Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manomboka Izao dia Pejy Vaovao

Manomboka Izao dia Pejy Vaovao

Haka:

  1. 1. Omaly tsy miova,

    Mitovy hatrany.

    ’Zay fanompoana ataoko,

    Fahazarana no iafarany.

    Maninona moa raha toa mba miova am’izay,

    Dia manaraka lalam-baovao,

    Mba lalan-kafa indray?

    (FIVERENANA)

    Ka tsy hisalasala aho hanao fiovana.

    ’Lay hoe ‘mandeha ho azy’ aleo mba ialana.

    Jehovah ô, ianao no itokiako izao.

    Manomboka androany àry dia pejy vaovao.

  2. 2. Na sarotra anefa,

    Aleo atao

    Satria hampahery ahy

    Sady hanome ainga vao.

    Hay tombontsoa maro no efa niandry ahy!

    Hafaliana tsy misy hoatr’izany!

    Soa ihany aho aloha fa sahy...

    (FIVERENANA)

    Ka tsy nisalasala nanao fiovana.

    Dia ’zay nandeha ho azy efa mba nialana.

    Jehovah ô, misaotra nanoro izao.

    Nanomboka teo mantsy dia pejy vaovao.

    (TETEZANA)

    ’Zao aho rehefa mampitaha:

    Soa ihany ireny fa nahitsy,

    Satria afa-po aho ka

    Tsy hanenina mihitsy.

    ’Lay safidy tam’izay

    Nahasoa rehefa nandeha ny taona.

    Tsy hihemotra intsony aho fa

    Vao mainka handroso foana!

    (FIVERENANA)

    ’Ndeha hanova fijery aho isa-maraina,

    Ary hitady koa ’zay mila hatsaraina.

    Jehovah ô, ianao no itokiako izao.

    Koa manomboka androany àry dia pejy vaovao.

    (FIVERENANA)

    Ka tsy hisalasala aho hanao fiovana.

    ’Lay hoe ‘mandeha ho azy’ aleo mba ialana.

    Jehovah ô, ianao no itokiako izao.

    Manomboka androany àry...

    (FIVERENANA)

    Dia tsy hisalasala aho hanao fiovana.

    ’Lay hoe ‘mandeha ho azy’ aleo mba ialana.

    Jehovah ô, ianao no itokiako izao.

    Manomboka androany àry dia pejy vaovao.

    Dia pejy vaovao.