Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Maika Loatra!

Aza Maika Loatra!

Haka:

  1. 1. Aza maika, avia vetivety!

    Aza mihazakazaka fa tsy mety.

    Na faly ianao sy ny namanao,

    Rehefa fivoriana,

    Tsy tokony hilalao.

    (FIVERENANA)

    Aleo mba miahy.

    Aza maika loatra fa

    Asio hatsaram-panahy,

    Dia mba miahy.

  2. 2. Aza maika hanao ny asanao,

    Na sahirana aza sy be atao.

    Mba jereo ihany ’zay mila ampiana.

    Tena ilaina koa

    Ny maneho fiahiana.

    (FIVERENANA)

    Aleo mba miahy.

    Aza maika loatra fa

    Asio hatsaram-panahy,

    Dia mba miahy.

  3. 3. Aza maika rehefa mitory.

    Mandondòna ianao,

    Toa tsisy mihaino akory.

    Jereo ireny mpandalo ireny,

    Sao mba misy mihaino

    Eny an-dalana eny?

    (FIVERENANA)

    Aleo mba miahy.

    Aza maika loatra fa

    Asio hatsaram-panahy,

    Dia mba miahy.

    Ooo... Dia mba miahy.