manao paozy mamoafady izy, ary avy eo maka sary ny tenany amin’ny telefaonina. Alefany any amin’ny namany amin’ny alalan’ny telefaonina ilay sary avy eo. Manambany azy anefa izany sady hadalana satria matetika no alefan’ilay namany any amin’olon-kafa ilay sary.

[Sary, pejy 7]

Mila ampanaovina zavatra isan-karazany mampitombo fahalalana sy manampy azy hanana faharetana sy fikirizana ny ankizy