Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Fihetseham-po ve i Jehovah?

Manana Fihetseham-po ve i Jehovah?

Manatòna An’Andriamanitra

Manana Fihetseham-po ve i Jehovah?

RAHA eny ny valin’izany, misy vokany aminy ve ny fitondran-tenantsika? Izany hoe mety hampifaly na hampalahelo an’Andriamanitra ve izay ataontsika? Nisy filozofa fahiny namaly hoe tsia. Nilaza izy ireo fa tsy misy vokany amin’Andriamanitra izay ataon’ny olombelona, ka tsy manana fihetseham-po izy. Milaza anefa ny Baiboly fa mangoraka i Jehovah ary tena zava-dehibe aminy izay ataontsika. Mariho ange izay voalazan’ny Salamo 78:40, 41 e!

Tantarain’ny Salamo 78 izay nataon’Andriamanitra tamin’ny Israely fahiny. Nasainy hifandray akaiky taminy io firenena io, rehefa avy nafahany avy tany Ejipta. Nampanantena izy fa raha mankatò ny lalàny foana izy ireo, dia ho lasa ‘fananany manokana’, ary hampiasainy amin’ny fomba miavaka mba hanatanteraka ny fikasany. Nanaiky izy ireo ka nanao ny fifaneken’ny Lalàna. Nanaraka an’ilay fifanekena ve anefa izy ireo?—Eksodosy 19:3-8.

Hoy ilay mpanao salamo: “Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra!” (Andininy 40) Hoy koa izy: “Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra.” (Andininy 41) Mariho fa nilaza ny mpanao salamo hoe nikomy imbetsaka izy ireo. Nanao izany izy ireo tany an-tany efitra, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Nimenomenona izy ireo, ka nisalasala raha ho vitan’Andriamanitra sy tena iriny ny hikarakara azy ireo. (Nomery 14:1-4) Milaza ny boky iray ho an’ny mpandika Baiboly fa ilay hoe “nikomy taminy”, dia mety ho “azo adika hoe ‘nanamafy ny fony tamin’Andriamanitra’ na ‘nilaza hoe “Tsia” tamin’Andriamanitra.’ ” Namindra fo i Jehovah ka namela an’ilay vahoakany rehefa nibebaka izy ireo. Imbetsaka anefa izy ireo no niverina tamin’ny fanaony ka nikomy indray.—Salamo 78:10-19, 38.

Inona no tsapan’i Jehovah isaky ny nikomy ilay vahoaka tsy mena-mivadika? Hoy ny andininy faha-40: ‘Nanao izay nampalahelo azy izy ireo.’ Hoy ny boky iray, momba izany: “Ny tiany holazaina eo dia hoe nampijaly tokoa ny nataon’ireo Hebreo, toy ny ataon’ny zaza iray tsy mankatò sady mikomy.” Mety hankarary ny fon’ny ray aman-dreniny ny ankizy iray tsy laitra fehezina. Toy izany koa fa “nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” ireo Israelita mpikomy.—Andininy 41.

Inona àry no azontsika ianarana avy amin’io salamo io? Mampahery ny mahafantatra fa tena tia ny mpanompony i Jehovah ary tsy mora kivy amin’izy ireo. Mampieritreritra koa anefa ny mahalala fa manana fihetseham-po izy, ary misy vokany aminy izay ataontsika. Tsy mandrisika anao hanao ny tsara ve izany?

Tsy tokony ho zatra hanota isika ka hampalahelo ny fon’i Jehovah. Afaka manao izay mahitsy foana kosa isika mba hampifaliana azy. Izany rahateo no iangaviany antsika mpanompony, hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko.” (Ohabolana 27:11) Tsy misy zava-tsarobidy azontsika omena an’i Jehovah noho ny hoe mampifaly ny fony ny fomba fiainantsika.

Famakiana Baiboly amin’ny Jolay:

Salamo 60-86

[Teny notsongaina, pejy 10]

Tsy misy zava-tsarobidy azontsika omena an’i Jehovah noho ny hoe mampifaly ny fony ny fomba fiainantsika