Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

AHOANA no hamalianao an’izany? Misy mihevitra fa mahalala tsara an’Andriamanitra izy, ary namany akaiky mihitsy aza. Misy indray mino hoe misy Andriamanitra nefa tsy tena fantany. Raha mino an’Andriamanitra àry ianao, ahoana no hamalianao an’ireto fanontaniana ireto:

1. Manao ahoana izany Andriamanitra izany?

2. Iza no anaran’Andriamanitra?

3. Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

4. Miahy anao ve Andriamanitra?

5. Eken’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

Apetraho amin’olon-kafa ange ireo fanontaniana ireo, raha tsy ho samy hafa be ny valin-teniny e! Tsy mahagaga àry raha maro ny hevi-diso miely momba an’Andriamanitra.

Nahoana no zava-dehibe ny valiny?

Niresaka tamin’ny vehivavy iray nino an’Andriamanitra i Jesosy Kristy indray mandeha, teo amin’ny fantsakana. Nantitranteriny tamin’io Samaritanina io fa tena ilaina ny mahalala hoe iza marina Andriamanitra. Niaiky ilay vehivavy fa mpaminany i Jesosy. Hitany anefa fa tsy nitovy tamin’ny fivavahany ny fivavahan’i Jesosy, ary nanahiran-tsaina azy izany. Nilaza izany tamin’i Jesosy izy, ka notsorin’i Jesosy taminy hoe: “Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo.” (Jaona 4:19-22) Nasehony tamin’izany fa tsy ny olona rehetra mino an’Andriamanitra no tena mahalala azy.

Midika ve anefa izany hoe tsy misy afaka mahalala tsara an’Andriamanitra mihitsy? Tsia. Hoy koa mantsy i Jesosy tamin’ilay Samaritanina: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Anisan’ireo mivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” àry ve ianao?

Tena mila dinihinao tsara izany. Nahoana? Satria nantitranterin’i Jesosy fa ilaina ny manana fahalalana marina tsara. Hoy mantsy izy rehefa nivavaka: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Tena mila fantarinao àry hoe iza marina Andriamanitra, satria miankina amin’izany ny hoavinao!

Tena azo fantarina ve anefa izany fahamarinana izany? Izany tokoa! Amin’ny fomba ahoana? Hoy i Jesosy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Nilaza koa izy hoe: “Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana ny Ray.”—Lioka 10:22.

Mila mandinika ny zavatra nampianarin’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, àry isika raha te hahalala an’Andriamanitra. Nampanantena tokoa i Jesosy hoe: “Raha tsy miala amin’ny teniko [na fampianarako] ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.

Ahoana àry no namalian’i Jesosy an’ireo fanontaniana dimy teo am-piandohana?

[Sary, pejy 4]

Tsy tena fantatrao tsara ve ilay Andriamanitra ivavahanao?