Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3. Mitadiava Olona Hanampy

3. Mitadiava Olona Hanampy

Tianao ho Azo ve Izay Lazain’ny Baiboly?

3. Mitadiava Olona Hanampy

Nisy mpikaroka tany vaovao atao hoe Edward Eyre, namakivaky ny Lemak’i Nullarbor, faritra karakaina any Aostralia. Natoron’ny tompon-tany azy ny fomba fakana rano ao anaty fasika sy kininina. Nanaiky hatoro izy, ka tafavoaka velona.

HITA avy amin’io tantara io fa mazàna no mila fanampian’ny olona manana traikefa izay te hahavita zavatra sarotra. Mila an’izany koa ianao rehefa mamaky Baiboly.

Tsy nanantena i Jesosy hoe hahay Baiboly ho azy ny mpianany. Tsy maintsy ‘nanokatra tanteraka ny sain’izy ireo’ kosa izy, ‘mba ho azony tsara ny hevitry ny Soratra Masina.’ (Lioka 24:45) Fantatr’i Jesosy àry fa mila mpanampy ny olona te hahazo ny fampianaran’ny Baiboly.

Iza anefa?

Ny mpanara-dia azy no nirahin’i Jesosy hanampy ny olona. Hoy izy talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ (Matio 28:19, 20) Ny hampianatra àry no asa lehibe indrindra tokony hataon’ny tena Kristianina. Mila manampy ny olona hahay hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy hahazo izay voalaza ao izy ireo.

Nisy zavatra niavaka nitranga taoriana kelin’ny nanomezan’i Jesosy an’io didy io. Nisy tandapa etiopianina namaky ny faminanian’i Isaia. Tsy azony anefa ity andinin-teny ity: “Toy ny ondry nentina hovonoina izy, ary toy ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy ka tsy miloa-bava. Tsy nomena rariny izy nandritra ny fotoana nampietrena azy. Ary iza no hilaza ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany? Fa ny ainy aza nesorina tsy ho amin’ny tany.”—Asan’ny Apostoly 8:32, 33; Isaia 53:7, 8.

Nanontany olona àry ilay tandapa. Hoy izy tamin’i Filipo, Kristianina nahay tsara ny Soratra Masina: “Iza no lazain’ilay mpaminany amin’izany? Ny tenany ihany ve sa olon-kafa?” (Asan’ny Apostoly 8:34) Avy nivavaka tany Jerosalema ilay Etiopianina, ary azo inoana fa efa nangataka ny fanampian’Andriamanitra. Efa nanokatra ny fony sy ny sainy koa izy. Mbola tsy azony ihany anefa ilay andinin-teny. Nanetry tena àry izy, ka niangavy an’i Filipo hanampy azy. Faly be izy nahare ny fanazavan’i Filipo, ka lasa Kristianina.—Asan’ny Apostoly 8:35-39.

Mbola manohy ny asan’i Filipo sy ny Kristianina voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy olona maimaim-poana izy ireo, any amin’ny tany 235 mahery, mba hahazo an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Misy loha hevitra maromaro iarahana midinika amin’ilay olona, ary fakafakaina miandalana izay lazain’ny Baiboly momba izany. *—Jereo ilay efajoro hoe  “Te Hahazo Valiny Mahafa-po ve Ianao?”

“Voavaly daholo ny fanontaniako”

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Steven sy Valvanera ary Jo-Anne, voaresaka tany aloha. Hoy i Steven: ‘Gaga aho satria ny Baiboly ihany mazàna dia nahavaly ny fanontaniako. Nila nampitaha andinin-teny maromaro fotsiny aho. Tsy nisy nanoro ahy an’izany, tamin’izaho mbola tsy nisy nampianatra. Faly be aho fa nahazo valiny nahafa-po. Tsy voatery ho adihevitra tsy misy dikany foana ny dinidinika momba ny Baiboly.’

Mitovy hevitra aminy i Valvanera. Hoy izy: “Tsy nisy nifanohitra ny zavatra nianarako sady marina daholo. Nianarako koa fa tsy tokony hinoana be fahatany izay lazain’ny Eglizy, fa tokony hitady fanazavana marim-pototra aloha, satria tsy maintsy misy foana izany.” Hoy i Jo-Anne: “Voavaly daholo ny fanontaniako, ka lasa nanaja lalina an’Andriamanitra aho. Fantany fa ho be fanontaniana isika, ka tonga dia nasiany valiny mahafa-po ao amin’ny Baiboly.”

Mahafantatra Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Anontanio azy hoe ahoana no fomba ampianarany Baiboly. Raha tsy izany dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-4. Tsy sarotra ny mahazo izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Zavatra telo fotsiny no ilaina hatao: Mangataka ny fanahy masina, tsy tonga dia mandà izay voalazan’ny Baiboly, ary mitady mpampianatra mahay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Efa nanampy olona maro ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy loha hevitra maro ao.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

 Te Hahazo Valiny Mahafa-po ve Ianao?

Ireto misy loha hevitra vitsivitsy iarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah midinika amin’ny olona:

• Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

• Aiza no misy ny maty?

• “Andro farany” ve izao iainantsika izao?

• Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?

• Ahoana no hahasambatra ny fianakaviako?

[Sary, pejy 7]

Tianao ho azo ve izay lazain’ny Baiboly? Mangataha ny fanahy masin’Andriamanitra, aza tonga dia lavina izay voalaza ao, ary mitadiava olona hanampy