Diarin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah 2017
Vakio ato ny zava-bitan’
Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
Tena tian’ireo rahalahy ireo sady ankasitrahany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.
Ny Fitoriana eny Amin’ny Saha no Loha Laharana
Inona no fiovana nataon’ny Betelita taloha voatendry ho eny amin’ny saha?
“Ianareo no Mpiray Tanàna Mahafinaritra Indrindra”
Fitoriana nety tsara ho an’ny mponin’i Brooklyn eo akaikin’ny Betela ilay fampirantiana Baiboly tamin’ny 7 sy 8 Mey 2016.
Fivoriana Vaovao Manatsara ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
Novana ny fizotran’ny fivoriana andavanandro maneran-tany, tamin’ny Janoary 2016.
“Mampahery sy Mamelombelona Anay” ny Tele JW
Tamin’ny 2014 no nanomboka nandeha ny Tele JW, ary efa misy amin’ny fiteny 90 mahery izy izao. Ahoana ny fihetseham-pon’ny mpijery?
Fitokanana Betela
Fotoana miavaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan sy Armenia ny fitokanana ny tranon’ny sampana vaovao any.
Raharaha Ara-pitsarana 2016
Niatrika olana maro mifandray amin’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2016. Inona avy izany?
Fitantarana avy Amin’ny Firenena Maro
Vaovao farany momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, Arzantina, Belize, Burundi, Congo (Kinshasa), Italia, Népal, Ogandà, ary Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Afrika
Hita ato ny zava-nisongadina tamin’
Ireo Tanin’ i Amerika
Fitantarana avy any Brezila, Haïti, Meksika, Etazonia, ary Venezoelà.
Azia
Fitantarana avy any Hong-Kong, Mongolia, Philippines, ary Sri Lanka.
Eoropa
Fitantarana avy any Azerbaïdjan, Grande-Bretagne, Boligaria, Géorgie, Danemark, Hongria, Norvezy, ary Ukraine.
Oseania
Fitantarana avy any Aostralia, Guam, Nouvelle-Calédonie, Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary Timaoro Atsinanana.
Indray Mitopy Maso An’i Géorgie
Jereo ato ny fanazavana fohifohy momba an’ilay tany, ny mponina, ny fomba amam-panao, ary ny fiteny mampiavaka an’io firenena any akaikin’ny Ranomasina Mainty io.
Ireo Olona Voalohany Nitady ny Fahamarinana
Nahita ny fahamarinana tany amin’ny firenena hafa ny olona sasany, ary nifindra teto Géorgie mba hampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Nanatanjaka Finoana ny Fivoriana
Anisan’ny nahatonga ny fitomboana tatỳ aoriana ny fivoriana kristianina sy ireo boky sy gazety tamin’ny teny géorgien. Nahoana?
Tena Te Hiova Aho
Rehefa vita ny raharaha miaramila nataon’i Davit Samkharadze, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hiova. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ny ampitson’iny.
Niandry ny Tari-dalan’i Jehovah Aho
Nitady ny tari-dalan’Andriamanitra i Tamazi Biblaia, ka notarihiny hifindra tany amin’ny tanàna iray hafa.
“Hain’Andriamanitra ny Zava-drehetra”
Nanampy an’ireo Vavolombelona nanao pirinty boky ara-baiboly i Natela Grigoriadis. Niatrika olana hoatran’ny hoe tsy ho voavaha izy tamin’izay.
Baiboly Amin’ny Teny Géorgien
Tamin’ny taona 450 tany ho any na talohan’izay aza no vita ny Baiboly sora-tanana amin’ny teny géorgien.
‘Andriamanitra no Tsy Nitsahatra Nampitombo.’—1 Kor. 3:6.
Nitombo be ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa lasa nahaleo tena i Géorgie.
Nampiofana Ireo Mpiandry Be Fitiavana
Ahoana no nandaminan’ny Vavolombelona ny fiangonana, ny fivoriana, ny fivoriambe, ary ny fandikana boky ara-baiboly, rehefa rava ny fitondrana kominista?
Satriny Foana Hamaky An’ilay Izy!
Tena te hamaky an’ilay Baiboliny vaovao i Badri Kopaliani, ka naka andro tsy hiasana mba hamitana an’ilay izy.
Fa Taiza Foana Ianareo?
Nifindra tany amin’ny faritany mbola nila mpitory bebe kokoa i Artur Gerekhelia, tsy ampy herintaona taorian’ny batisany.
Nieritreritra Aho hoe Efa Tafita
Nanana toerana ambony tao amin’ny Antoko Kominista géorgien i Madona Kankia, nefa nanapa-kevitra ny hanova ny fiainany.
Mifankatia Foana ny Tena Kristianina
Nampian’i Igor Ochigava sy Gizo Narmania ireo Vavolombelona sy ny olon-kafa mba hahazo sakafo sy zavatra ara-panahy, nandritra ny ady tany Abkhazie.
Ny Masoko Mihitsy no Nahita Izay Lazain’ny Baiboly!
Tsy azoazon’i Pepo Devidze ny Vavolombelon’i Jehovah ka izy mihitsy no namantatra izay ampianarin-dry zareo, araka ny tenin’ny mamany.
Nahazo Fitahiana ‘na Tamin’ny Mora na Tamin’ny Sarotra.’—2 Tim. 4:2.
Nitombo be ny isan’ny mpitory nandritra an’ireo taona ireo, kanjo nisy fanenjehana tampoka taorian’izay.
Tsy Nahomby ny Fandrahonana
Ahoana no fahitan’ny olona tany Géorgie ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
“Izany no Lovan’ny Mpanompon’i Jehovah.”—Isaia 54:17.
Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’ireo mpitory nampitombo ny fanompoany.
Nahatsiaro An’ilay Mpamorona Be Voninahitra Izy Ireo
Dimy amby roapolo taona na latsaka ny ampahatelon’ny mpisava lalana any Géorgie.
Nanaiky ny Fahamarinana ny Kurde
Faly ireo olona matahotra an’Andriamanitra fa mahare ny vaovao tsara amin’ny fitenin-drazany.
Tsy Voasakan’ ny Sisin-tany ny Fitiavana
Nahatsapa ny renibe roa hoe be fitiavana ny mpiara-manompo.
Zato Taona Lasa Izay: 1917
Niharam-pitsapana sady nosivanina ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1917. Niezaka nampandroso ny asan’ilay Fanjakana foana anefa ireo tsy nivadika.
Tatitra Maneran-tany 2016
Hita ato amin’
Tatitra Maneran-tanin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah, Taom-panompoana 2016
Ho hitanao ato ny isan’

