Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Harena

Tena Harena

Haka:

  1. 1. Ny Baiboly, misy harena

    Mahasoa antsika foana,

    Saingy ilaina ny mitady

    Sy manokana fotoana.

    Saintsaino ilay tantara, halalino koa,

    Mba tena hazava sy hanohina ny fo.

    (FIVERENANA)

    Saintsaino tsara ilay tantara,

    Dia manovoza harena avy ao.

    Izay no miaro, ka tena ampiharo,

    Mba ho fiaingana vaovao,

    Fiaingana vaovao.

  2. 2. Misy tsara, misy ratsy,

    Ny tantaran’ny olona ao.

    Koa saintsaino izy ireny,

    Dia ’zay tsara no araho.

    Ny hevitr’i Jehovah no ataovy an-tsaina.

    Manaova fanitsiana, raha izay no ilaina.

    (FIVERENANA)

    Saintsaino tsara ilay tantara,

    Dia manovoza harena avy ao.

    Izay no miaro, ka tena ampiharo,

    Mba ho fiaingana vaovao,

    Fiaingana vaovao.

    (FIVERENANA)

    Saintsaino tsara ilay tantara,

    Saintsaino tsara ilay tantara,

    Saintsaino tsara ilay tantara.