Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo?

Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo?

Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo?

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—MATIO 19:6.

TATO ho ato, dia tratran’ny rivo-doza mahery ny faritra maro eran-tany, ka be dia be ny trano saika rava. Hita fa tsy mafy araka ny niheverana azy ny trano sasany. Rava tanteraka izy ireny, ary potika hatramin’ny fototra.

Toy izany koa no manjo ny fanambadiana ankehitriny. Toy ny hoe misy rivo-doza mandrava an’io zavatra efa nisy hatramin’ny ela io, ka potika hatramin’ny fototra. Hoy ilay mpahay tantara momba ny fianakaviana, atao hoe Stephanie Coontz: “Tsy zava-dehibe amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny fiaraha-monina intsony ny fanambadiana, na inona na inona mety ho vokany.”

Hitanao ve ny vokatr’izany fiovana izany? Voamarikao ve fa lasa tsy misy hasiny intsony ny fanambadiana eo anivon’ny fiaraha-monina? Raha eny, nahoana? Afaka ny hanana tokantrano sambatra ve ianareo? Inona anefa aloha no mitady handrava ny fanambadiana?

Ireo zavatra mitady handrava ny fanambadiana

Tsy vao izao no misy zavatra mitady handrava ny fanambadiana, fa efa hatramin’ny nisian’ny olombelona. Lasa nanana toetra sy fomba fisainana ratsy i Adama sy Eva razambentsika, ka izany no mahatonga ny mpivady hahita olana goavana ankehitriny. Nanaiky ho resin’ny fitiavan-tenany i Adama sy Eva, ka nanota. Vokatr’izany, dia ‘niditra ho amin’izao tontolo izao ny ota.’ (Romanina 5:12) Tantarain’ny Baiboly fa tsy ela taorian’izay, dia nanjary ‘ratsy ihany mandritra ny andro ny fisainana rehetra avy amin’ny fon’ny olona.’—Genesisy 6:5.

Tsy niova firy izany hatramin’izao. Tia tena ny olona sasany, ka tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra azy, ary tsy menatra akory manao izany. Anisan’ireo fisainana na toetra mandrava tokantrano maro izany ankehitriny. Etsy an-danin’izany, dia miova tanteraka izao ny fitsipi-pitondran-tena, ka heverin’ny olona ho zavatra efa lany andro sy tsy ilaina intsony ny fanambadiana. Tsy mahamenatra intsony koa ny misaraka, satria nohalefahina ny lalàna momba izany.

Tsy manam-paharetana koa ny olona sasany, fa mila vahaolana maika, ary te hahazo avy hatrany izay iriny. Zara raha eritreretiny na tsy eritreretiny akory izay ho vokatry ny fisaraham-panambadiana. Mino mihitsy aza izy fa ho sambatra raha misaraka. Misy mampanantena azy mantsy fa tsy ho voafehifehy intsony izy raha manao izany.

Ny hafa indray manatona manam-pahaizana sy mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana, na mamaky ny boky nosoratan’izy ireny, rehefa mahita olana saro-bahana. Mampalahelo anefa fa vao mainka mandrava tokantrano, ny olona sasany lazaina fa mahay mandamina ny olana eo amin’ny mpivady. Hoy ny boky Fiarovana ny Tokantrano (anglisy): ‘Maniry hanambady ny olona. Sambany angamba anefa vao misy mitady hanimba tsy an-kijanona toy izao ny fanambadiana, ary mahagaga fa mahomby izany. Ireo lazaina fa manam-pahaizana mihitsy no mandrava azy io indraindray. Milaza mivantana izy ireo fa tsy azo tanterahina na maneritery, ny voadim-panambadiana.’

Niova ny fiheverana ny fanambadiana

Niova koa ny fiheverana ny fanambadiana sy ny antony hanambadiana. Voamarikao angamba fa tsy zava-dehibe intsony izao ny fifampitokisana sy ny fifanampian’ny mpivady. Tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra azy kosa izy ireo, na dia mitondra fahavoazana ho an’ny vadiny aza izany matetika. “Nanomboka nisy tamin’ireo taona 1960 [izany], ary vao mainka nitombo tamin’ireo taona 1970”, hoy ny Gazety Momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana (anglisy). Tsy dia zava-dehibe amin’ny olona intsony ny tena antony hanambadiana. Anisan’izany ny faniriana hotiavina, hanana olona hifandraisana akaiky sy hatokisana, hiteraka, ary hifanome fahafaham-po.

Nisy zava-nitranga maromaro hafa koa tato ho ato, ka nampiova haingana ny fanambadiana tany amin’ny tany maro. Voalohany, nisy fiovana teo amin’ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny lehilahy ihany no niasa taloha, fa ny vehivavy kosa nikarakara tokantrano. Miasa koa anefa izao ny vehivavy, ka lasa maro be ny mpivady samy mikarama. Faharoa, tsy dia mampaninona ny olona intsony ny miteraka tsy manambady, ka mihamaro ny reny tokan-tena. Fahatelo, mihabetsaka ny manao tokantranomaso. (Jereo ilay efajoro hoe “ ‘Tsy Maharitra’ ny Tokantranomaso.”) Fahefatra, maro be no mankasitraka ny lehilahy manambady lehilahy na vehivavy manambady vehivavy, ka manohana ny fihetsiketsehana ataon’izy ireny mba hanekena azy ho ara-dalàna. Nanjary niova koa ve ny fiheveranao ny fanambadiana noho ireo zava-mitranga ireo?

Mihamaro ny misara-panambadiana

Andeha isika hijery antontan’isa avy any amin’ny tany maromaro, mba hanaporofoana fa fahita ny fisaraham-panambadiana, ka vao mainka tsy misy hasiny ny fanambadiana. “Nitombo avo efatra heny ny mpivady nisaraka teo anelanelan’ny 1970 sy 1996”, tany Etazonia, araka ny tatitra vao haingana. Olona 1 ao anatin’ny 5 eo ho eo no misaraka any. Iza no tena mora misaraka? Hita tamin’ny antontan’isa fa olona nivady folo taona na latsaka, ny antsasany mahery tamin’ireo nisaraka.

Tena mihamaro koa ny mpivady misaraka, any an-tany hafa. Nahatratra 153 490 ny fitambaran’izy ireo tany Angletera sy Pays de Galles, tamin’ny 2004. Hisaraka koa ny antsasany latsaka kely amin’ny mpivady any Aostralia, araka ny tombantombana. Mpivady 21 800 no nisaraka tany amin’ny Repoblikan’i Korea tao anatin’ny herintaona monja (2002-2003), raha 167 100 ny isan’ny mpivady rehetra nisaraka tany. Kely sisa dia hitovy ny isan’ny mpivady misaraka any Japon sy Eoropa, satria mpivady 1 ao anatin’ny 4 no misaraka any. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny fianakaviana, any amin’ny Oniversiten’ny Vokovoko Menan’i Japon: “Ny mpivady tena tsy nifanaraka ihany taloha no nisaraka. Heverina ho olana madinika eo amin’ny fiainana kosa izao ny fisaraham-panambadiana.”

Vitsy taloha ny olona nisaraka, tany amin’ny tany maro. Ny fivavahana na ny fomba amam-panao teo an-toerana no nahatonga izany. Tsy mahasakana ny fisaraham-panambadiana intsony anefa izany izao. Mihamaro hatrany ny olona mankasitraka azy io. Jereo, ohatra, izay mitranga eo anivon’ny Eglizy Katolika. Zava-masina ny fanambadiana amin’izy ireo. Nohalefahin’ny eglizy anefa, tamin’ny 1983, ny lalàna napetrany momba ny fanambadiana, ka lasa mora kokoa ho an’ny Katolika ny misaraka. Nihabetsaka ny fisaraham-panambadiana neken’ny eglizy nanomboka teo.

Hita àry fa tsy dia manana ny hasiny intsony ny fanambadiana. Tsy ny fitondran-tena miharatsy eo anivon’ny fiaraha-monina ihany anefa no mampitombo ny fisaraham-panambadiana. Mbola misy antony lehibe hafa tsy hitan’ny ankamaroan’ny olona.

Antony hafa tsy hitan’ny olona

Milaza ny Baiboly fa mitaona an’izao tontolo izao hanao zavatra tena ratsy i Satana Devoly, ilay anjely faran’izay tia tena, na dia tsy hita maso aza. Nahoana? Satria natsipy avy any an-danitra ho etỳ an-tany izy, ka tena tezitra. Tapa-kevitra ny hitondra “loza” maro araka izay azony atao àry izy. Maro ny zavatra anamparan’i Satana ny hatezerany, ka iray monja amin’izany ny fanambadiana, izay naorin’Andriamanitra.—Apokalypsy 12:9, 12.

Hoy i Jesosy, rehefa niresaka momba ny fotoana aorian’ny anipazana an’i Satana etỳ: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.” (Matio 24:12) Hoy koa ny apostoly Paoly: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:2-4) Efa nisy ihany ireo toetra ratsy ireo taloha, nefa lasa fahita kokoa tato ho ato. Eken’ny ankamaroan’ny olona fa marina izany.

Koa satria maro ny zavatra mitady handrava ny tokantrano, inona no azontsika atao mba hiarovana ny antsika, ka hahatonga azy io ho tena sambatra sy haharitra? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Zatra manary avy hatrany an’izay zavatra tsy ilainy intsony ny olona izao, ka mety hanao toy izany koa amin’ny olona toa azy.”—SANDRA DAVIS, MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY ZO SY ADIDIN’NY MPIANAKAVY

[Efajoro/​Sary, pejy 4]

“Tsy Maharitra” ny Tokantranomaso

Maro ny lehilahy sy vehivavy manao tokantranomaso. Vao mainka anefa izany “tsy maharitra noho ny fanambadiana vita soratra”, hoy ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina. Misy kosa manao tokantranomaso alohan’ny hivadiany, mba hahitana raha afaka hifanaraka izy na tsia. Mifanaraka tokoa ve anefa izy ireo rehefa lasa mpivady? Mihatsara ve ny tokantranony? Tsy izany no zava-misy. Hoy ny Gazety Momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana: ‘Tsy sambatra firy ny olona nanao tokantranomaso vao nivady. Be zava-manahirana kokoa izy ireo, ary ahina kokoa hisaraka.’

[Efajoro/​Sary, pejy 5]

Efa Nivady Ela Indray vao Misaraka

Ela velona kokoa ny olona ankehitriny. Mahafaly izany, nefa vao mainka nanakorontana tokantrano maro. Toy ny “lamban’akoho” ny fanambadiana taloha, “ka faty no isarahana.” Mbola tsy maty akory anefa izao ny mpivady maro dia efa misaraka. Misy aretina hafahafa mpahazo ny vehivavy efa ela nanambadiana, any Japon. Misy ifandraisany amin’ny fanambadiana ihany izy io, ary resahin’ny manam-pahaizana fa ‘aretin’ny vehivavy manana vady efa misotro ronono’, araka Ny Gazetin’i Washington (anglisy). Nisotro ronono, ohatra, ny vadin’ny vehivavy iray, rehefa nivady 40 taona izy ireo. Notantarain’ilay vehivavy izay noeritreretiny tamin’izany. Nieritreritra izy hoe: “Aleo aho hisaraka aminy amin’izay kah! Efa tsy tiako hatramin’izay ny nikarakara azy isaky ny avy niasa izy, nefa tsy maintsy nataoko izany. Tsy zakako mihitsy anefa ny miaraka aminy foana ato an-trano.”