Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manamboninahitra Lasa ‘Miaramilan’i Kristy’

Manamboninahitra Lasa ‘Miaramilan’i Kristy’

Manamboninahitra Lasa ‘Miaramilan’i Kristy’

Notantarain’i Mark Lewis

“Trarantitra ianao ry Mpanjaka.” “Miarahaba anao Atoa Filoha.” “Miarahaba anao Atoa Praiminisitra.” Izany no fomba fiarahabana sasany fampiasako, tamin’izaho mpanamory fiaramanidina sy Manamboninahitry ny Tafika Ana Habakabaka Aostralianina. Mpitondra an’ireo olo-manan-kaja teo amin’ny fitondrana aho tamin’izany, ary nivezivezy nanerana an’i Aostralia sy eran-tany. Hafa mihitsy anefa izao ny asako, ary mahafa-po kokoa. Aleo hotantaraiko.

TERAKA tany Perth, any amin’ny faritra andrefan’i Aostralia aho, tamin’ny 1951, ary miaramila ny raiko. Nanomboka nitondra fiaramanidina kilalao aho, tamin’izaho 15 taona. Lasa tia nitondra fiaramanidina aho nanomboka teo.

Nisaraka i Dada sy Neny taoriana kelin’izay, ka rava ny fianakavianay. Nandray ahy hiara-mipetraka taminy ny manamboninahitra iray tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka, mandra-pahavitan’ny fianarako teny amin’ny lise. Noho ny fampirisihany, dia nianatra tao amin’ny Akademian’ny Tafika Ana Habakabaka Aostralianina aho, mba ho lasa manamboninahitra lefitra.

Lasa mpanamory fiaramanidina

Lasa manamboninahitra aho sady nahazo diplaoma momba ny fizika, enin-taona teo ho eo tatỳ aoriana. Lasa mpanamory fiaramanidin’ny tafika koa aho. Fiaramanidina mpitatitra no nentiko voalohany, ary nandeha nanerana an’i Aostralia sy Pasifika Atsimo ary Azia Atsimoatsinanana aho. Matetika ny fiaramanidinay no namakivaky tendrombohitra avo sy lohasaha, ary nipetraka tamin’ny toerana feno bozaka. Nampidi-doza izany. Maro ny fiaramanidina niharan-doza sy ny aina nafoy. Namonjy an’ireo olona nipetraka tany amin’ny faritra mitokana no asanay. Nitatitra fitaovana fanamboarana tetezana, bilidaozera kely fanamboaran-dalana, sakafo ho an’ny tra-boina, ary dokotera, izahay. Nitondra marary koa izahay.

Lasa nampianatra nanamory fiaramanidina aho tamin’ny 1978, ka niverina tao amin’ny Akademian’ny Tafika Ana Habakabaka. Nihaona tamin’i Diane aho. Maty vady izy, ary nanan-janaka vavikely telo taona. Niara-nianatra tamiko tao amin’ny Akademia ny vadiny, saingy maty tamin’ny lozam-piaramanidina. Nangataka azy ho vady aho. Nieritreritra anefa aloha izy raha mbola te hanambady mpanamory fiaramanidina indray.

Niara-niasa tamin’ny Governora Jeneralin’i Aostralia nandritra ny herintaona aho. Tao amin’ny tranon’ny governora tao Canberra aho no niasa, ka nahita tsara ny fiasan’ny fitondrana, sady nifanerasera akaiky tamin’ny olon-tsotra sy miaramila ary mpitondra fivavahana. Niverina nampianatra indray aho, taorian’izay. Nivady izahay sy Diane, tamin’ny 1980.

Niofana roa taona tany amin’ny Tafika Ana Habakabaka Amerikanina aho, tamin’ny 1982, mba ho lasa mpiandraikitra ny aro loza ana habakabaka sy mpanadihady momba ny lozam-piaramanidina. Nivezivezy nanerana an’i Etazonia aho, ary tonga hatrany Irlandy Avaratra. Nanadihady momba ny lozam-piaramanidina aho, ary nandinika ny firafitry ny fiaramanidina sy izay rehetra mifandray amin’ny fanidinany, mba hampihenana ny loza mety hitranga.

Niverina teto Aostralia

Teraka an’i Kerry zanakay vavy i Diane, taorian’ny niverenako teto Aostralia. Lasa efa-mianaka izahay. Nampalahelo ny fiainam-pianakavianay satria be asa aho, ka sady ray no reny i Diane. Lasa Manamboninahitry ny Tafika Ana Habakabaka miandraikitra ny olo-manan-kaja aho, telo taona tatỳ aoriana, araka ilay nolazaiko terỳ am-piandohana. Nanampy ny ONU ny miaramila teo ambany fiadidiako, rehefa nipoaka ny Adin’ny Hoala Persika tamin’ny 1991. Nanampy ny ONU koa izahay tany Pakistan, Afghanistan, Afrika ary Israely.

Lasa mpiara-miasa tamin’ny Lehiben’ny Tafika aho, tamin’ny 1992. Nanjary nahalala tsara ny fifandraisan’ny tafika sy ny fanjakana ary ny ONU aho noho izany. Hitako fa tsy mahomby amin’ny lafin-javatra maro ny ONU. Toa io fikambanana io ihany anefa no nantenainay hitondra tontolo tsara kokoa. Ny zava-nitranga tao an-tranonay no nanova ny fomba fijeriko.

Voavaly ny fanontanian’i Diane

Katolika i Diane taloha. Nisy fanontaniana maro nanitikitika ny sainy rehefa maty ny vadiny voalohany, saingy tsy nahitany valiny izany. Vao mainka sahiran-tsaina izy rehefa nanomboka liana tamin’ny asan’ny maizina i Renee, zanakay vavimatoa. Nahita gazety Mifohaza! tany an-tranon’ny namany i Diane, indray mandeha. Hitany tao fa hisy lahatsoratra momba ny fivavahana amin’i Satana ao amin’ny Mifohaza! manaraka. * Mbola tsy nahita Mifohaza! mihitsy izy, talohan’io. Nieritreritra àry izy teny an-dalana nody hoe: ‘Ahoana re no hahazoako an’io gazety io e?’

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay, telo andro taorian’izay, ary nahazo an’ilay gazety i Diane. Nanaiky hianatra Baiboly izy, tatỳ aoriana, ary nanomboka nanatrika fivoriana kristianina. Nahafaly ahy izany ary niara-nivory taminy aza aho indraindray, saingy tsy nieritreritra ny hianatra Baiboly. Tsy nihevi-tena ho mpivavaka aho na dia nino an’Andriamanitra aza. Be loatra mantsy ny fihatsarambelatsihy hitako ataon’ny fivavahana. Tsy azoko, ohatra, hoe nahoana ny mpitondra fivavahana tao amin’ny tafika no nampianatra momba ny fitiavana sy ny fiadanana, nefa nanohana ny ady.

Napetrak’i Diane teny rehetra teny ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mba hovakiko. Novakiko ihany ny sasany, saingy naveriko tsara tamin’ny toerany avy eo. Tsy tiako hihevitra mantsy i Diane hoe liana aho. Nisy andinin-teny roa nanahiran-tsaina ahy, rehefa nitombo ny fahalalako ny Baiboly. Ny Apokalypsy 19:17, 18 ny iray, izay milaza fa hihinana ny nofon’ny “mpitari-tafika” ny vorona. Ny Apokalypsy 17:3 kosa ny iray, izay miresaka momba ny “bibidia mena midorehitra.” Milaza ny Vavolombelona fa ny ONU ilay bibidia, nefa nifanohitra tamin’ny fiheverako izany. * Tsy te hieritreritra be momba izany aho.

Nanasa ahy hanatrika ny batisany i Diane, tamin’ny 1993. Tsy nampoiziko izany. Nanontaniako izy hoe: “Iza no tianao raha tsy maintsy mifidy ianao? I Jehovah sa izaho?” Namaly izy hoe: “I Jehovah. Mino anefa aho fa tsy voatery hisafidy, satria samy tiako ianareo.” Takatro àry fa nila nianatra bebe kokoa momba an’io Andriamanitra tian’ny vadiko io aho. Nanasa ahy hianatra Baiboly ny anti-panahy iray teo an-toerana, ary nanaiky aho.

Tena liana tamin’ny faminanian’ny Baiboly aho, indrindra fa ireo faminaniana mifandray amin’ny tantaran’ny tafika sy ny fanjakana. Nianatra momba ny zava-bitan’ny tafik’i Gresy fahiny, ohatra, aho, tamin’izaho niofana tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka. Rehefa nianatra Baiboly anefa aho, dia nanjary fantatro fa efa voasoratra taonjato maro mialoha ao amin’ny Daniela toko faha-8 ny tsipiriany momba izany. Resy lahatra tsikelikely aho fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, rehefa avy nandinika an’io faminaniana io sy ny hafa.

Nodinihiko tsara indray ny momba ny ONU. Hitako fa tsy mahavaha ny olana atrehin’ny olombelona ny tafika, ary tsy ny tahotra ny ady no hampisy ny tena fiadanana. Takatro koa fa tsy ny ONU no hamaha ny fifandrafiana ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-poko, izay mahatonga ady. Nanjary azoko fa Andriamanitra irery no afaka mamaha ny olana mahazo ny olona. Efa manao izany izy rehefa dinihina ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (Salamo 133:1; Isaia 2:2-4) Ho vitako ve anefa ny hiala amin’ny asako ao amin’ny tafika mba hanompoana an’Andriamanitra?

Tapa-kevitra hanaraka ny fahamarinana

Tonga ny fotoana tsy maintsy nanapahako hevitra tamin’ny 1994, rehefa nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tao Sydney aho. Nisy tantara an-tsehatra ara-baiboly tamin’izay. Nasongadin’izy io fa tsy maintsy nisafidy ny Israelita fahiny hoe hanompo an’i Jehovah sa i Bala, andriamanitra kananita. Hoy i Elia mpaminanin’i Jehovah tamin’ny Israely: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” (1 Mpanjaka 18:21) Tena nahatonga saina ahy ireo teny ireo. Niroa saina toa an’ireo Israelita aho. Nila nifidy aho hoe hanompo an’i Jehovah sa hanohy ny asako tao amin’ny tafika.

Nilazako i Diane rehefa nody izahay ny alin’iny, fa hiala ao amin’ny tafika aho satria te ho Vavolombelon’i Jehovah. Tampoka be izany ka taitra izy. Tena nanohana ahy anefa izy. Notanterahiko ny fanapahan-kevitro, andro vitsivitsy tatỳ aoriana.

Izaho no lehiben’ny miaramila tao amin’ny Akademian’ny Fiarovam-pirenena Aostralianina, tao Canberra, tamin’izany. Izaho no nanara-maso ny fampiofanana an’ireo mpianatra ho manamboninahitra 1 300 teo ho eo, tao amin’ny Tafika An-tanety sy An-dranomasina ary Ana Habakabaka. Nilaza tamin’ireo mpianatra sy mpiasa 400 tao amin’ny akademia aho tamin’ny faran’ny taom-pianarana, fa hiala amin’ny tafika, ary hitory isan-trano sy hampianatra Baiboly an-tsitrapo. Niara-nidinika Baiboly tamiko ny olona sasany nanatrika teo, vokatr’izany.

Lasa mpitory manontolo andro

Vao niala tao amin’ny tafika aho, dia nitory ny ampitson’iny. Natao batisa aho ny Aprily 1995, telo volana taorian’izay. Nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho raha vao afaka nanao izany, ka nanokana ora maro hitoriana.

Betsaka ny fiovana tsy maintsy nataoko. Manamboninahitry ny tafika mantsy aho teo aloha, nefa ‘miaramilan’i Kristy’ izao. (2 Timoty 2:3) Mpitondra mikrô no andraikitro voalohany tany amin’ny fivoriana kristianina. Tsy maintsy nianatra niangavy aho fa tsy nibaiko. Nianarako koa fa tsy ny fahaiza-mitsitsy fotoana sy vola ary hery no zava-dehibe rehefa manao zavatra, fa ny fitiavana sy ny fiheverana izay hahasoa ny hafa. Mbola niezaka mafy hahay hampifandanja an’ireo toetra ireo aho. Nila nanatsotra fiainana koa izahay mianakavy, satria nihena ny vola niditra.

Tena tiako ny mitory. Niara-nitory tamin’i Kerry aho, indray mandeha, tamin’izy sivy taona. Nasaiko nandinika ny fihetsiky ny olona nitorianay izy. Tsy ela dia hitanay fa maro no tsy liana, nefa nisy olona nahafinaritra ihany. Nisy liana mihitsy aza. Nampahery anay mianaka izany. Efa nianatra Baiboly ny zanakay vavy iray, saingy tsy nifidy ny hanompo an’i Jehovah.

Nampirisihinay sy Diane i Kerry, mba hiezaka ho lasa mpanompo manontolo andro. Faly be aho satria nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana niaraka taminy, vao haingana. Izaho efa namerina fa izy kosa vao voalohany. Tena mahafaly ny mahita azy sy ny tanora hafa, mahafoy tena ho an’i Jehovah sy manatontosa tsara ny fanompoany!—Salamo 110:3.

Fitahiana tondraka

Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako fa misy mampitovy sy tsy mampitovy azy ny hoe miaramilan’ny tafika sy ny hoe miaramilan’i Kristy. Samy ilana fahatokiana, fankatoavana, tsy fivadihana, fahaiza-manitsy tena ary fahafoizan-tena izy ireo. Miaramila maro no vonona hamoy ny ainy ho an’ny fireneny sy ny namany. Ny tena Kristianina kosa tokony ho tia ny olon-drehetra, eny fa na dia ny fahavalony aza. (Matio 5:43-48) Omena mari-pankasitrahana ny miaramila, na dia iray monja aza ny asa nilana herim-po vitany. Ny tena Kristianina kosa mila manohy ny fanompoany foana, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Ilana herim-po mitohy izany, satria mety hisy ny fanoherana sy fanesoana ary fitsapana hafa. (Hebreo 10:36-39) Ny tena Kristianina no namana tsara indrindra hitako.

Tsy manao ilay fomba fiarahabana voaresaka terỳ aloha intsony aho izao. Toy izao indray no fiarahabana fanaoko: “Manahoana Ranabavy”, “Manahoana Rahalahy.” Tena mahafaly ny manompo an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra miaraka amin’ireo olona tena tia azy. Hitako fa izany no voninahitra lehibe indrindra, sy asa mahafa-po indrindra eo amin’ny fiainana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Mifohaza! (frantsay) 22 Oktobra 1989, pejy 2-10.

^ feh. 17 Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, pejy faha 240-243, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, Pejy 14]

Miaramila maro no vonona hamoy ny ainy ho an’ny fireneny sy ny namany. Ny tena Kristianina kosa tokony ho tia ny olon-drehetra, eny fa na dia ny fahavalony aza

[Sary, pejy 12, 13]

Mitondra fiaramanidin’ny Tafika, teo ambonin’ny Tranon’ny Parlemanta, eto Canberra

[Sary, pejy 15]

Tantara ara-baiboly tamin’ny fivoriambe 1994, tany Sydney, Aostralia

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Kerry, tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Diane ary Kerry, ankehitriny