Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017

Fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Mpianatra ny Baiboly tao Tacoma, Etazonia

Zato Taona Lasa Izay: 1917

Zato Taona Lasa Izay: 1917

HOY Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1917: “Vao miandoha ny taona dia efa ady sy korontana ary ra mandriaka no hitantsika.” Mbola nafotaka tokoa ny Ady Lehibe I tany Eoropa, ka tsy tambo isaina ny maty.

Mbola tsy tena takatry ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany ny atao hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Maro taminy anefa no niezaka ny tsy hivesatra trosan-dra. Tsy nety nanao miaramila, ohatra, i Stanley Willis, tovolahy 19 taona nipetraka tany Angletera. Hoy izy talohan’ny nitsarana azy:  ‘Voninahitra lehibe ho ahy ny hoe afaka manazava ny antony tsy anaovako miaramila. Nilaza tamiko ilay Kolonely tamin’ny maraina fa hiakatra fitsarana miaramila, hono, aho raha tsy mety miova hevitra.’

Tsy nanaiky lembenana i Stanley, ka voaheloka hanao asa an-terivozona. Tsy kivy anefa izy. Izao no nosoratany, roa volana tatỳ aoriana: ‘Manampy ahy hanana “toe-tsaina feno hery” ny Fahamarinana, ka vitako ny miaritra zavatra izay sarotra kokoa amin’ny hafa ny hizaka azy.’ Nohararaotiny tsara ny fotoana laniny tany am-ponja. Hoy izy: “Betsaka ihany ny fotoana milamindamina azoko ivavahana sy isaintsainana ary ianarana. Izany no anisan’ny fitahiana azoko taorian’ireny fitsapana tato ho ato ireny.”

Nirotsaka tamin’ilay ady koa i Etazonia. Nilaza teo anoloan’ny Kongresy Amerikanina ny Filoha Woodrow Wilson tamin’ny 2 Aprily 1917, fa hiady amin’i Alemaina i Etazonia. Izany tokoa no nitranga efatra andro taorian’izay. Tsy ela dia voasedra ny Kristianina tany.

Namoaka lalàna ny fanjakana amerikanina tamin’ny Mey hoe hiantso lehilahy an’arivony handray anjara amin’ilay ady. Nisy didy hafa koa nivoaka, iray volana taorian’izay, hoe mandika lalàna izay rehetra manohitra ny ezaka ataon’ny tafika. Ireo lalàna ireo no nohararaotin’ny fahavalon’ny fahamarinana, mba hanaovana ‘tetika hanisiana ratsy’ an’ireo mpanompon’i Jehovah tia fihavanana.—Sal. 94:20.

Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly mialoha fa hisy ny korontana. Efa an-taonany maro mantsy izy ireo no nilaza fa tsy maintsy hisy ny ady, araka ny faminanian’ny Baiboly. Tsy nampoizin’ny maro anefa ny savorovoro nitranga teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah.

 Niharam-pitsapana sady nosivanina

Nipoitra ny olana tany Etazonia raha vao maty kelikely i Charles Russell. Niadian-kevitra be hoe ahoana no hitantanana ny vahoakan’i Jehovah. Ny Rahalahy Russell mantsy no nanoratra ara-panjakana ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Ziona, tamin’ny 1884. Izy koa no filohan’izy io mandra-pahafatiny tamin’ny Oktobra 1916. Nandimby azy i Joseph Rutherford. Te hahazo fahefana kokoa anefa ny lehilahy efatra anisan’ny mpitantana ny fikambanana, sy ny olom-bitsy hafa nanana andraikitra.

Tsy tian’izy ireo ny fomba fitantanan’ny Rahalahy Rutherford. Tsy nahafaly azy ireo, ohatra, ny natao tamin’i Paul Johnson, izay mpitety fiangonana tamin’izany na mpiandraikitra mpitety faritany.

Taloha kelin’ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell, dia nasainy nankany Angletera i Johnson mba ho solontenan’ny fandaminana. Nirahina nankany izy mba hitory ny vaovao tsara sy hitsidika fiangonana ary hanao tatitra momba ny asantsika tany. Noraisina tsara izy rehefa tonga tany tamin’ny Novambra 1916. Nindrahindraina be anefa izy ka lasa nirehareha. Lasa nihevitra izy hoe izy no tokony handimby an’ny Rahalahy Russell.

Tonga dia noroahin’i Johnson ireo Betelita tsy nitovy hevitra taminy tany Angletera, na dia tsy nahazo alalana hanao an’izany aza izy. Notadiaviny hotantanana koa ny volan’ny fandaminana tany amin’ny banky tao Londres. Nampanantsoin’ny Rahalahy Rutherford ho any Etazonia àry izy.

Tsy nanaiky hahitsy anefa i Johnson rehefa niverina tany Brooklyn. Izy indray no niezaka nandresy lahatra an’i Rutherford hoe tokony haverina any Angletera izy, mba hanohy ny asany tany. Tsy nahomby anefa izy. Notaominy hanohana azy àry ireo mpitantana ny fikambanana, ka niandany taminy ny efatra.

 Nesorin’ny Rahalahy Rutherford tsy ho anisan’ny mpitantana àry izy ireo. Nanahy mantsy izy sao dia hotadiavin’izy ireo halaina koa ny volan’ny fandaminana any Etazonia, toy ny nataon’i Johnson tany Angletera. Tokony hofidina isan-taona ireo mpitantana ny fikambanana, araka ny lalàna. I Joseph Rutherford sy Andrew Pierson ary William Van Amburgh ihany anefa no voafidy, nandritra ilay fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 6 Janoary 1917. Ny iray voafidy ho filoha, ny iray ho filoha lefitra, ary ny fahatelo ho mpitan-tsoratra sady mpitam-bola. Tsy nisy fifidianana natao kosa ho an’ny toerana hafa notanan’izy efatra mirahalahy. Efa voafidy teo aloha mantsy izy ireo, ka noheverin’ny sasany hoe ho eo foana mandra-pahafatiny. Tsy voafidy tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona anefa izy ireo, ka tsy anisan’ny mpitantana ny fikambanana intsony. Nanendry rahalahy efatra mendri-pitokisana àry ny Rahalahy Rutherford mba hisolo azy ireo, tamin’ny Jolay 1917. Zony rahateo izany!

Mazava ho azy fa tezitra be izy efatra mirahalahy, ka nanao izay ho afany mba hihazonana ny toerany. Tsy nahomby anefa izy ireo sady tsy lasa anisan’ny mpitantana ny fikambanana intsony. Nisy Mpianatra ny Baiboly nanohana azy ireo ary namorona fikambanana hafa. Tsy nivadika kosa ny ankamaroany.

Nandroso ny asa na teo aza ny olana

Niezaka nampandroso ny asan’ilay Fanjakana foana ny Rahalahy Rutherford sy ny Betelita hafa tsy nivadika. Lasa 93 ny isan’ny mpiandraikitra mpitety faritany (mpitety fiangonana tamin’izany), raha 69 izany teo aloha. Nitombo ho 461 koa ny mpisava lalana maharitra, izay niisa 372. Sambany koa vao nisy mpisava lalana mpanampy notendrena. Nanana mpisava lalana 100 mihitsy aza ny fiangonana sasany.

 Nivoaka tamin’ny 17 Jolay 1917 ny boky hoe Ilay Mistery Fantatra. Lany tanteraka ny tahiry rehefa nifarana ny taona, ka boky 850 000 fanampiny no nohafarana tany amin’ilay orinasa mpanao pirinty ny bokintsika. *

Nanomboka nandamina ny asa tao amin’ny Betela ny Rahalahy Russell tamin’ny 1916, ary vita izany tamin’ny 1917. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana Desambra 1917: ‘Voalamina ihany ny asan’ireo rahalahy sy anabavy miasa eto amin’ny Betela, ka efa mandeha tsara izao ny asa toy ny fahita eo anivon’ny fikambanana tsara tantana rehetra. Takatr’ireo Betelita fa tombontsoa ny miasa eto fa tsy zo.’

Hoy koa Ny Tilikambo Fiambenana Septambra 1917: “Nihamaro [ny boky sy gazety novokarina] isam-bolana nanomboka tamin’ny 1 Janoary, raha ampitahaina amin’ireo novokarina tamin’ny volana nifanitsy taminy tamin’ny 1916. ... Hita mihitsy hoe tahin’ny Tompo ny asa atao eto amin’ny foibe, eto Brooklyn.”

Mbola tsy tapitra ny fitsapana sy ny sivana

Nesorina tsy ho anisan’ny fandaminana ny mpanohitra. Nisy fitsapan-kevitra natao koa teo anivon’ny fiangonana (navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana), ka hita fa nanohana an’ny Rahalahy Rutherford sy ireo Betelita tsy nivadika ny ankamaroan’ny mpiara-manompo. Mbola niharam-pitsapana ihany anefa ireo rahalahy ireo. Na dia tsara fiandohana aza mantsy ny taona 1918, dia io no taona nanjombona indrindra teo amin’ny tantarantsika.

^ feh. 18 Mbola orinasa no nanao pirinty ny bokintsika rehetra, talohan’ny 1920.