Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao Hifamela

Andao Hifamela

Haka:

  1. 1. Haiko ianao hoe te hanampy an’ahy,

    Tia manoro sady tsara fanahy.

    Ny teninao anefa mankarary,

    Ka tsy mahatanty aho fa mamaly.

    Hay ’zaho koa mba diso ihany.

    (FIVERENANA)

    Io masoandro io raha mbola eo,

    ’Zay tsy nety androany avela hatreo.

    ’Ndao isika hifanatona

    Ary hihavana indray.

    Mifona akia, tiako ange indrỳ.

  2. 2. Tsy mifanara-tsaina indray isika,

    Samy entim-po dia lasa masiaka.

    Nefa avy eo ’nge tonga saina ihany.

    Tsy aleo alamintsika izany?

    Dia aleo hivalona any.

    (FIVERENANA)

    Io masoandro io raha mbola eo,

    ’Zay tsy nety androany avela hatreo.

    ’Ndao isika hifanatona

    Ary hihavana indray.

    Aza manahy, namako ialahy.

    (TETEZANA)

    Tsy ’zay teny na ny atao no avela handrava izao fihavanantsika izao.

    ’Ndao hifamela, koseho ’zay tavela.

    Dia tsy hifankafoy izaho sy ianao.

    (FIVERENANA)

    Ny masoandro aza avela ho dify,

    ’Ndao samy hiezaka hanao ’zay tandrify,

    Ka mba hifanatona

    Ary hihavana indray.

    Fo madio ’zao, pejy vaovao.

    ’Ndao hifamela, fitiavana no ho tavela.