Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?

“Tsy nieritreritra momba ny hoaviko mihitsy aho taloha. Rehefa ho vita anefa ny fianarako, vao tsapako fa tsy maintsy hiatrika ny fiainana amin’izay aho, ka hamelon-tena.”— Alex, 17 taona.

EFA nanonofinofy momba ny asa tianao hatao rehefa lehibe ve ianao, tamin’ny mbola kely? Ahoana no fahitanao azy ireny izao? Sahiran-tsaina ve ianao hoe inona no asa hataonao rehefa lehibe? Raha eny, dia tsy ianao irery no toy izany. Hoy mantsy ny boky Ampio Hifidy Asa ny Zanakao (anglisy): “Anisan’ny manahiran-tsaina indrindra ny tanora ny fifidianana ny asa hataony.”

Mety ho mbola tsy mieritreritra momba ny asa mihitsy koa anefa ianao izao. Mbola te hanao izay mahafinaritra anao angamba ianao. Tsy misy maha ratsy izany, satria milaza ny Baiboly hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao.” (Mpitoriteny 11:9) Izao anefa no fotoana tokony hanombohanao hieritreritra momba izay hataonao eo amin’ny fiainana. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Ahoana àry no handinihanao ny dianao?

“Fantaro izay alehanao”

Aoka hatao hoe mieritreritra ny hanao dia lavitra ianao. Mety hijery sarintany aloha ianao, mba hifidiananao ny lalana tsara indrindra. Toy izany koa no atao rehefa mieritreritra mialoha momba ny hoavy. Hoy i Michael, tovolahy manompo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Maro be ny safidy eo anoloanao.” Iza amin’ireo àry no hofidinao? Hoy i Michael: “Miankina tanteraka amin’ny tanjonao izany.”

Eritrereto ho toy ny hoe toerana tianao haleha ny tanjonao. Mety tsy ho tonga any ianao raha manaraka fotsiny izay lalana sendra hitanao. Tsara lavitra ny mijery sarintany sy mieritreritra mialoha ny fomba hahatongavana any. Toy izany koa fa tsara ny mieritreritra mialoha ny fomba hanatratraranao ny tanjonao. Manaraka izao torohevitra ao amin’ny Ohabolana 4:26 izao ianao raha manao izany: “Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao.” Izao no andikan’ny Dikan-teny Anglisy Maoderina azy io: “Fantaro izay alehanao.”

Maro ny fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy horaisinao amin’ny hoavy, toy ny momba ny fivavahana, asa, fanambadiana, fianakaviana, na zava-dehibe hafa. Ho mora kokoa aminao ny hanao safidy feno fahendrena, raha fantatrao mialoha ny tanjonao. Misy lafin-javatra tsy tokony hohadinoinao anefa, rehefa mieritreritra mialoha ny fomba hanatratrarana an’ilay tanjona ianao.

“Tsarovy ny Mpanao anao”

Tsy maintsy manaraka ireto tenin’i Solomona mpanjaka hendry ireto ianao, raha tena te ho sambatra: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpitoriteny 12:1) Tokony ho hita eo amin’ny tanjona fidinao, fa te hampifaly an’Andriamanitra ianao.

Nahoana izany no zava-dehibe? Hoy ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” Manana antony tokony hisaorana ny Mpamorona tokoa, ny zavamananaina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Mankasitraka azy ve ianao, noho izy nanome anao “aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra”? (Asan’ny Apostoly 17:25) Tsy te hanome zavatra ho an’i Jehovah Andriamanitra ve ianao, ho fankasitrahana azy noho ny zavatra rehetra nomeny anao?

Mahatsiaro ny Mpamorona azy foana ny tanora Vavolombelon’i Jehovah maro, ka mifidy ny hanao fanompoana manontolo andro. Tanjona mendrika hotratrarina izany, sady mitondra fitahiana tsy tambo isaina. (Malakia 3:10) Mila fiomanana anefa izany. Manontania tena, ohatra, hoe: ‘Inona no talenta sy fahaizana ananako, ka azoko ampiasaina mba hameloman-tena rehefa hanompo manontolo andro aho?’

Nanana tanjona ny ho tonga mpanompo manontolo andro, ohatra, i Kelly, tovovavy 27 taona. Niomana aloha be ho amin’izany àry izy. Nanomboka nieritreritra mialoha ny asa hanampy azy hanatratra ny tanjony izy, tamin’izy 20 taona latsaka. Hoy izy: “Tsy maintsy nifidy asa hahafahako hamelon-tena sy hanompo aho.”

Nianatra ny ho mpitsabo nify mpanampy i Kelly, tany amin’ny lise. Nahazo voalohany mihitsy aza izy tamin’ny fifaninanana iray. Tsy nanadino ny tanjona voalohany tiany hotratrarina anefa izy, na dia teo aza ny fahombiazany. Hoy izy: “Ny fanompoana manontolo andro no tiako hatao. Io no loha laharana tamiko noho ny zavatra hafa rehetra.” Mbola mankafy ny fanompoana manontolo andro foana izy hatramin’izao. Hoy izy: “Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko.”

Mangataha torohevitra

Raha mankany amin’ny toerana mbola tsy nalehanao ianao, dia azo inoana fa hanontany olona rehefa eny amin’ny toerana sasany, na dia manana sarintany aza. Afaka manao toy izany koa ianao, rehefa mieritreritra mialoha momba ny hoavinao. Mangataha torohevitra amin’ny olon-kafa. Hoy ny Ohabolana 20:18 (Fandikan-teny Katolika): “Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina.” Mazava ho azy fa ny ray aman-dreninao no tsara hatoninao voalohany. Afaka mangataka torohevitra amin’ny Kristianina matotra sy hendry koa ianao. Manoro hevitra toy izao i Roberto: “Makà torohevitra amin’ny olon-dehibe fakan-tahaka ao amin’ny fiangonanareo, na eny amin’ny manodidina. Mety hahagaga anao ny zavatra holazainy.”

I Jehovah Andriamanitra anefa no tena te hanampy anao mba hanao safidy hahasambatra anao indrindra. Mivavaha àry aminy mba hanampiany anao ‘hahafantatra hatrany izay sitrapony’ momba ny hoavinao. (Efesianina 5:17) Raha matoky an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao dia ‘handamina ny lalanao izy.’—Ohabolana 3:5, 6.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

ERITRERETO IZAO:

▪ Inona no talenta sy fahaizana anananao?

▪ Mahita fomba hampiasana azy ireo mba hiderana an’i Jehovah ve ianao?

▪ Iza amin’ireo fanompoana manontolo andro noresahina tato no tianao hatao?

[Efajoro, pejy 23]

TANJONA TSY MAHASOA

Hoy ny Baiboly: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.” Hahita olana maro ianao, raha ny hanan-karena no tanjonao. Mety hanjary ho bokan-trosa sy hitebiteby ary handao an’i Jehovah ianao amin’ny farany.—1 Timoty 6:9, 10.

[Efajoro/​Sary, pejy 24, 25]]

MPISAVA LALANA

Ny mpisava lalana dia Kristianina vita batisa sy fakan-tahaka, izay manokana 70 ora isam-bolana, fara fahakeliny, mba hitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Lasa mahay kokoa mampianatra Baiboly izy ireo, noho ny fampiofanana sy ny traikefa azony.

BETELITA

Manompo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny mpianakavin’ny Betela. Manampy amin’ny fanomanana sy famokarana ary fandefasana boky sy gazety ara-baiboly izy ireo. Fanompoana masina daholo ny asa anendrena ao amin’ny Betela.

MANKANY AMIN’NY TOERANA ILANA MPITORY MARO KOKOA

Misy mpisava lalana afaka mankany amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Mianatra fiteny hafa ny sasany, ka mandeha manompo any an-tany hafa, na mifindra any amin’ny fiangonana mampiasa an’io fiteny io.

MPANOMPO IRAISAM-PIRENENA

Mankany an-tany hafa ny mpanompo iraisam-pirenena, mba hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana na biraon’ny sampana. Fanompoana masina mitovy amin’ny nataon’ireo nanorina ny tempolin’i Solomona izy io.—1 Mpanjaka 8:13-18.

SEKOLY FAMPIOFANANA HO AMIN’NY FANOMPOANA

Maharitra roa volana izy io. Natao ho an’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo mahafeno fepetra. Mianatra momba ny fanaovana lahateny sy ny fomba fandaminan-javatra izy ireo. Tendrena hanompo ao amin’ny taniny na any an-tany hafa ireo nahazo diplaoma.

MISIONERA

Natao ho an’ny mpisava lalana mahay sy salama ary tomady izy io. Ampiofanina hanompo any an-tany hafa izy ireo. Mahafinaritra sy mahafa-po ny fiainan’ny misionera.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

INONA NO HATAOKO EO AMIN’NY FIAINANA?

Horonan-tsary novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary ahitana fanadinadinana tanora avy any Alemaina, Brezila, Etazonia, Grande-Bretagne. Hisy amin’ny fiteny maromaro izy io tsy ho ela.

[Sary, pejy 23]

“Miankina tanteraka amin’ny tanjonao izany.”— Michael, Betelita

[Sary, pejy 24

“Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko.”—Kelly, mpisava lalana nandritra ny enin-taona

[Sary, pejy 25]

“Makà torohevitra amin’ny olon-dehibe fakan-tahaka.”—Roberto, Betelita