Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misentoa, dia Mivavaha Kely Aloha!

Misentoa, dia Mivavaha Kely Aloha!

Haka:

  1. 1. Mba tsy rariny ny ataon’ny ankizy!

    Mody hoe namana nefa manao ’zay hahakivy.

    Ka raha toa tsy ho voafehy ny ao anaty ao,

    Jehovah no ivavaho

    Ao am-ponao.

    (FIVERENANA)

    Aza kivy, mitrakà,

    Matokia, eo Jehovah.

    Mitonia, misentoa,

    Mivavaha kely aloha.

    Raha toa tsisy azo atao,

    Tadidio: Izy tsy handao

    Fa ho namanao, tia tokoa,

    Mivavaha kely aloha.

    Izy no itokio

    Ary ampifalio.

  2. 2. Isan’andro toa maro ny ahina,

    Vola kely no misy ka ’zay eo no tsitsiana.

    Fa raha tsara fanahy ianao ’ndraindray,

    Dia hanome tsiky iray,

    Ka ho faly indray.

    (FIVERENANA)

    Aza atao mampanahy,

    Matokia, eo i Jehovah.

    Fa izay mihidy, mbola hivoha,

    Mivavaha kely aloha.

    Izy hanoro sy hampahery

    Ka ianao tsy mba hiady irery,

    Tsy hahatsiaro ho very, hamoy fo.

    Mivavaha kely aloha.

    Izy no itokio

    Ary ampifalio.

    (FIVERENANA)

    Matokia, eo i Jehovah.

    Mitonia, misentoa,

    Mivavaha kely aloha.

    Izy hanoro sy hampahery

    Ka ianao tsy mba hiady irery,

    Tsy hahatsiaro ho very, hamoy fo.

    Mivavaha kely aloha.

    Izy no itokio.

    Misaora Azy anio!