Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantany Tsara Aho

Fantany Tsara Aho

Haka:

  1. 1. Raha io masoandro io, firy taona no efa teny!

    ’Zaho vao nitsaika tao an-kibon’i Neny.

    Jehovah anefa nahita, nizaha

    ’Zay rehetra mombamomba an’ahy.

    Mba diniho kely ange izany e!

    (FIVERENANA)

    Ny ao am-poko, ny ao an-tsaiko,

    ’Zay ataoko sy miantraika

    Dia hainy sy fantany avokoa.

    Tsy very maina ny herim-poko

    Ny sentosento, ny vetsovetso,

    ’Zay toreo tsy haloa-peo,

    Dia tsapan’i Jehovah ny ahy, ka ’zaho tsy hanahy

    Fa hainy.

  2. 2. Ho tafita ka hahita paradisa

    No fanirin’ny Ray ho antsika.

    Dia izy tsy hoe hanakiana fa mitady

    ’Zay tsara kely any am-pontsika any.

    Fa izy anie tena tia!

    (FIVERENANA)

    Ny ao am-poko, ao an-tsaiko,

    ’Zay ataoko sy miantraika

    Dia hainy sy fantany avokoa.

    Tsy very maina ny herim-poko

    Ny sentosento, ny vetsovetso,

    ’Zay toreo tsy haloa-peo,

    Dia tsapan’i Jehovah ny ahy, ka ’zaho tsy hanahy

    Fa hainy.

    (TETEZANA)

    ’Zay mampiady saina androany dia aborahy aminy avy hatrany, resaho, resaho.

    Ny fanantenana hazòny, ny fonao iezaho mba ho tony.

    Fa Izy anie mahery, tsy hamela anao ho resy!

    (FIVERENANA)

    Ny ao am-poko, ao an-tsaiko,

    ’Zay ataoko sy miantraika

    Dia hainy sy fantany avokoa.

    Tsy very maina ny herim-poko

    Ny sentosento, ny vetsovetso,

    ’Zay toreo tsy haloa-peo,

    Dia tsapan’i Jehovah ny ahy, ka ’zaho tsy hanahy

    (FIVERENANA)

    Ny ao am-poko, ao an-tsaiko,

    ’Zay ataoko sy miantraika

    Dia hainy sy fantany avokoa.

    Tsy very maina ny herim-poko

    Ny sentosento, ny vetsovetso,

    ’Zay toreo tsy haloa-peo,

    Dia tsapan’i Jehovah ny ahy, ka ’zaho tsy hanahy

    Fa hainy.