Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpihavana Daholo Isika

Mpihavana Daholo Isika

Mpihavana Daholo Isika

AHOANA no fiheveranao ny olona tsy mitovy volon-koditra na foko aminao? Mitovy aminao ihany ve? Mampalahelo fa maro no mihevitra ny firazanana sasany ho ambany, ka manavakavaka azy ireny. Hoy ny boky iray: “Ny fanavakavahana dia fiheverana fa misy firazanana ambony noho ny hafa, ary ny firazanan’ny olona no mahatonga azy ho tsara toetra sy mahay na tsia.”

Nisy vokany ratsy be izany fiheverana izany. Hoy ny mpanoratra iray atao hoe Wen-Shing Tseng: ‘Lasa tsy nampaninona ny firenena sasany ny nampijaly ny zanataniny sy nanandevo an’ireo tsy nitovy fiaviana taminy. Nolazaina koa fa ny volon-koditra no mahatonga ny firenena sasany tsy hivoatra sy hahantra ary tsy handroso eo amin’ny lafiny politika.’ Mbola manjaka ny fanavakavahana hatramin’izao. Marina ve anefa fa misy firazanana ambony kokoa? Inona no lazain’ny mpahay siansa sy ny Baiboly?

Inona no hitan’ny mpahay siansa?

Hitan’ny mpikaroka fa tsy misy firazanana ambony sy ambany, rehefa nandinika ny fototarazo izy ireo. Ilay antsoina hoe ADN ao anatin’ny sela no misy ny fototarazo, izay mirakitra ny mombamomba ny tenantsika. Nandinika olona avy any amin’ny tany samihafa ny mpikaroka, ka hitany fa tena kely ny tsy fitoviana ao amin’ny fototarazon’izy ireo, na avy aiza izy na avy aiza. * Eo amin’ny olona iray firazanana aza no tena ahitana an’io tsy fitoviana io.

Hoy ny gazety Natiora (anglisy): “Mitovy daholo ny fototarazon’ny olombelona. Tokony hampahafantarina ny olona izany mba tsy hisian’ny fanavakavahana intsony.”

Tsy vao izao no nisy nanana hevitra toy izany. Efa nanomboka tamin’ny 1950 ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina no namoaka lahatsoratra hiadiana amin’ny fanavakavahana. Manam-pahaizana momba ny olombelona sy ny fototarazo ary ny fiaraha-monina no nanoratra azy ireny. Mbola tsy resy ihany anefa ny fanavakavahana. Tsy ampy àry ny mahalala hoe mitovy daholo isika. Ny fontsika mihitsy no mila ovana. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: ‘Avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy.’—Matio 15:19, 20.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Manova fo ny Baiboly. Izao no voalaza ao: ‘Avy tamin’ny olona iray no nanaovan’Andriamanitra ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.’ Lazainy koa fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 17:26) Mahatehotia tokoa Andriamanitra. Sa tsy izany?—Deoteronomia 32:4.

Irin’Andriamanitra hanahaka azy izay tena tia azy. Hoy ny Efesianina 5:1, 2: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.” Ny hoe ‘mandeha amin’ny fitiavana’ dia midika hoe tia olona, na inona na inona volon-kodiny na fokony.—Marka 12:31.

Tsy eken’Andriamanitra ho mpanompony ny olona ratsy fanahy, izay mankahala sy manavakavaka. (1 Jaona 3:15) Tsy ho ela dia horinganiny ny ratsy fanahy rehetra. Izay manahaka azy ihany no ho voavonjy. Hihavana ny olon-drehetra amin’izay, sady hanompo an’Andriamanitra daholo.—Salamo 37:29, 34, 38.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Hita miharihary ihany anefa ilay tsy fitoviana indraindray. Misy olona marary na sampona, ohatra, satria tsy metimety ny ao anatin’ny fototarazony.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Mitovy ny olombelona rehetra, satria ‘mitovy daholo ny fototarazony’