Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Mitovy amin’ny habokana fahita ankehitriny ve ilay habokana resahin’ny Baiboly?

Aretina azon’ny olona avy amin’ny bakteria ilay lazain’ny dokotera ankehitriny hoe “habokana.” Ny Dr. G. Hansen no nahita an’io bakteria (Mycobacterium leprae) io voalohany, tamin’ny 1873. Milaza ny mpikaroka fa afaka ny ho velona any ivelan’ny vatana mandritra ny sivy andro ilay bakteria, rehefa miaraka amin’ny lelo. Hitan’izy ireo koa fa atahorana kokoa ho voan’ny habokana ny olona mifanerasera akaiky amin’ny olona boka, ary mety hifindra amin’ny alalan’ny akanjo io aretina io. Maherin’ny 220 000 ny olona vao nifindran’ny habokana tamin’ny 2007, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

Azo antoka fa nisy olona boka tany Israely sy ny firenena manodidina azy, fahiny. Tsy maintsy natokan-toerana ny olona toy ireny, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 13:4, 5) Ilay teny hebreo hoe tsaraʽat no nadika hoe “habokana.” Sady natao hilazana ny habokana mpahazo ny olona izy io, no nilazana ny karazana habokana teo amin’ny akanjo na ny trano koa. Nety ho hita teo amin’ny akanjo vita tamin’ny lamba rongony na volonondry na tamin’ny zavatra vita tamin’ny hoditra izy io. Nosasana ilay akanjo na ilay hoditra mba hanesorana an’ilay habokana. Raha tsy nety afaka anefa ilay “mifaritra maitso somary mavo, na somary mena”, dia tsy maintsy nodorana ilay izy. (Levitikosy 13:47-52) Raha trano indray no voan’ilay habokana, dia nisy “lempona maitso somary mavo na lempona somary mena” teo amin’ny rindrina. Tsy maintsy nesorina sy nariana tany ivelan’ny tanàna ny vato sy ny lalotra nisy an’izany. Raha niverina ilay habokana, dia tsy maintsy noravana ilay trano ary nariana tany ivelan’ny tanàna ny potipotiny. (Levitikosy 14:33-45) Misy mihevitra fa mety ho ilay antsoina ankehitriny hoe bobongolo ilay habokana teo amin’ny akanjo na ny trano. Tsy tena azo antoka anefa izany.

Nahoana no tezitra mafy ireo mpanefy volafotsy tany Efesosy noho ny fitoriana nataon’ny apostoly Paoly?

Nahazo vola be ireo mpanefy volafotsy tany Efesosy noho izy ireo nanamboatra “tempoly kelin’i Artemisy.” I Artemisy mantsy no lazaina fa lehiben’ny Efesianina, sady andriamanibavin’ny fihazana sy ny fananan’anaka ary ny fiterahana. (Asan’ny Apostoly 19:24) Voalaza fa nilatsaka “avy tany an-danitra” ny sarin’i Artemisy, ary notehirizina tao amin’ny tempoliny tao Efesosy. (Asan’ny Apostoly 19:35) Nosokajin’ny olona ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto an-tany io tempoly io. Vahoaka maro be isan-taona no nirohotra nankany Efesosy nanomboka tamin’ny tapatapaky ny volana Martsa ka hatramin’ny tapatapaky ny Aprily, mba hanatrika ny fety fanomezam-boninahitra an’i Artemisy. Maro be ny mpitsidika an’ilay tempoly, ka betsaka no nitady zavatra hatao fahatsiarovana, ody atao fiaro, fanatitra ho an’ilay andriamanibavy, na sary hivavahan’ny fianakaviana rehefa mody izy ireo. Fantatra tamin’ireo soratra hita tany Efesosy, fa nisy mpanefy volafotsy sy volamena nanamboatra ny sarivongan’i Artemisy tany. Nisy soratra hafa aza nilaza fa nanana fikambanana mihitsy ireo mpanefy volafotsy.

Nampianatra i Paoly fa “tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanana.” (Asan’ny Apostoly 19:26) Nanahy àry ireo mpanefy volafotsy sao ho very asa, ka nitarika rotaka hanoherana ny fitorian’i Paoly. Anisan’izy ireny i Demetrio, izay nilaza hoe: “Tsy ity asantsika ity ihany no atahorana ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Artemisy andriamanibavy lehibe koa no hanjary ho tsinontsinona. Ary na ny fahalehibeazan’ilay andriamanibavy, izay ivavahana eran’i Azia sy ny tany onenana aza, dia efa madiva ho foana.”—Asan’ny Apostoly 19:27.