Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  Febroary 2009

 Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ahoana no Tokony Hifehezana ny Ankizy?

Ahoana no Tokony Hifehezana ny Ankizy?

John: * Tsy tonga dia nanasazy ahy ny ray aman-dreniko, tamin’izaho mbola kely, rehefa nisy tsy nety nataoko. Niezaka aloha izy ireo namantatra hoe nahoana aho no nanao an’ilay izy, ary sao misy antony hafa. Izany koa izao no ataoko amin’ny zanakay. I Alison vadiko kosa tsy toy izany. Tonga dia nibedy mantsy ny ray aman-dreniny, fa tsy mba nanadihady. Indraindray hitako hoe hoatran’ny masiaka koa izy rehefa manasazy ny zanakay.

Carol: Nilaozan’i dadanay izahay, tamin’izaho vao dimy taona. Tsy niraharaha anay efa-bavy intsony izy. I Neny no niasa mafy namelona anay, ary tsy maintsy nanampy azy aho nikarakara ny zandriko. Tsy mba afaka nilalao hoatran’ny ankizy rehetra aho, satria be andraikitra kely. Lasa matotra be foana aho, fa tsy dia mivazivazy. Rehefa maditra ny zanako izao, dia mijaly be aho mieritreritra ny nataony. Tiako ho fantatra mantsy hoe nahoana izy ireo no nanao an’ilay izy, ary inona no tao an-tsainy. I Mark vadiko kosa tsy miady saina loatra amin’izany. Tsara fanahy nefa hentitra mantsy ny dadany, sady tena tia vady. Rehefa misy olana àry ireo zanakay vavy, dia vetivety erỳ ny andaminan’i Mark azy. Dinihiny ny zava-misy, ahitsiny haingana izay tsy mety, dia vita hatreo ny amin’iny.

HITA amin’ny tenin’i John sy Carol, fa miankina be amin’izay nitaizana anao no ifehezanao ny zanakao. Raha tsy mitovy àry ny fomba nanabeazana anareo mivady, dia azo inoana fa tsy hitovy ny fomba tianareo hitaizana ny ankizy. Mampisy olana ao an-tokantrano izany indraindray.

Vao mainka koa sorena ianao rehefa reraka. Raha vao miteraka ny mpivady dia hitany fa tena mandreraka ny mitaiza, sady tsy azo ialana mihitsy. Manan-janaka roa vavy i Joan sy Darren. Hoy i Joan: “Marina fa tiako ny zanako, nefa mandreraka koa indraindray. Rehefa asaiko matory izy ireo dia tsy mety. Mifoha aloha be koa ry zareo nefa mbola tokony hatory. Tapahiny ny teniko rehefa miresaka aho. Aparitany eran’ny trano ny kiraro sy ny akanjo   ary ny kilalao. Tsy averiny amin’ny toerany izay zavatra nihinanany.”

Ketraka ny vadin’i Jack rehefa avy niteraka ny zanak’izy ireo faharoa, ary lasa narary mihitsy. Hoy i Jack: “Matetika aho no reraka rehefa avy miasa. Zara raha matory anefa aho amin’ny alina, satria mikarakara ny zanakay vao teraka. Tena sarotra àry ny mifehy an’ilay zanakay voalohany. Mialona izy satria tsy izy irery intsony no karakarainay.”

Raha sady efa reraka ny mpivady no mbola tsy mitovy hevitra, dia mety ho lasa ady be ny ady kely, toy ny erikerika lasa tondra-drano. Tsy hiraiki-po intsony izy ireo, raha tsy voalamina ilay izy. Mety hohararaotin’ny ankizy hampiadiana azy mivady koa izany, mba hahazoany izay tadiaviny. Inona àry no toro lalan’ny Baiboly hanampy azy ireo hiaro ny fanambadiany sady hitaiza tsara ny zanany?

Manokàna fotoana ho anareo mivady irery

Raha ny tian’Andriamanitra, dia tokony hivady aloha ny olon-droa, izay vao miteraka, ary mbola tokony ho mpivady izy ireo na dia efa mahaleo tena aza ny ankizy. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Tsy voatery hiara-mipetraka foana kosa ny ray aman-dreny sy zanaka. Voalazan’ilay andininy eo aloha mantsy, fa raha ny fikasan’Andriamanitra dia “handao ny rainy sy ny reniny” ny zanaka, any aoriana any. (Matio 19:5) Tsy ny zanaka àry no tena tokony hampiray ny mpivady, fa ny fitiavana. Marina fa mila mampiofana ny zanany ny ray aman-dreny. Raha tena te hahavita izany anefa izy ireo, dia tokony hataony izay hampilamina tsara ny fanambadiany.

Ahoana àry no hampifankatia foana ny mpivady, mandritra ireo taona itaizany ny zanany? Raha mbola azo atao, dia manokàna fotoana ho anareo mivady irery, tsy miaraka amin’ny ankizy. Ho afaka handinika ireo zava-dehibe ilain’ny fianakaviana ianareo amin’izay, sady mba miresaka sy manao zavatra mahafinaritra. Tsy mora anefa ny mahita fotoana mitokana. Hoy i Alison, voaresaka tany aloha: “Rehefa mba miaraka kely mitokana iny izahay mivady, dia mitomany ny zanakay faravavy, na ‘miantso vonjy’ ilay zanakay enin-taona satria tsy hita, hono, ny lakreny.”

Nahita fotoana hiarahana i Joan sy Darren, voalaza tany aloha, rehefa noferany ny ora fatorian’ny zanany. Hoy i Joan: “Asainay matory izy ireo rehefa tonga ilay fotoana, ary vonoina ny jiro. Mba afaka naka aina sy niresaka àry izahay sy Darren.”

Tsy hoe hahita fotoana hiarahana fotsiny ny mpivady, rehefa ferany ny ora fatorian’ny zanany. Manampy ny ankizy koa izany mba tsy ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’ (Romanina 12:3) Ahoana moa izany? Rehefa zatra manaja ny ora fatoriana ilay ankizy, dia ho tsapany hoe tsy maintsy manaraka ny fandaharan’ny fianakaviana izy, fa tsy ilay izy indray no hovana mba hifanaraka amin’izay tiany. Ho takany fa tsy izy irery no tsy maintsy ifantohana ao an-trano, na dia mitana toerana lehibe aza izy.

ANDRAMO IZAO: Fero ny ora fatorian’ny ankizy, ka bedeso izy raha tsy manaiky. Raha mbola mitaraikiraiky izy satria misy zavatra tadiaviny, ohatra hoe te hisotro rano, dia mety ho azonao andeferana indray mandeha. Aza manaiky anefa raha mangataka hanao zavatra be dia be izy, ka lasa mihemotra ny ora fatoriany. Raha dimy minitra no angatahiny ka avelanao izy, dia jereo mihitsy ny famantaranandro. Asaivo matory avy hatrany izy raha vao tapitra ny dimy minitra, fa tsisy ady varotra intsony. Aoka ny teninao “rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37.

Aoka ianareo hiray saina

Hoy ny ohabolana iray feno fahendrena: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary  aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 1:8) Asehon’io andinin-teny io fa samy manan-jo hifehy ny zanany ny ray sy ny reny. Mety tsy hitovy hevitra anefa izy ireo, na dia mitovitovy aza ny fomba nitaizana azy. Ahoana, ohatra, no tokony hifehezana ny ankizy, ary inona no lalàna hampiharina rehefa amin’ny toe-javatra iray? Inona no azo atao, rehefa tsy mitovy hevitra amin’izany?

Hoy i John, voaresaka tany aloha: “Araka ny hevitro dia tsy mety mihitsy ny mifamaly eo imason’ny ankizy.” Miaiky anefa izy fa sarotra izany. “Mora mahamarika zavatra ny ankizy”, hoy izy, “ka na tsy miteny aza izahay dia hitany ihany hoe tsy mifanaraka.”

Ahoana àry no ataon’i John sy Alison? Hoy i Alison: ‘Raha tsy tiako ny fomba ibedesan’ny vadiko ny zanakay, dia andrasako aloha rehefa tsy eo ilay ankizy vao milaza ny hevitro aho. Sao mantsy hararaotiny hoe tsy mitovy hevitra izahay mivady, ka hanao izay tiany izy. Raha fantany ihany hoe tsy mitovy hevitra izahay, dia izao no lazaiko aminy: “Mila manaiky ny lalàn’i Jehovah ho an’ny fianakaviana isika rehetra. Noho izany dia manaiky ny fahefan’i Dada aho satria izy no loham-pianakaviana, hoatr’anao koa izay tsy maintsy manaiky anay.” ’ (1 Korintianina 11:3; Efesianina 6:1-3) Hoy i John: “Izaho foana no manitsy ny zanakay, rehefa eo aho. Raha i Alison anefa no efa zatra kokoa an’ilay zava-mitranga dia avelako izy no hiteny, ary manamafy izay lazainy aho. Raha misy tsy ekeko ny heviny, dia resahinay amin’ny manaraka ilay izy.”

Mety hiteraka lonilony eo aminareo mivady ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitaizana. Mety hanjary tsy hanaja anareo koa ny zanakareo. Ahoana no azo isorohana izany?

ANDRAMO IZAO: Manokàna fotoana tsy tapaka isan-kerinandro, mba hiresahana momba ny fitaizana ny ankizy. Aza misalasala fa resaho daholo izay tsy mampitovy hevitra anareo. Ataovy azonao tsara ny hevitry ny vadinao, ary tadidio fa tsy mitovy ny fifandraisanareo amin’ilay zanakareo.

Miezaha mba hifankatia kokoa

Tena sarotra ny mitaiza, ary mandreraka be mihitsy indraindray. Tsy maintsy handao anareo anefa ny zanakareo, na ho ela na ho haingana, ka ianareo mivady indray sisa. Mbola ho mafy tsara ve amin’izay ny fatoram-panambadianareo? Sa hampahalemy azy io ny fotoana itaizanareo zanaka? Miankina amin’ny fampiharanareo ny toro lalana ao amin’ny Mpitoriteny 4:9, 10 izany. Izao no voalaza ao: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.”

Tsara tokoa rehefa mifanohana toy ny mpinamana akaiky ny mpivady. Izao no tsapan’i Carol, voalaza tany aloha: “Efa fantatro fa manana toetra tsara betsaka ny vadiko. Mbola nahita toetra tsara hafa maro taminy anefa aho, rehefa nitaiza ny zanakay izahay. Lasa tia sy manaja azy kokoa aho, rehefa hitako fa niahy sy nikarakara ny zanakay izy.” Hoy indray i John, momba an’i Alison: “Rehefa nanan-janaka izahay dia hitako fa tena reny be fitiavana izy. Vao mainka nitombo ny fitiavako sy ny fanajako azy.”

Manokàna àry fotoana ho an’ny vadinao. Miezaha mba ho mpinamana foana, mandritra ireo taona itaizanareo. Hihamafy hatrany ny fanambadianareo, rehefa mihalehibe ny zanakareo. Ho ‘soa fianatra’ ho azy ireo koa ny ohatra tsara omenareo.

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

  • Adiny firy isan-kerinandro no iarahako amin’ny vadiko irery, tsy miaraka amin’ny ankizy?

  • Inona no ataoko mba hanampiana ny vadiko, rehefa mananatra ny zanakay izy?

Fanampim-panazavana

VAOVAO TSARA NATAO HO ANAO!

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. Jereo ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady, ray aman-dreny, ary zanaka.