Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niandry Izy Sady Niambina Hatrany

Niandry Izy Sady Niambina Hatrany

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Niandry Izy Sady Niambina Hatrany

NANIRY hiakatra tany an-tendrombohitra Karmela i Elia, mba hivavaka irery tamin’ilay Rainy any an-danitra. Maro anefa ny olona nanatona azy sy nila ranondranony taminy. Vao avy nanao fahagagana mantsy izy, ka nandatsaka afo avy tany an-danitra. Tsy maintsy niresaka tamin’i Ahaba Mpanjaka koa aloha izy, na dia tsy tiany aza izany.

Tena tsy nitovy i Ahaba sy Elia. I Ahaba nihaingo be sady nanao akanjona mpanjaka. Mpivadi-pinoana sy kanosa izy, ary tsy nety afa-po tamin’izay nananany. I Elia kosa nanao akanjona mpaminany tsotra, vita tamin’ny hodi-biby na volon-drameva na osy. Nanam-pinoana sy be herim-po izy, ary tsy nivadika. Efa ho hariva tamin’izay. Niharihary tamin’io andro io ny tena toetran’ireo lehilahy ireo. *

Tena afa-baraka i Ahaba sy ireo mpivavaka tamin’i Bala. Voaporofo mantsy fa diso ilay fivavahana notohanan’i Ahaba sy Jezebela vadiny, teo amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Niharihary fa sampy tsy mananaina i Bala. Tsy nahavita nandrehitra afo kely akory izy, nefa nitalaho mafy sy nitsinjatsinjaka ary nandratra tena mihitsy ny mpaminaniny. Mendrika ny hovonoina ireo mpanompon’i Bala 450, ary tsy nahasakana izany io andriamani-diso io. Nisy zavatra hafa koa anefa tsy vitany, ary tsy ho ela dia hiharihary izany. Efa telo taona mahery ny mpaminanin’i Bala no nangataka taminy, mba hampitsahatra an’ilay hain-tany nampijaly ny olona. Tsy hainy anefa izany. Hamarana azy io tsy ho ela kosa i Jehovah, ka ho voaporofo fa izy no tena Andriamanitra.—1 Mpanjaka 16:30–17:1; 18:1-40.

Oviana anefa i Jehovah no hanao an’izany? Inona no hataon’i Elia mandra-pahatongan’izay? Ary inona no ianarantsika avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io? Andeha hodinihintsika ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:41-46.

Nazoto nivavaka

Nankany amin’i Ahaba i Elia ary niteny hoe: “Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.” (Andininy 41) Mba efa niova ve ilay mpanjaka ratsy fanahy? Tsy hita tamin’ny teniny mihitsy hoe nibebaka izy, na tsy milaza izany mivantana aza ny Baiboly. Tsy nangataka ny fanampian’i Elia koa izy mba hahazoana ny famelan’i Jehovah. “Niakatra hihinana sy hisotro” fotsiny izy. (Andininy 42) Ary i Elia?

“Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’i Karmela, dia niankohoka tamin’ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ny lohaliny.” Lasa nihinan-kanina i Ahaba, fa i Elia nivavaka tamin’ilay Rainy. Nanetry tena izy satria teo amin’ny tany, sady niondrika be ka nanakaiky ny lohaliny mihitsy ny lohany. Inona no nangatahiny? Azo antoka fa nivavaka izy mba hifaranan’ilay hain-tany, araka ny Jakoba 5:18. Teny an-tampon’i Karmela izy tamin’izay.

Efa nilaza i Jehovah fa “handatsaka ranonorana amin’ny tany.” (1 Mpanjaka 18:1) Nivavaka àry i Elia mba ho tanteraka io sitrapon’ny Rainy io. Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izany koa ny mpianany, arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Matio 6:9, 10.

Mampianatra antsika zavatra maro momba ny vavaka ny ohatr’i Elia. Ny sitrapon’ny Rainy no noeritreretiny voalohany. Rehefa mivavaka koa isika, dia tsara ny mitadidy fa ‘na inona na inona angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia mihaino antsika izy.’ (1 Jaona 5:14) Mazava ho azy fa mila mamantatra ny sitrapony isika, vao afaka mivavaka momba izany. Ilaintsika àry ny mianatra Baiboly tsy tapaka. Azo antoka koa fa tian’i Elia ho tapitra ilay hain-tany, satria nijaly ny mpiara-monina taminy. Velom-pankasitrahana izy rehefa nanao fahagagana i Jehovah. Tokony hieritreritra momba ny hafa sy haneho fankasitrahana koa àry isika rehefa mivavaka.—2 Korintianina 1:11; Filipianina 4:6.

Natoky sady niambina hatrany

Natoky i Elia fa hofaranan’i Jehovah ilay hain-tany, nefa tsy fantany ny fotoana hitrangan’izany. Inona àry no nataony mandra-pahatongan’izay? Hoy ny andininy faha-43: “Hoy izy tamin’ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.” Lesona roa, fara fahakeliny, no ianarantsika avy amin’izany. Voalohany, natoky an’i Jehovah i Elia. Faharoa, niambina hatrany izy.

Niezaka namantatra i Elia hoe efa hanao zavatra ve i Jehovah. Nasainy nitazana àry ny mpanompony, sao mba nisy famantarana teny amin’ny faravodilanitra hoe efa ho avy ny orana. Tsy taitra akory ilay mpanompony rehefa niverina, nanao hoe: “Tsy misy na inona na inona.” Tsy nisy rahona mihitsy angamba ny lanitra. Inona no voamarikao amin’izany? Tadidio fa taloha kelin’izay i Elia no niteny tamin’i Ahaba hoe: “Misasasasa izato ny ranonorana be.” Nahoana izy no nilaza izany, nefa na rahona aza tsy nisy akory?

Mpaminany sy solontenan’i Jehovah i Elia. Fantany àry ny fampanantenan’i Jehovah, ary azony antoka fa ho tanteraka izany. Natoky izy, ka toa henony sahady ny feon’ilay oram-be. Mampahatsiahy antsika ny voalazan’ny Baiboly momba an’i Mosesy izany, hoe: “Tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” Tena misy koa ve Andriamanitra aminao? Nomeny porofo maro be isika, mba hino azy sy hatoky ny fampanantenany.—Hebreo 11:1, 27.

Mariho koa fa niambina hatrany i Elia. Impito izy no naniraka ny mpanompony, fa tsy indray mandeha na indroa! Efa leo mihitsy angamba ilay mpanompo, satria niverimberina foana. I Elia kosa tsy kivy fa niandry ihany sao efa nisy famantarana. Farany dia hoy ilay mpanompo, rehefa avy niverina fanimpitony: “Misy rahona kely hoatra ny tànan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.” (Andininy 44) Alao sary an-tsaina ange ilay mpanompo e! Novelariny ny felatanany, ka nolazainy fa hoatran’iny ny haben’ilay rahona kely niakatra avy teny amin’ny Ranomasina Lehibe. * Tsy taitra akory angamba izy. Tena zava-dehibe tamin’i Elia anefa io rahona io. Nirahiny haingana ilay mpanompony hoe: “Miakara, ka lazao amin’i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ny ranonorana hianao.”

Misy lesona ho antsika koa amin’izany. Tsy ho ela Andriamanitra dia hanatanteraka ny fikasany. Niandry ny faran’ilay hain-tany i Elia, fa isika kosa miandry ny faran’ny rafitr’ity tontolo ratsy ity. (1 Jaona 2:17) Tokony hiambina hatrany toa an’i Elia àry isika, mandra-panaovan’i Jehovah Andriamanitra zavatra. Nanoro hevitra an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy Zanak’Andriamanitra hoe: “Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:42) Midika ve izany fa tsy hahalala na inona na inona momba ny fotoana hahatongavan’ny farany ny mpianany? Tsia, satria efa nohazavainy izay hitranga, rehefa ho avy ny farany. Azontsika tsirairay atao àry ny mianatra an’ireo lafiny amin’ny famantarana “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Matio 24:3-7. *

Ny lafiny tsirairay amin’io famantarana io dia tena mampiaiky fa akaiky ny farany. Mino izany ve isika ka manao zavatra haingana? Rahona kely iray dia efa nahatonga an’i Elia hino fa hanatanteraka ny teniny amin’izay i Jehovah. Tanteraka tokoa ve izay nantenain’ilay mpaminany nahatoky?

Manome fitahiana i Jehovah

Izao no tohin’ilay tantara: “Vetivety dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ny kalesy ka nankany Jezirela.” (Andininy 45) Haingana be mihitsy ilay fiovana. Mandra-pilazan’ny mpanompon’i Elia an’ilay hafatra tany amin’i Ahaba, dia nitombo ilay rahona kely ka nihamainty ny lanitra. Nitsoka mafy avy eo ny rivotra. Nirotsaka teo amin’ny tanin’ny Israely ihany àry ny orana, rehefa afaka telo taona sy tapany. * Lasa oram-be izany ka nahavonto ny tany maina, ary tondraka mihitsy ny reniranon’i Kisona. Azo antoka fa voasasa tamin’izay daholo ny ran’ireo mpaminanin’i Bala novonoina, izay nandoto an’ilay tany. Tokony hofongoran’ny Israelita koa ny fivavahana tamin’i Bala, mba tsy handoto ny firenen’izy ireo.

Izany mihitsy no nantenain’i Elia! Nibebaka ve anefa i Ahaba, ka tsy nivavaka tamin’i Bala intsony? Tena tokony hiova izy, raha jerena izay nitranga tamin’io andro io. Tsy fantatsika aloha hoe inona no tao an-tsainy. Milaza fotsiny ny Baiboly fa ‘niakatra tamin’ny kalesy izy ka nankany Jezirela.’ Mba nandray lesona ve izy, ka tapa-kevitra ny hiova? Hita tamin’izay niseho tatỳ aoriana, fa tsy niova izy. Mbola hisy zavatra hitranga aminy anefa amin’io andro io, ary toy izany koa amin’i Elia.

Nandeha tamin’ilay lalana nalehan’i Ahaba koa i Elia. Efa maizina tamin’izay, nefa lavitra ny diany sady avy ny orana. Nisy fahagagana anefa.

“Ny tànan’i Jehovah dia tao amin’i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan’i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.” (Andininy 46) Nanao fahagagana tamin’i Elia tokoa “ny tànan’i Jehovah.” Lalana 30 kilaometatra mantsy vao tonga tany Jezirela, nefa izy efa antitra. * Eritrereto ange ilay izy e! Naforitr’ilay mpaminany ny akanjony lava, ka nafatony teo amin’ny andilany mba tsy hanelingelina ny tongony. Lasa amin’izay izy nihazakazaka tao anatin’ny oram-be. Tena haingam-pandeha izy, ka tratrany ary nihoarany mihitsy ny kalesin’ny mpanjaka!

Hafakely ilay fitahiana azon’i Elia! Lasa natanjaka sy navitrika be izy, ary mety ho nihoatra lavitra noho ny tamin’izy tanora aza. Nahafinaritra erỳ izao izany! Mampahatsiahy antsika izany fa tena ho salama sy hatanjaka ny olona mahatoky ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy, araka ny faminaniana. (Isaia 35:6; Lioka 23:43) Nankasitrahan’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, tokoa i Elia! Azo antoka fa tsapany mihitsy izany rehefa nihazakazaka tao anaty orana izy.

Maniry hitahy ny mpanompony i Jehovah. Tsy matiantoka mihitsy isika, raha miezaka hahazo izany. Tokony hiambina hatrany toa an’i Elia isika, ka handinika tsara ny porofo fa kely sisa dia hanao zavatra i Jehovah, amin’izao andro feno loza izao. Afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah koa isika, satria izy no “Andriamanitry ny fahamarinana.”—Salamo 31:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Antsoina hoe Ranomasina Mediterane izao ny Ranomasina Lehibe.

^ feh. 17 Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 9, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitana porofo fanampiny hoe tanteraka ankehitriny ny tenin’i Jesosy.

^ feh. 20 Misy mihevitra fa mifanohitra izay lazain’ny Baiboly momba ny faharetan’ilay hain-tany. Jereo ny efajoro, pejy 19.

^ feh. 23 Taoriana kelin’io, dia nasain’i Jehovah nampiofana an’i Elisa i Elia. “Mpanondra-drano ny tànan’i Elia” no nahafantarana an’i Elisa. (2 Mpanjaka 3:11) Mpanompon’i Elia izy, ka niezaka nanampy an’io mpaminany be taona io.

[Efajoro/Sary, pejy 19]

Hafiriana Ilay Hain-tany Tamin’ny Andron’i Elia?

Niteny tamin’i Ahaba i Elia mpaminany, fa efa hifarana ilay hain-tany naharitra ela be. Tapitra “tamin’ny taona fahatelo” izy io, izany hoe telo taona taorian’ny nilazan’i Elia hoe hanomboka ilay izy. (1 Mpanjaka 18:1) Nandrotsaka orana tokoa i Jehovah, fotoana fohy taorian’ny nilazan’i Elia momba izany. Misy àry mihevitra fa tany antenatenan’ny taona fahatelo no avy ny orana, ka telo taona latsaka izany no faharetan’ilay hain-tany. Samy nilaza anefa i Jesosy sy Jakoba, fa naharitra “telo taona sy enim-bolana” ilay hain-tany. (Lioka 4:25; Jakoba 5:17) Mifanohitra àry ve izay lazain’ny Baiboly?

Tsy izany mihitsy. Lava ny vanin-taona tsy misy orana teo amin’ny Israely fahiny, ka mety ho nahatratra enim-bolana. Azo antoka fa efa naharitra kokoa tsy toy ny nahazatra izany, rehefa nilaza tamin’i Ahaba i Elia fa hisy hain-tany. Efa nanomboka enim-bolana teo ho eo izy io, raha ny marina. “Tamin’ny taona fahatelo” taorian’izay, dia nilaza i Elia fa ho tapitra ilay izy. Efa ho telo taona sy tapany ny faharetan’ilay hain-tany tamin’izay. Feno “telo taona sy enim-bolana” izany, tamin’ny fotoana nanatrehan’ny olona rehetra an’ilay fitsapana lehibe teo amin’ny Tendrombohitra Karmela.

Nety tsara ny fotoana nilazan’i Elia hoe hisy hain-tany. Nino mantsy ny olona fa “mpitaingina rahona” i Bala, ka mandrotsaka orana mba hamaranana ny vanin-taona maina. Rehefa naharitra kokoa àry ny fotoana tsy nisy orana, dia nanontany izy ireo hoe: ‘Fa aiza i Bala? Rahoviana izy vao handatsaka orana?’ Nilaza anefa i Elia fa tsy hisy orana na ando mihitsy, raha tsy izy no miteny. Azo antoka fa kivy ratsy ireo mpivavaka tamin’i Bala.—1 Mpanjaka 17:1.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 18]

Hita tamin’ny vavak’i Elia fa tena tiany ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra