Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarotra ve ny Baiboly?

Sarotra ve ny Baiboly?

Sarotra ve ny Baiboly?

“Namaky Baiboly izahay tao an-trano, isaky ny alahady. Tsy tena tiako anefa ilay izy. Nino aho hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, nefa tsy azoko ny ankamaroan’izay novakiko tao.”—Steven, Grande-Bretagne.

“Nanandrana namaky Baiboly aho, tamin’izaho 17 taona. Najanoko anefa ilay izy, fa sarotra be.”—Valvanera, Espaina.

“Namaky Baiboly aho, satria nieritreritra hoe mila manao an’izany ny Katolika. Telo taona anefa ilay izy vao vitako, sady zara raha azoko izay novakiko!—Jo-Anne, Aostralia.

MBOLA ny Baiboly foana no boky be mpividy indrindra eran-tany. Mihamaro hatrany ny fiteny amoahana azy sy ny olona manana azy. Efa misy mihitsy aza ny Baiboly amin’ny CD na ao amin’ny Internet. Tsy azon’ny olona maro anefa izay voalaza ao. Toy izany koa ve ianao?

Tian’Andriamanitra hahazo ny Teniny ve isika?

Hoy ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Avy amin’i Jehovah Andriamanitra àry ny Baiboly. Isika rehetra ve anefa no tiany hahazo izay lazainy ao? Sa olona vitsivitsy ihany, toy ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahaizana?

Diniho ireto teny ao amin’ny Baiboly ireto:

“Tsy sarotra loatra aminao izany didy andidiako anao anio izany, sady tsy lavitra loatra.”—Deoteronomia 30:11.

“Ny fampiharihariana ny hevitry ny teninao dia manome fahazavana, ka lasa manam-pahalalana ireo mbola tsy dia nandia fiainana.”—Salamo 119:130.

“Tamin’izay ora izay indrindra, dia faly be i Jesosy sady feno fanahy masina, ka nanao hoe: ‘Midera anao ampahibemaso aho, Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria nataonao tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.’ ”—Lioka 10:21.

Tian’Andriamanitra hahazo ny Teniny àry isika! Na izany aza, dia sarotra amin’ny olona maro ny Baiboly. Inona no azo atao? Misy soso-kevitra telo ao amin’ireo lahatsoratra manaraka.