Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA DESAMBRA 2013

 MANATONA AN’ANDRIAMANITRA

“Ataoko Vaovao ny Zava-drehetra”

“Ataoko Vaovao ny Zava-drehetra”

Tianao ve raha salama sy ela velona ianao sy ny fianakavianao? Te hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy misy fijaliana sy fahafatesana intsony ve ianao? Tsy nofinofy fotsiny akory izany. Tsy ho ela mantsy dia hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana, satria izany no fikasan’i Jehovah Andriamanitra. Mariho ny fomba hahatanterahan’izany, araka ny Apokalypsy 21:3-5.—Vakio.

‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo.’ (Apokalypsy 21:4) Inona ilay ranomaso hofafany? Tsy ny ranomasom-pifaliana akory na ny ranomaso miaro ny masontsika. Ranomaso vokatry ny fijaliana sy alahelo kosa no tiana holazaina eo. Tsy ny ranomaso fotsiny anefa no hofafany fa ny antony mahatonga an’ilay izy koa, dia ny fijaliana sy ny alahelo.

“Tsy hisy fahafatesana intsony.” (Apokalypsy 21:4) Ny fahafatesana no niteraka alahelo be indrindra hatramin’izay. Hanafaka ny olona mankatò amin’ny fangejan’izy io i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? Hofoanany ny tena antony mahatonga azy io, dia ny ota nolovana tamin’i Adama. (Romanina 5:12) Hataony lavorary ny olombelona amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy. * “Hofoanana” avy eo ny fahafatesana, izay fahavalo farany. (1 Korintianina 15:26) Ho afaka hiaina mandrakizay sy hanana fahasalamana tonga lafatra ny olombelona, araka ny nikasan’Andriamanitra azy.

“Tsy hisy intsony ... ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Inona ilay fanaintainana tsy hisy intsony? Ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po vokatry ny ota sy ny tsy fahalavorariana, izay mampijaly olona an-tapitrisany.

Tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fanaintainana ary ny fahafatesana. Aiza anefa izany no hitranga? Any an-danitra ve? Tsia. Nahoana? Voalohany, manomboka amin’izao teny izao ilay fampanantenana: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra”, ary eto an-tany no misy ny olombelona. (Apokalypsy 21:3) Faharoa, voalaza ao fa “tsy hisy fahafatesana intsony” ao amin’ilay tontolo. Midika izany fa efa nisy fahafatesana tao taloha, saingy tsy hisy intsony. Tsy nisy fahafatesana mihitsy tany an-danitra, fa teto an-tany ihany. Eto an-tany àry no ho tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra.

Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra vokatry ny fijaliana sy ny alahelo

Tian’i Jehovah hino an’ilay fampanantenany tontolo vaovao isika. Nanome toky toy izao izy, rehefa avy nilaza an’ireo fitahiana ho avy: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” Hoy koa izy: “Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.” (Apokalypsy 21:5) Nahoana raha fantarina bebe kokoa izay tokony hataonao sy ny fianakavianao mba hahazoana an’ireo fitahiana mahafinaritra ireo?

^ feh. 5 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny sorom-panavotan’i Kristy, dia jereo ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.