Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 GÉORGIE | 1924-1990

Nanatanjaka Finoana ny Fivoriana

Nanatanjaka Finoana ny Fivoriana

Nanatanjaka ny finoan’ireo vaovao ny fivoriana kristianina. Samy te hampiantrano ny fivoriana, na ireo vao vita batisa na ireo efa ela tao amin’ny fahamarinana. Noraisina an-tanan-droa izay tonga nivory. Tena nanampy ny rehetra hifankatia koa izany.

 Nisy fivoriana manokana nalamina, rehefa maromaro no nahafeno fepetra hatao batisa. Anisan’izany ilay natao tany ivelan’i Soukhoumi, teny amoron’ny Ranomasina Mainty, tamin’ny Aogositra 1973. Tsy naroboka indray anefa ireo mpitory 35 naniry hatao batisa. Tonga tampoka mantsy ny polisy, ary nasainy najanona ilay fivoriana. Nosamborina ny rahalahy sy anabavy sasany, anisan’izany i Vladimir Gladyuk.

Vao nivoaka ny fonja i Vladimir sy ny namany, dia nitady an’ireo rehetra saika hatao batisa. Voaroboka ihany izy rehetra, roa andro taorian’ilay fivoriana manokana. Hoy i Vladimir: “Tsapanay hoe nanampy anay i Jehovah. Niara-nivavaka izahay mba hisaotra azy, rehefa vita batisa izy ireo.”

Vao mainka nampiely ny vaovao tsara ny fanenjehana

Voasambotra indray i Vladimir Gladyuk, roa andro taorian’ilay batisa. Voaheloka higadra taona vitsivitsy izy sy Itta Sudarenko ary Natela Chargeishvili, taoriana kelin’izay. Nalahelo azy ireo ny mpitory nefa mbola tapa-kevitra ny hitory foana. Nitandrina kokoa fotsiny izy ireo.

Tsy nitory tao an-tanànany intsony ny mpitory, fa nankany amin’ny tanàna hafa mba tsy ho voamariky ny manam-pahefana. Vao mainka àry nampiely ny vaovao tsara tany amin’ny faritra maro ny fanenjehana.

Nitory teny amin’ny lalana sy zaridaina tsy dia be olona ny mpitory tany an-tanàn-dehibe, nandritra ny fitondrana kominista. Matetika izy ireo no nihaona tamin’olona avy any an-tanàna hafa, izay tonga hiantsena na hamangy havana. Raha liana ilay olona, dia nasaina nanome adiresy ary nifanao fotoana izy ireo.

 Anisan’ireo nivezivezy nanerana ny faritra andrefan’i Géorgie i Babutsa Jejelava. Hoy izy: “Tsy nahiahin’ny olona aho na dia nivezivezy be aza, satria niparitaka tamin’ny toerana maro ny havanay. Olona 20 mahery no nampianariko Baiboly tany Zougdidi rehefa afaka roa taona teo ho eo, ary 5 tany Tchkhorotskou. Vita batisa daholo ry zareo.”

Tena nilaina ny boky tamin’ny teny géorgien

Tsy ela dia hita hoe tena nilaina ny Baiboly sy boky ary gazety tamin’ny teny géorgien. Nila an’ireo ny mpitory rehefa niverina nitsidika sy nampianatra Baiboly, mba ho azon’ny olona ny zavatra nampianariny. *

Tsy mora ny nampianatra Baiboly tamin’izany. Hoy i Babutsa: “Tsy nanana afa-tsy Baiboly sy boky tamin’ny teny rosianina aho. Tsy maintsy nandika an’ilay boky tamin’ny fiteny azon’ny olona nampianariko àry aho matetika.” Nandika lahatsoratra avy tao amin’ny gazetintsika izy, nefa diksionera iray monja no nananany. Voadikany tamin’ny teny géorgien koa ny Filazantsaran’i Matio!

Milina tsotsotra nampiasain’ny Vavolombelona be herim-po mba hanaovana pirinty tao an-tranony

Tena tian’ireo olona liana ny boky sy gazety voadika tamin’ny fiteniny. Izy ireo mihitsy no nandika tanana an’ilay izy mba hisy hampiasainy. Tsy fahita firy koa ny Baiboly tamin’ny teny géorgien. Nisy mpianatra Baiboly àry nandika tanana azy io, toy ny nataon’ny mpanao dika soratra fahiny.

 “Nandika foana aho tontolon’ny andro”

Nampitampitaina tamin’ireo rahalahy sy ny olona liana ny gazety voadika tamin’ny teny géorgien. Afaka nifandimby namaky azy ireny àry izy ireo. Tsy nanana afa-tsy andro na herinandro vitsivitsy ny tsirairay hamitana gazety na boky iray. Nahazo ny Soratra Grika tamin’ny teny géorgien maoderina ireo rahalahy, indray andro, ka nanararaotra nandika azy io ny fianakaviana iray.

Vao 13 taona i Raul Karchava, tamin’izy nasain’ny dadany nandika an’ilay Soratra Grika. Hoy izy: “Te hampahery ahy i Dada, dia nividianany baoritra iray feno kahie aho, ary koa stylo sy pensilihazo isan-karazany. Asa be ilay izy nefa nekeko ihany. Nandika foana aho  tontolon’ny andro. Rehefa naninjitra tanana ihany aho vao nijanona.”

Ny Tilikambo Fiambenana sy Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro nadika tanana tamin’ny teny géorgien

Faly be ry Raul mianakavy rehefa nilazana fa mbola azon’izy ireo tazonina herinandro vitsivitsy ilay Soratra Grika, mba hahafahan’i Raul mandika an’ilay izy. Tao anatin’ny roa volana monja, dia voadikany ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina!

Nihabetsaka foana anefa ny mpianatra Baiboly ka tsy naharaka ny sakafo ara-panahy. Nisy rahalahy sy anabavy hafa àry nanao dika mitovy an’ireo boky sy gazety tany an-tranony, ary avy eo nizara azy ireny. Hita hoe be herim-po izy ireo satria nampidi-doza izany.

 Tena nandroso ny asa fitoriana tany amin’ny faritra andrefan’i Géorgie. Nanao ahoana kosa ny tatỳ atsinanana? Iza no hanampy an’ireo olona tso-po toa an’i Vaso Kveniashvili voaresaka tany aloha? Nisy afaka nanao an’izany ve teto Tbilissi renivohitra?

Nandre ny fahamarinana koa ny teto an-drenivohitra

Nanao izay hanakiviana ny Vavolombelona ny fanjakana sovietika, tamin’ny 1975 tany ho any. Noroahiny hiala tamin’ny tranony izy ireo, ka voatery nifindrafindra. Izany no nanjo an’i Oleksii sy Lydia Kurdas, mpivady iokrenianina. Nifindra teto Tbilissi izy ireo, rehefa avy nigadra an-taonany maro tany amin’ny fonja sovietika noho ny finoany.

Larisa Kessaeva (Gudadze), 1975 tany ho any

Nitorian-dry Kurdas i Zaur sy Eteri Kessaev. Mpivavaka be izy mivady, ary nanan-janakavavy atao hoe Larisa, izay 15 taona tamin’izany. Hoy i Larisa momba ny fihaonan’izy ireo voalohany tamin-dry Kurdas: “Tianay hoporofoina hoe ny Fivavahana Ortodoksa ihany no marina. Tsy nahita hatokona intsony anefa izahay, rehefa avy niady hevitra imbetsaka. Ry zareo kosa mbola nampiasa Baiboly foana mba hampisaintsainana anay.”

Hoy ihany i Larisa: “Isaky ny nankany am-piangonana aho, dia namaky an’ilay Didy Folo nisoratra teo amin’ny rindrina, teo anelanelan’ny sary masina roa. Gina anefa aho rehefa novakin’i Oleksii taminay ny Eksodosy 20:4, 5, tamin’io takariva io. Tsy nahita tory aho ny alin’iny fa nieritreritra foana hoe: ‘Sao dia mba mandika ny lalàn’Andriamanitra tokoa àry izahay, rehefa mampiasa sary masina?’”

 Vao maraina izy dia nitsoriaka nankany am-piangonana, ary novakiny indray ilay hoe: “Aza manao sary sokitra ho anao ... Aza miankohoka eo anatrehan’ireny.” Izay vao tena azony ny dikan’io didin’Andriamanitra io. Tsy nisalasala intsony izy. Natao batisa izy sy ny ray aman-dreniny tatỳ aoriana. Izy ireo no anisan’ny Vavolombelona voalohany teto Tbilissi.

Tanteraka ihany ny faniriany

Efa ho 20 taona taorian’ny nandrenesan’i Vaso Kveniashvili ny fahamarinana, vao nihaona indray tamin’ny Vavolombelona izy. Nifanena tamin’ny olona iray niara-nivory tamin’izy ireo teto Tbilissi mantsy izy. Faly izy satria efa ela no nitady azy ireo.

Lasa Vavolombelona ihany i Vaso Kveniashvili, 24 taona teo ho eo taorian’ny nandrenesany voalohany ny fahamarinana

Nalaza ho mpanao heloka bevava anefa i Vaso, ka tsy te hifanerasera taminy ny Vavolombelona teto. Nisy  aza nanahy sao dia mpitsikilo nirahin’ny mpitondra sovietika izy. Tsy navela hanatrika fivoriana kristianina àry i Vaso nandritra ny efa-taona.

Niharihary tamin’ny farany hoe tena tso-po i Vaso. Navela ho anisan’ny fiangonana izy ary natao batisa. Ela ny ela ka azony natao ihany ny nanatona an’ilay “Andriamanitry ny rariny”, izay efa notadiaviny hatramin’ny fahakeliny! (Isaia 30:18) Tsy nivadika mihitsy izy mandra-pahafatiny tamin’ny 2014.

Nandroso tsara ny asa fitoriana tany amin’ny faritra andrefana sy atsinanan’i Géorgie, tamin’ny 1990. Nisy 900 teo ho eo ny mpitory, ary nitarika fampianarana Baiboly 942. Ho hitantsika ato fa mbola nandroso be ny asa taorian’io taona io.

^ feh. 12 Vitsy ny Baiboly tamin’ny andron’ny Kominista, na dia efa tamin’ny taona 450 tany ho any aza no voadika tamin’ny teny géorgien ny ampahany tamin’izy io.—Jereo ilay efajoro hoe “Baiboly Amin’ny Teny Géorgien.”