Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017

Fivoriana teo amoron-tsiraka akaikin’i Soukhoumi, 1989

 GÉORGIE | 1924-1990

Ireo Olona Voalohany Nitady ny Fahamarinana

Ireo Olona Voalohany Nitady ny Fahamarinana

 TAORIANA kelin’ny 1920 ny Mpianatra ny Baiboly no efa niezaka nitady an’ireo olona tso-po teto Géorgie. Nisy birao nosokafana tany Beyrouth, any Liban, tamin’ny 1924, mba hiandraikitra ny asa fitoriana teto sy tany Armenia, Syria, ary Torkia.

Tsy tonga dia hita hoe namoa ny voan’ny fahamarinana nafafy teto Géorgie tamin’izany. (Mat. 13:33) Niely anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana tatỳ aoriana, ka nanova fiainan’olona maro.

Tena tiany hanjaka ny rariny

Mbola tanora kely i Vaso Kveniashvili rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II. Anisan’ny Firaisana Sovietika i  Géorgie tamin’izany, ka voantso ho miaramila ny dadany. Efa maty anefa ny maman’i Vaso, ka nangalatra izy mba hamelomana ny zandriny. Izy mantsy no lahimatoa.

Niaraka tamin’ny andian-jiolahy i Vaso tatỳ aoriana, ka lasa mpanao heloka bevava. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe ilay andian-jiolahy no nanao ny rariny kokoa noho ny mpitondra fanjakana sy ny mpiara-monina.” Tsy ela i Vaso dia tonga saina hoe tsy mahavita mampanjaka ny rariny ny fikambanan’olombelona. Hoy izy: “Tena tiako hanjaka anefa ny rariny.”

Vaso Kveniashvili tamin’ny 1964, taoriana kelin’ny nivoahany ny fonja

Tratra ihany i Vaso, ka natao sesitany tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Siberia. Tany izy no  nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray nigadra noho ny finoany. Hoy i Vaso: “Ela ny ela ka hitako ihany izay notadiaviko. Tsy nanana boky sy gazety izahay, fa ny fahamarinana noresahin’ilay rahalahy no niezahako notadidina.”

Nafahana i Vaso tamin’ny 1964. Nody teto Géorgie izy, ary nitady Vavolombelon’i Jehovah. Mbola nifanoratra izy sy ilay rahalahy niara-nigadra taminy. Indrisy anefa fa maty io namany tsy foiny io, ka tsy nifandray tamin’ny vahoakan’i Jehovah intsony i Vaso. Efa ho 20 taona tatỳ aoriana izy vao nahita Vavolombelona indray. Hotohizintsika any aoriana ny tantarany.

Tao anatin’ny mangidy no nisy ny mamy

Fivoriana tany anaty ala

Nigadra tao amin’ny toby fitanan’ny Nazia i Valentina Miminoshvili, tovovavy avy eto Géorgie. Nivadika  ho fitahiana anefa izany, satria tany izy no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nampiaiky azy ny finoana matanjaka nananan’izy ireo. Nanohina ny fony koa izay nampianarin’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly.

Nanomboka niresaka ny finoany tamin’ny olona i Valentina rehefa tafody taorian’ny ady. Voamariky ny manam-pahefana anefa izany, ka voaheloka hanao asa an-terivozona folo taona tany Rosia izy. Nihaona tamin’ny Vavolombelona indray izy tany, ary natao batisa.

Nafahana i Valentina tamin’ny 1967. Nifindra tany amin’ny faritra andrefan’i Géorgie izy, ary nitory indray saingy niafinafina. Tsy nampoiziny hoe valim-bavaka ny nahatongavany tany.

Namaly ny vavaka nataony i Jehovah

Avy any Siberia ny Anabavy Antonina Gudadze. Ireo Vavolombelona natao sesitany tany no nampianatra azy ny fahamarinana. Nanapa-kevitra ny hody teto Géorgie anefa ny vadiny, izay tsy Vavolombelona, tamin’ny 1962. Nipetraka tao Khachouri, atỳ amin’ny faritra atsinanan’i Géorgie, izy ireo, ka tsy afaka nifanerasera tamin’ny mpiray finoana taminy intsony i Antonina.

Ry Gudadze mianakavy tamin’ny 1965 tany ho any

Tsapan’i Antonina hoe namaly vavaka i Jehovah. Hoy izy: “Naharay entana nalefan’i Neny avy any Siberia aho, indray andro. Hay nisy boky ara-baiboly nafeniny tao! Hoatr’izany ny fomba nahazoako sakafo ara-panahy nandritra ny enin-taona. Nisaotra an’i Jehovah  foana aho, satria nitari-dalana sy nampahery ary nikarakara ahy izy.”

I Antonina irery anefa no Vavolombelona tany. Hoy izy: “Nivavaka foana aho mba hahita mpiara-manompo. Nisy vehivavy roa tonga tao amin’ilay fivarotana niasako, indray andro, ary nanontany hoe: ‘Ianao ve no Antonina?’ Tsara fanahy be ry zareo, ka tonga dia fantatro hoe rahavavy. Nifamihina izahay sady nitomany.”

I Valentina Miminoshvili ny iray tamin’izy ireo. Faly be i Antonina nahare hoe nisy fivoriana tany amin’ny faritra andrefan’i Géorgie! Nandeha nivory indray mandeha isam-bolana àry izy, na dia tany amin’ny 300 kilaometatra mahery aza no nisy azy io.

Nihamaro ny olona liana tany amin’ny faritra andrefana

Nenjehin’ny fitondrana ny Vavolombelona tany amin’ny faritra hafa anisan’ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1965 tany ho any. Nifindra tany amin’ny faritra  nilamina kokoa àry ny sasany. Anisan’izany i Vladimir Gladyuk, rahalahy mavitrika sy be zotom-po. Niala tany Ukraine izy tamin’ny 1969 ary nankany Zougdidi, any amin’ny faritra andrefan’i Géorgie.

Lyuba sy Vladimir Gladyuk

Natao tamin’ny teny rosianina aloha ny fivoriana teto Géorgie. Nihamaro anefa ny teratany nivory tsy tapaka, ka natao tamin’ny teny géorgien ny fivoriana. Nandroso tsara ny asa, ka 12 no natao batisa tamin’ny Aogositra 1970.

Nifindra niankandrefana ry Vladimir mianakavy tamin’ny Aprily 1972 tany ho any. Nankany Soukhoumi, any akaikin’ny Ranomasina Mainty, izy ireo. Hoy i Vladimir: “Nisaotra an’i Jehovah izahay noho ny fitahiany. Tsy ory zavatra ara-panahy mihitsy izahay. Vetivety koa dia nitombo ny fiangonana tany.” Sambany vao  nisy Fahatsiarovana tany Soukhoumi tamin’io taona io, ary 45 ny mpanatrika.

“Nanongilan-tsofina aho sady nientam-po”

Anisan’ny voalohany nanaiky ny fahamarinana tany Soukhoumi i Babutsa Jejelava, teo am-piandohan’ny 1973. Hoy i Babutsa, izay efa 90 taona mahery izao: “Nahita efa-bavy niady hevitra be aho, indray andro. Masera ny roa ary Vavolombelon’i Jehovah ny roa, fa tatỳ aoriana vao fantatro.” I Lyuba, vadin’i Vladimir Gladyuk, ny iray, fa ny iray kosa i Itta Sudarenko, mpisava lalana mafana fo avy any Ukraine.

Babutsa Jejelava tamin’ny 1979 sy 2016

Ren’i Babutsa ny resak’izy efa-bavy. Hoy izy: “Nanongilan-tsofina aho sady nientam-po.” Tonga dia niditra tamin’ilay resaka izy, raha vao henony hoe manana anarana Andriamanitra. Nasainy naseho azy avy ao amin’ny Baiboly ilay anarana. Be fanontaniana be izy, ka naharitra adiny telo ilay resaka.

Natahotra i Babutsa sao tsy hahita an’ireo Vavolombelona intsony, ka hoy izy: “Handeha izany ianareo, dia avelanareo eto aho?”

Hoy izy ireo: “Tsy avelanay eto ianao ka! Hiverina izahay amin’ny asabotsy.”

Faly be i Babutsa fa tonga tokoa izy mirahavavy ny asabotsin’iny. Nianatra Baiboly avy hatrany àry izy. Rehefa ho tapitra anefa ny fianarany, dia te hahazo toky indray izy hoe mbola ho afaka hifandray amin’ny vahoakan’i Jehovah. Hoy izy anakampo: ‘Efa hitako ireto olona ireto, ka tsy maintsy ataoko izay hifandraisana aminy foana.’

 Nahita hevitra àry i Babutsa. Hoy izy: “Nanontaniako i Itta raha manambady hoatran’i Lyuba. Nilaza izy hoe mbola mpitovo. Dia hoy aho: ‘Andao àry hiara-mipetraka e! Misy fandriana roa ato sady misy jiro eo anelanelany. Azontsika atao eo akaiky eo ny Baiboly, dia afaka miresaka momba azy io isika na hatramin’ny alina aza!’” Nanaiky hifindra tao amin’i Babutsa àry i Itta.

Hoy ihany i Babutsa: “Tsy natory aho indraindray fa nisaintsaina an’izay nianarako. Raha vao nisy fanontaniana tonga tao an-tsaiko, dia nofohaziko i Itta. Hoy aho taminy: ‘Itta a, raiso ny Baibolinao fa misy tiako hanontaniana!’ Nikoso-maso i Itta sady niteny hoe: ‘Hay, eny àry e!’ Dia noraisiny ny Baiboly, ary natorony ahy ny valiny.” Nanomboka nitory i Babutsa, telo andro monja taorian’ny nifindran’i Itta tao aminy!

Mpinamana be i Babutsa sy Natela Chargeishvili. Hoy i Babutsa: “Nihevitra aho hoe tsy hanaiky ny fahamarinana izy, satria nanankarena be ry zareo. Soa fa diso hevitra aho! Tonga dia tiany ny fahamarinana, raha vao niresaka taminy aho.” Tsy ela izy mirahavavy dia nafana fo erỳ nitory tamin’ny namana sy mpiara-miasa ary mpiray tanàna taminy.