Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trondro Mampaharary

Trondro Mampaharary

Trondro Mampaharary

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FIDJI

Sahiran-tsaina i Arebonto: Hihinana sa tsy hihinana? Fantany fa mety hampaharary ilay trondro, nefa noana izy. Manitra be koa ilay trondro natono. Nohaniny ihany àry ilay izy. Nanenina anefa izy, satria tsy ela taorian’izay dia nanomboka naloiloy izy, nanotika ny kibony, ary avy eo nandoa sy nivalana izy.

TSY nahatsiaro tena tsara i Arebonto tamin’izy nentin’ny namany tany amin’ny hopitaly, tao amin’ilay nosikely atỳ amin’ny ranomasina pasifika. Betsaka koa ny rano very taminy, narary ny tratrany, ambany ny tosidrany, ary niadana ny fitepon’ny fony. Lasa narary andoha izy andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary fanimpanina sy reraka. Voly koa ny tongony, nanaintaina izy rehefa nipipỳ, lasa nafana taminy ny zavatra mangatsiaka ary lasa nangatsiaka ny zavatra mafana. Niverina tamin’ny laoniny ihany ny fitepon’ny fony rehefa afaka valo andro, saingy mbola volivoly sy reraka foana izy tao anatin’ny herinandro maromaro.

Poizina mahery hita ao anatin’ireo trondro fihinana, izay mivelona any amin’ny faritra be haran-dranomasina, no nampaharary an’i Arebonto. Antsoina hoe ciguatera io aretina io, ary fahita any amin’ny tany mafana, sy ireo faritra manakaiky ny tropika, ary any amin’ny faritry ny ranomasina indianina sy pasifika ary karaiba. Anisan’ny foto-tsakafon’ny olona any amin’ireo faritra ireo mantsy, ny trondro noharatoina teo an-toerana.

Tsy vao izao ny olona no voapoizin’ny trondro. Izany no nampijaly na namono an’ireo tantsambo eoropeanina mpikaroka tany vaovao. Maro amin’ireo mpanao vakansy ankehitriny koa no mitondra faisana vokatr’izany. Tsy mahagaga raha mampihena ny trondro azo amidy sy ny isan’ny mpizaha tany any amin’ny nosy maro, io aretina io. Miely patrana koa ilay aretina, satria amidy any amin’ny firenen-kafa ireo trondro avy any amin’ny faritra be haran-dranomasina. Misy amin’izy ireny aondrana velona, ary misy tahirizina anaty gilasy. Tsy mora fantatra anefa ilay aretina rehefa any amin’ny toerana lavitra ny Tropika. *

Nahoana ireo trondro avy any amin’ny faritra be haran-dranomasina no misy poizina? Azo fantarina ve ny trondro misy poizina? Diniho ny vokatry ny fikarohana natao nandritra ny am-polony taona.

Avy aiza ilay poizina?

Zavamiaina bitika dia bitika any an-dranomasina no voalaza fa mamoaka an’ilay poizina mampaharary. Mivelona amin’ny haran-dranomasina efa maty izy io, ary miraikitra amin’ny ahidrano. Atelin’ny trondro madinika miaraka amin’ireo ahidrano ireny poizina ireny. Mitelina an’ireny trondro madinika ireny ny trondro hafa. Ireny indray avy eo no atelin’ny trondro hafa vaventy kokoa. Ireto farany indrindra no tena iangonan’ny poizina, na dia toa tsy nampaninona azy aza ilay izy.

Anisan’ny poizina tena mahery ary mahafaty mihitsy aza, ilay poizina avy amin’ny zavamiaina mahatonga ny aretina ciguatera. Soa ihany fa ‘karazan-trondro vitsy ihany no mahatonga io aretina io’, araka ny gazetim-panjakana iray any Aostralia. Tsy manova ny endriky ny trondro, na ny fofony, na ny tsirony, ilay poizina. Tsy mihena koa ny herin’izy io na andrahoina ilay trondro, na atao amin’ny etona, na hamainina, na asiana sira, na atao anaty saosy vinaingitra. Tsy fantatr’i Arebonto mihitsy hoe nisy poizina ilay trondro, raha tsy efa narary ny kibony, tsy nitepo ara-dalàna ny fony, ary tsy niasa tsara intsony ireo hozatra mpibaiko avy any amin’ny atidohany.

Fizahana sy fitsaboana

Mbola tsy misy ny laboratoara fitsirihana raha misy poizina avy amin’ny trondro ao amin’ny olona iray. Arakaraka ny soritr’aretina no amantarana izay mahazo an’ilay olona. Matetika izy ireny no miseho ora vitsivitsy aorian’ny nihinanana an’ilay trondro. Azo tsirihina any amin’ny laboratoara koa ny ambin’ilay trondro, mba hanaporofoana fa tena misy poizina izy io. (Jereo ny kisary eo ampita.) Raha manahy ianao sao voapoizin’ny trondro, dia manatòna dokotera. Na tsy misy aza ny fanafody manala an’ilay poizina, dia misy kosa ny fitsaboana azo arahina mba hampihenana ny soritr’aretina, izay maharitra andro vitsivitsy mazàna. Tena mandreraka ny ciguatera, saingy mety tsy ho lasa aretina mitaiza ilay izy raha tsaboina aloha kokoa.

Tsy mitovy ny hamafin’ny soritr’aretina, satria miankina amin’ny toe-javatra maro izany. Anisan’izany ny habetsahan’ny poizina tao anatin’ilay trondro, ny ampahany na ny faritra nohanina tamin’izy io, ny habetsahan’ny trondro nohanina, ary ny fatran’ny poizina efa ao anatin’ilay marary. Eo koa ny toerana niavian’ilay trondro, satria misy mahasamy hafa azy kely ny poizina any amin’ny faritra maro. Tsy mahatohitra an’ireny poizina ireny ny vatan’olombelona, fa vao mainka aza mora andairany, hany ka ratsy kokoa noho ny teo aloha ny vokany rehefa tratran’ilay aretina indray ilay olona! Vao mainka mihamafy ny soritr’aretina, raha misotro toaka ilay olona. Milaza ny boky iray, fa tsy tokony hihinana trondro mandritra ny telo ka hatramin’ny enim-bolana ny olona voapoizin’ny trondro, mba tsy hiverenan’ilay aretina.

Mety haharitra herinandro maromaro, na volana maromaro, na taona maromaro mihitsy aza ilay aretina rehefa tena mafy. Lasa rera-dava ilay olona, mihamalemy ny hozany, ketraka izy, ary tsy mahita tory tsara. Mety ho faty izy raha misy loza mahazo azy tampoka, na sempotra izy, na mijanona ny fony, na be loatra ny rano very. Mahalana anefa izany no mitranga. Ny fihinanana lohan-trondro na ny taovany anefa no mahatonga izany matetika, satria ao amin’ireo no tena be poizina.

Zava-miafina

Saika ny trondro rehetra any amin’ny faritra be haran-dranomasina no mety hisy poizina. Eo anefa no mipoitra ilay zava-miafina. Mety ho be poizina ny trondro sasany avy amin’ny faritra iray be haran-dranomasina. Mety tsy hisy poizina anefa ny trondro hafa mitovy karazana aminy, na dia tsy lavitra teo aza no nahazoana azy. Mety tsy hampaninona ny karazan-trondro iray any amin’ny faritra sasany, na dia io karazany io ihany aza no tena mampaharary any amin’ny faritra hafa. Tsy mamoaka poizina ilay zavamiaina bitika indraindray, ka tsy azo fantarina mialoha ny mety hisian’ny trondro misy poizina.

Sarotra koa ny mamantatra ny fisian’ny poizina ao anaty trondro, satria mbola tsy misy ny fitsirihana tsy andaniam-bola sy azo ianteherana momba izany. Ny hany azon’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana atao amin’izao fotoana izao, dia ny mampahafantatra ny sarambabem-bahoaka ireo trondro tsy tokony hohanina sy ny toerana mety hahitana azy ireny. Anisan’ny tena atahorana hisy poizina ny aloalo (na jano, ramanjonona, tsoiky), tarataka, karazana angoho (na talafeta), fiamena (na bobotsy, moromboko, merimboho, joho), alovo, tsivaravara (na zazamanango, Madame tombée, bepakitsy), lamerana (na lamahira, lamera). Atahorana hampidi-doza kokoa ny trondro vaventy sy ela niainana kokoa. Voararan’ny lalàna ny mivarotra trondro mety hisy poizina, any amin’ny toerana sasany. Tsy atahorana anefa ireto karazany ireto amin’ny ankapobeny: ny trondro tsy mihinana an’ireo trondro fahita any amin’ny faritra be haran-dranomasina, ary ny trondron-dranomasina tsy mivelona any amin’ny faritra mafana.

Voalaza fa mety hitombo ny olona ho voapoizin’ny trondro. Anisan’ny mahatonga izany, ny fitomboan’ny haran-dranomasina marary na efa ho faty. Ny haran-dranomasina efa maty mantsy no mampitombo an’ireo zavamiaina bitika mamoaka poizina.

Tsy fantatra mihitsy izay trondro mety hampaharary. Afaka miaro tena anefa ianao, raha manaraka toro lalana fototra vitsivitsy. (Jereo ny kisary eo ambony.) Saika maty i Arebonto, satria tsy nanaraka an’ireo toro lalana ireo. Nohaniny ny loha sy ny nofon’ny karazan-trondro iray fahita teto an-toerana, izay efa fantatra fa mety hampidi-doza. Efa nihinana an’io karazan-trondro io izy taloha, fa tsy naninona, ka nanjary natoky tena loatra, toy ireo mponina hafa eto.

Midika ve izany fa tsy tokony hihinana hazan-dranomasina mihitsy ianao, ohatra hoe rehefa manao vakansy? Tsy izany velively. Fahendrena ny manaraka fampitandremana sy mifidy tsara ny trondro hohanina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tsy fantatra marina ny fihanak’io aretina io maneran-tany, satria heverin’ny mpitsabo ho aretina hafa no mahazo ny marary. Maro koa ny olona voan’izy io, saingy tsy milaza any amin’ny tompon’andraikitra. Isan-taona dia olona 50 000 eo ho eo eran-tany no voapoizin’ny trondro, araka ny tombantomban’ny manam-pahefana isan-tsokajiny.

[Efajoro/​Sary, pejy 21]

Soritr’aretina Fahita

▪ Mivalana, maloiloy, mandoa, manevika ny kibo

▪ Mangatsiaka, tsemboka, fanina, marary andoha, misy mangidihidy

▪ Volivoly na mangotsokotsoka ny tanana, na ny tongotra, na eo amin’ny manodidina ny vava

▪ Lasa mafana amin’ilay olona ny zavatra mangatsiaka, ary lasa mangatsiaka ny zavatra mafana

▪ Marary rehefa mipipỳ, manaintaina ny hozatra sy ny vanin-taolana

▪ Miadana ny fitepon’ny fo, ambany ny tosidra, ary reraka

[Efajoro/​Sary, pejy 21]

Fitandremana Azo Atao

▪ Anontanio any amin’ny sampan-draharaha momba ny jono, ny karazan-trondro tsy azo hanina sy ny toerana nahitana trondro nisy poizina.

▪ Aza mihinana trondro avy any amin’ny toerana sasany, raha vao haingana tany no nisy olona voapoizin’ny trondro.

▪ Aza mihinana trondro vaventy sy ela niainana kokoa, izay mivelona any amin’ny faritra be haran-dranomasina.

▪ Aza hanina ny lohany, na ny atiny, na taova hafa.

▪ Raha vao mahazo trondron-dranomasina ianao, dia esory tsara ny taovany.

[Sary, pejy 20, 21]

Matetika no Misy Poizina

(METY HIOVA NY FIANTSOANA AZY)

Tsivaravara

Tarataka

Aloalo

Alovo

Karazana angoho

Lamerana

[Sary, pejy 20]

Zavamiaina bitika mamoaka poizina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Ny trondro rehetra afa-tsy ny lamerana: Illustrated by Diane Rome Peebles - Provided by the Florida Fish and Wildlife Conservation Commission, Division of Marine Fisheries Management; lamerana: Photo by John E. Randall; zavamiaina bitika: Image by D. Patterson and R. Andersen, provided courtesy of micro*scope (http://microscope.mbl.edu)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Kisarina trondro: Illustrated by Diane Rome Peebles - Provided by the Florida Fish and Wildlife Conservation Commission, Division of Marine Fisheries Management