Joni Shalamberidze sy Tamazi Biblaia, taoriana kelin’ny 1990

Tsy nanana afa-tsy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana iray ny ankamaroan’ny fiangonana teto, taoriana kelin’ny 1990. Nozaraina ho antokony maromaro ny mpitory teo anivon’ny fiangonana. Samy nanana ny toeram-pivoriany izy ireo, satria niparitaka tamin’ny tanàn-dehibe sy tanàna kely maromaro nifanalavitra ny mpitory.

Efa mpisava lalana tany amin’ny faritany mitokana i Joni Shalamberidze sy Pavle Abdushelishvili. Voatendry hanampy ny fiangonana tany Telavi, tanàna any amin’ny faritr’i Kakhétie, izy roa lahy. Nisy 300 ny mpitory teo anivon’ilay fiangonana nefa tsy nisy anti-panahy na  iray aza. Nozaraina ho antokony 13 izy ireo, ary nivory tamin’ny toerana samihafa.

Pavle Abdushelishvili

Tsy ela dia tsikaritr’i Joni sy Pavle ny antony tsy nandrosoan’ireo rahalahy. Hoy i Joni: “Rahalahy maro no nanana saha sy tanimboaloboka midadasika. Niaraka be tamin’ny olona tsy Vavolombelona izy ireo, satria fahazaran’ny tantsaha ny mifanao valin-tanana.”—1 Kor. 15:33.

Nanoro hevitra an’ireo rahalahy i Joni sy Pavle hoe tsy aleo ve samy mpiara-manompo no mifanampy. Sady miasa izy ireo amin’izay no mifampahery. (Mpito. 4:9, 10) Hoy i Joni: “Lasa nifankatia be ilay fiangonana.” Nisy anti-panahy vaovao 5 sy mpanampy amin’ny fanompoana 12 tany rehefa nifindra izy roa lahy, telo taona tatỳ aoriana.

Nanampy an’ireo rahalahy hahay hitory ny fivoriana

Mbola voarara ny asantsika talohan’ny 1990. Vitsivitsy ihany àry no niara-nivory, ary ny Fianarana Boky sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ihany no natao. Nampahery ireny fivoriana ireny, nefa tsy nampiofana hitory.

Niova izany rehefa rava ny fitondrana kominista. Nasain’ny fandaminana natao isan-kerinandro koa ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana.

Nilaza i Naili Khutsishvili sy Lali Alekperova rahavaviny fa nahafinaritra ireny fivoriana ireny. Hoy i Lali: “Faly be daholo izahay hoe afaka manana anjara ny rahavavy.”

 Hoy i Naili: “Nisy nanao fampisehoana hoatr’izao indray mandeha: Namaky gazety mpiseho isan’andro ny vehivavy iray dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Niditra tao amin’ilay toeram-pivoriana ny rahavavy roa rehefa nampandrosoiny, ary nankeo amin’ny lampihazo!” Hoy koa i Lali: “Nanampy anay hahay hitory ireny fivoriana ireny, na dia hafahafa aza indraindray ny zavatra nataonay tamin’izy ireny.”

Nihabetsaka ny sakafo ara-panahy nilaina

Nisy rahalahy vitsivitsy nanao kopia ny gazetintsika tany an-trano, nandritra ny taona maro, ary milina nahodin-tanana no nampiasainy. Nihamaro anefa ny gazety nilaina. Nalefa tany amin’ny orinasa mpanao pirinty àry ny gazetintsika, satria tsy nitaky vola be ny sasany tamin’izy ireny.

Rehefa nanomana ny gazety hatao pirinty amin’ny teny géorgien ireo rahalahy dia nanety litera tamin’ny gazety mpiseho isan’andro, ary nametaka izany teo amin’ny fonon’ilay gazety anglisy

Nahita hevitra ireo rahalahy nanomana ny gazety hatao dika mitovy. Nadikan’izy ireo tamin’ny milina fanoratana ilay lahatsoratra voadika tamin’ny teny géorgien, ka natao mitovy endrika tamin’ilay lahatsoratra anglisy. Dia nohetezan’izy ireo ny sary tao amin’ilay gazety anglisy ary napetany teo amin’ilay lahatsoratra. Nanety litera manintona ny maso tamin’ny gazety mpiseho isan’andro izy ireo avy eo, ary nametaka izany teo amin’ny fonon’ilay gazety anglisy. Vonona hatao pirinty amin’izay ilay gazety tamin’ny teny géorgien.

Gazety voalohandohany amin’ny teny géorgien natao pirinty teto an-toerana

Nianatra nampiasa ordinatera ny rahalahy roa atao hoe Levani Kopaliani sy Leri Mirzashvili, rehefa nanomboka nisy izy ireny. Hoy i Leri: “Tsy ampy traikefa izahay, ary tsy hoe nandeha tsara foana ny zava-drehetra. Nampian’i Jehovah anefa izahay, ka tsy ela dia afaka  nampiditra lahatsoratra tao anaty ordinatera, ary nandahatra ny soratra sy sary.”

Nanomboka nahazo gazety miloko natao pirinty teto an-toerana ny fiangonana eran’i Géorgie, na teo aza ny vato misakana. Nihamaro foana anefa ny gazety nilaina, ka tsy naharaka ny pirinty. Soa fa tonga ara-potoana ny tari-dalan’ny fandaminana.

Fiovana lehibe

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, any Rosia, tamin’ny 1992. Afaka nihaona tamin’ny solontenan’ny sampana avy any Alemaina ny rahalahy avy eto Géorgie tamin’izay. Hoy i Genadi Gudadze: “Nohazavain’izy ireo ny fanaovana ny asa fandikan-teny. Nilazany koa izahay hoe hisy olona ho avy hampiofana anay.”

Tsy mora ny nanao pirinty boky ara-baiboly tamin’ny teny géorgien. Hafakely ny abidy géorgien, ka mbola tsy tafiditra tao amin’ny programa MEPS na Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro. Tsy maintsy namoronana endri-tsoratra vaovao àry ilay fiteny, satria nilaina izany rehefa handahatra ny soratra sy sary ary hanao pirinty.

Nila nosoratana tsirairay ny litera tamin’ny teny géorgien mba hampidirina ao amin’ny MEPS. Nanampy be an’ireo rahalahy tao amin’ny Betelan’i Brooklyn i Marina, zanak’i Datikashvili. Nahalala ny fahamarinana i Marina rehefa nifindra tany Etazonia izy sy ny fianakaviany taloha kelin’ny 1980. Tsy ela dia natao pirinty tany Alemaina ny taratasy mivalona vitsivitsy sy ny bokikely “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra.”

 Nalamina ny asa fandikan-teny

Tonga teto Tbilissi i Michael sy Silvia Fleckenstein, tamin’ny 1993. Avy any amin’ny sampan’i Alemaina izy mivady ary tonga mba hanangana biraon’ny fandikan-teny. Hoy i Michael: “Mbola tadidiko ilay fivoriana tany Saint-Pétersbourg. Rehefa tonga tany Tbilissi izahay, herintaona sy tapany tatỳ aoriana, dia gaga rehefa nahita hoe efa nisy mpandika teny vitsivitsy niasa tsara tany.”

Leri Mirzashvili sy Paata Morbedadze ary Levani Kopaliani niasa tao amin’ny biraon’ny fandikan-teny teto Tbilissi, 1993

Nisy mpandika teny 11 niasa tontolo andro tao amin’ny birao kely iray, volana vitsivitsy taorian’izay. Nanomboka nahazo sakafo ara-panahy foana àry ny fiangonana. Soa fa teo ny fampiofanana nomen’ny fandaminana.

Nizara sakafo ara-panahy na teo aza ny korontana

Rehefa rava ny Firaisana Sovietika, dia nisy korontana sy adim-poko tany amin’ny firenena maro anisan’izy io teo aloha, toa an’i Géorgie. Nampidi-doza àry ny nanao dia, indrindra fa ny niampita sisin-tany.

Nizara boky sy gazety tamin’ny fotoana nisian’ny korontana ry Zaza Jikurashvili sy Aleko Gvritishvili (Aseho an-tsary eto miaraka amin’ny vadiny)

 Nila niampita sisin-tany i Aleko Gvritishvili sy ny rahalahy roa, tamin’ny Novambra 1994. Nosakanan’ny lehilahy maromaro nirongo fiadiana ny fiaran’izy ireo, ary nasainy nivoaka izy ireo. Hoy i Aleko: “Tezitra be ry zareo vao nahita an’ireo boky sy gazety. Nasainy nilahatra izahay avy eo, hoatran’ny hoe hotifirina. Nivavaka mafy izahay. Hoy ny iray tamin-dry zareo, rehefa afaka adiny roa teo ho eo: ‘Ento any ny bokinareo, dia aza miverina intsony. Raha tsy izany dia hovitainay ny aminareo ary hodoranay ny fiaranareo.’”

Nanatitra sakafo ara-panahy foana anefa ireo rahalahy na nisy nampitahotra aza. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Rahalahy Zaza Jikurashvili mba hitondrana boky sy gazety nanketo Géorgie. Hoy izy: “Fantatray fa nila sakafo ara-panahy ny mpiara-manompo. Tena nanohana anay koa ny vady malalanay.”

Hoy i Aleko: “Maro taminay mpanatitra boky sy gazety no raim-pianakaviana.” Nahoana izy ireo no vonona hanao sorona toy izany? Hoy ihany i Aleko: “Tena tia sy nankasitraka an’i Jehovah izahay, sady te hanahaka ny fomba ikarakarany an’ireo rahalahy sy anabavy.”

Soa fa nahafoy tena ireo rahalahy, ka tonga foana ny boky sy gazety nandritra ny taona maro nisian’ny korontana. Nahita lalana tsy nampidi-doza nampitohy an’i Alemaina sy Géorgie ireo rahalahy, tatỳ aoriana.

Fampaherezana tonga tamin’ny fotoana nety

Nilamina ny toe-draharaha politika tamin’ny 1995, ka nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany ireo Vavolombelona. Natao tany Gori sy  Marneouli ary Tsnori izany tamin’ny 1996, ary solontena 6 000 teo ho eo eran’i Géorgie no nanatrika.

Vavolombelona nanatrika fivoriambe tany Gori, 1996

Tsy hay hadinoina ilay fivoriambe tany Gori. Hafa ny taloha hoe na efitrano lehibe aza tsy noeritreretina ho feno rehefa Fahatsiarovana. Izao anefa olona 2 000 mahery no antenain’izy ireo hanatrika an’ilay fivoriambe, saingy ny trano antonona azy indray no tsy nisy. Tapaka àry ny hevitra fa hatao eny an-kalamanjana ilay izy, izany hoe ao amin’ny toerana fitsangantsanganana iray akaiky tendrombohitra.

Hoy ny Rahalahy Kako Lomidze, anisan’ny Komitin’ny Fivoriambe: “Niara-nihira sy niara-nikorana ireo rahalahy sy anabavy, taorian’ilay fivoriambe. Hita hoe tena mifankatia ny vahoakan’i Jehovah.”—Jaona 13:35.

Nandroso ny asa noho ilay fandaharana vaovao

Nasaina nitsidika fiangonana nandritra ny herinandro ny mpiandraikitra mpitety faritany teto Géorgie, nanomboka tamin’ny 1996. Nampiana àry ny isan’izy ireo.

Tena naneho finoana sy ‘niasa mafy tamim-pitiavana’ ireny rahalahy ireny, ka nanampy an’ireo fiangonana hiroborobo sy hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana. (1 Tes. 1:3) Nandroso be ny asa nanomboka tamin’ny 1990 ka hatramin’ny 1997. Mpitory 904 no namerina tatitra tamin’ny 1990, nefa lasa 11 082 izany fito taona monja taorian’izay!

Tsy dia niharihary ny fandrosoan’ny asa teto, taona maro lasa izay. Tena hita kosa izany ankehitriny sady manerana an’i Géorgie mihitsy. Mbola betsaka anefa ny fitahiana nomanin’i Jehovah ho an’ny vahoakany eto.