Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) NOVAMBRA 2015

Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana

Zato Taona Izay no Nitondra Ilay Fanjakana

“Ilay Andriamanitry ny fiadanana anie hanome anareo ny zavatra tsara rehetra mba hanaovanareo ny sitrapony.”—HEB. 13:20, 21.

HIRA: 136, 14

1. Inona no porofo fa tena zava-dehibe tamin’i Jesosy ilay Fanjakana?

TIA niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Hita ao amin’ny Baiboly fa izy io no tena noresahiny. Injato mahery izy no niresaka azy io nandritra ny fanompoany. Tena zava-dehibe tamin’i Jesosy ilay Fanjakana.—Vakio ny Matio 12:34.

2. Mety ho firy no nanatrika teo rehefa nanome an’ilay baiko ao amin’ny Matio 28:19, 20 i Jesosy?

2 Niseho tamin’ny olona 500 mahery i Jesosy, taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Kor. 15:6) Tamin’izay angamba izy no nanome an’ilay baiko hoe tokony hotorina amin’ny “olona any amin’ny firenena rehetra” ilay Fanjakana. * Asa sarotra ilay izy tamin’izany. Nilaza i Jesosy fa hitohy mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” io asa io, ary izany tokoa no mitranga. Azo antoka fa mandray anjara amin’io  asa io ianao ka manatanteraka an’ilay tenin’i Jesosy.—Mat. 28:19, 20.

3. Inona avy no nanampy antsika hahay hitory ny vaovao tsara?

3 Nampanantena toy izao i Jesosy rehefa avy nandidy ny mpanara-dia azy mba hitory: ‘Homba anareo aho.’ (Mat. 28:20) Izy àry no hitarika an’io asa lehibe io. Manome antsika ny “zavatra tsara rehetra” koa Andriamanitra mba hahavitantsika azy io. (Heb. 13:20, 21) Hiresaka telo amin’izany zavatra tsara izany isika ato: 1) Ny fitaovana nomena antsika, 2) ny fomba nampiasaintsika, ary 3) ny fampiofanana azontsika. Hodinihintsika aloha ny fitaovana sasany nampiasaintsika tato anatin’ny 100 taona.

INONA AVY NY FITAOVANA NOMEN’ILAY MPANJAKA ANTSIKA?

4. Nahoana isika no mampiasa fitaovana samihafa rehefa mitory?

4 Nilaza i Jesosy hoe toy ny voa afafy eny amin’ny tany isan-karazany “ny teny momba ilay fanjakana.” (Mat. 13:18, 19) Mety hampiasa fitaovana samihafa ny mpamboly, mba hampahalemy ny tany. Toy izany koa fa nanome fitaovana samihafa ilay Mpanjakantsika, mba hahaizantsika hanohina fon’olona an-tapitrisany ka hihainoany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Am-polony taona ihany no nandaitra ny fitaovana sasany, fa ny hafa kosa mbola mandaitra hatramin’izao. Manampy antsika hahay hitory daholo anefa ireny fitaovana ireny.

5. Inona ilay karatra fitoriana, ary ahoana no nampiasana azy?

5 Anisan’ny nanampy olona maro hitory ny karatra fitoriana. Tamin’ny 1933 izy io no nanomboka nampiasaina. Mitovitovy habe amin’ilay taratasy fanaovantsika tatitra momba ny fanompoana izy io, ary misy fanazavana fohy avy ao amin’ny Baiboly. Nisy karatra vaovao miresaka foto-kevitra hafa, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy sarotra ny nampiasa an’ilay izy. Folo taona teo ho eo i Charles Erlenmeyer tamin’izy nampiasa voalohany an’io karatra io. Hoy izy: “Nasaina niteny izahay hoe: ‘Mba azonao vakina ve ity karatra ity?’ Rehefa voavakin’ny olona ilay izy, dia nanolotra boky na gazety izahay, ary lasa.”

6. Inona no nahatsara ny karatra fitoriana?

6 Inona no nahatsara ny karatra fitoriana? Nisy mpitory tena te hitory, saingy saro-kenatra ka tsy nahita holazaina. Ny hafa indray be resaka loatra. Tiany horesahina tao anatin’ny fotoana fohy daholo ny zavatra fantany, nefa tsy tena nahay nandanjalanja izy indraindray. Tsy nila niteny be kosa ilay mpitory rehefa nampiasa karatra fitoriana, satria fohy sy mazava tsara ny fanazavana tao.

7. Inona no olana hitan’ny mpitory sasany nampiasa an’ilay karatra?

7 Nisy olana anefa. Hoy i Grace Estep, Vavolombelona efa ela: “Nanontany anay ny olona indraindray hoe: ‘Fa maninona raha teneninareo fotsiny izay voalaza ao e?’ ” Nisy koa tsy nahay namaky teny. Ny hafa indray nieritreritra hoe homena azy ilay karatra, ka tonga dia nalainy teny amin’ilay mpitory ilay izy ary nakatony ny tranony. Nisy koa tsy tia an’izay voalaza tao, ka norovitiny ilay izy. Nanampy an’ireo rahalahintsika hianatra hitory anefa ilay karatra, sady nanampy azy ireo hampahafantatra hoe mpitory momba ilay Fanjakana izy ireo.

8. Ahoana no nampiasana ny grafofaonina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Nampiasa grafofaonina koa isika, taorian’ny 1930. Nantsoin’ny mpitory sasany hoe Arona ilay izy, satria tsy nila niteny be  ry zareo fa ilay izy no nalefa. (Vakio ny Eksodosy 4:14-16.) Niera tamin’ilay olona aloha ilay mpitory. Nandefa lahateny ara-baiboly naharitra dimy minitra latsaka izy avy eo, ary nanolotra boky na gazety. Fianakaviana manontolo indraindray no niara-nitangorona mba hihaino an’ilay izy. Nanomboka nanamboatra grafofaonina natao hitoriana ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1934. Nisy 92 ny lahateny noraisim-peo nalefantsika tamin’ny grafofaonina.

9. Inona no vokany rehefa nampiasa grafofaonina ny mpitory?

9 Nihaino lahateny tamin’ny grafofaonina ny lehilahy iray atao hoe Hillary Goslin. Tiany hohenoin’ny mpiray tanàna taminy koa ilay izy, ka nindraminy tamin’ilay mpitory. Tonga haka an’ilay izy ilay mpitory rehefa afaka herinandro, ka efa nisy olona liana maromaro niandry azy. Nanokan-tena ho an’i Jehovah ny sasany tamin’ireo, tatỳ aoriana. Nanao Sekolin’i Gileada koa ny zanak’i Hillary roa vavy, ary lasa misionera. Nitovy tamin’ny karatra fitoriana ihany ny grafofaonina, satria nanampy ny mpitory hianatra hitory. Nampian’ilay Mpanjaka ny vahoakany, tatỳ aoriana, mba hahita holazaina rehefa mitory. Tamin’ny alalan’ny Sekolin’ny Fanompoana no nanaovany an’izany.

NAHITA FOMBA ISAN-KARAZANY MBA HITORIANA

10, 11. Ahoana no nampiasana ny gazety sy ny radio mba hitoriana ny fahamarinana, ary nahoana izany no nandaitra?

10 Nampian’ilay Mpanjaka ny vahoakan’Andriamanitra, ka nahita fomba samihafa hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Tena nilaina izany, indrindra tamin’ny mbola ‘vitsy ny mpiasa.’ (Vakio ny Matio 9:37.) Gazety no nampiasaina mba hitoriana, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Be dia be àry no nandre ny vaovao tsara, na dia tany amin’ny toerana vitsy mpitory aza. Nandefa toriteny iray isan-kerinandro tany amin’ny fikambanana mpanangom-baovao i Charles Russell. Io fikambanana io indray avy eo no nampiely an’ilay toriteny tany amin’ny gazety tany Etazonia sy Kanada ary Eoropa. Nivoaka tamin’ny gazety 2 000 ny toritenin’ny Rahalahy Russell tamin’ny 1913, ka olona 15 000 000 teo ho eo no namaky an’izany.

11 Nahita fomba hafa hitoriana ny vaovao tsara ny fandaminana, rehefa maty ny Rahalahy Russell. Nanao lahateny tao amin’ny radio i Joseph Rutherford ny 16 Aprily 1922, ary olona 50 000 teo ho eo no nahare an’izany. Nanangana radio nantsoina hoe WBBR ny fandaminana avy eo, ary tamin’ny 24 Febroary 1924 izy io no nandeha voalohany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1924: “Ny radio hatreto no tsy mandany vola indrindra, sady tena mandaitra mba hitoriana ny fahamarinana.” Toy ny gazety ihany ny radio satria nahafahana nitory tamin’ny olona be dia be, tany amin’ny toerana tsy dia be mpitory.

Maro ny mpitory manao fitoriana ampahibemaso sy mampirisika ny olona hijery an’ilay tranonkalantsika jw.org (Fehintsoratra 12, 13)

12. a) Inona avy no karazana fitoriana ampahibemaso tianao indrindra? b) Inona no hanampy antsika tsy hatahotra hitory ampahibemaso?

12 Ny fitoriana ampahibemaso izao no tena ampirisihina hataontsika, ka anisan’izany ny fitoriana eny amin’ny fiandrasana bisy, gara, parking, zaridainam-bahoaka, ary tsena. Matahotahotra ve ianao rehefa manao an’ireo? Mivavaha ary saintsaino ny tenin’i Angelo Manera, mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maro. Hoy izy: “Isaky ny nisy fomba fitory vaovao, dia noraisinay ho fomba vaovao hanompoana  an’i Jehovah ilay izy, sady nohararaotinay hanaporofoana fa tsy mivadika aminy izahay. Vonona hankatò azy foana izahay, na inona na inona nasainy nataonay.” Miezaha àry hanandrana fomba fitory vaovao, fa aza mianina amin’izay efa mahazatra anao. Hanampy anao hatoky an’i Jehovah sy hino azy izany, ka vao mainka ianao ho akaiky azy.—Vakio ny 2 Korintianina 12:9, 10.

13. Nahoana no mety tsara mba hitoriana ilay tranonkalantsika jw.org? Efa nampirisika ny olona hijery azy io ve ianao? Tantarao.

13 Maro ny mpitory mampirisika ny olona hijery an’ilay tranonkalantsika jw.org. Misy lahatsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny 700 mahery ao, ary azon’ny olona atao ny mamaky sy maka an’izany. Olona 1 600 000 mahery isan’andro no mijery ny tranonkalantsika. Mitovy amin’ny radio ihany izy io, satria manampy ny olona hahafantatra ny vaovao tsara, na dia any amin’ny toerana tena mitokana aza.

AMPIOFANINA MBA HAHAY HITORY

14. Inona no fampiofanana nilain’ny mpitory, ary inona no manampy azy ireo hahay hampianatra?

14 Vao santionany monja amin’ireo fitaovana sy fomba nampiasaina mba hitoriana ny vaovao tsara ireo hitantsika teo ireo. Inona kosa ny fampiofanana azontsika? Ahoana, ohatra, raha nahaliana ny olona ny zavatra novakiny tao amin’ilay karatra fitoriana? Ary raha notoheriny ny zavatra henony tamin’ny grafofaonina? Mila ampianarina ny mpitory hoe ahoana no tokony hatao rehefa misy manohitra. Tokony ho fantany koa hoe ahoana no hampianarana ny olona liana. Hitan’i Nathan Knorr àry fa mila ampiofanina ny mpitory. Azo inoana fa ny fanahin’Andriamanitra no nanampy azy hahita an’izany. Dia inona no natao? Nasiana an’ilay hoe Sekolin’ny Fanompoana tany amin’ny fiangonana, nanomboka tamin’ny 1943. Manampy antsika hahay hampianatra Baiboly izy io.

15. a) Inona no nitranga tamin’ny olona sasany rehefa nanao Sekolin’ny Fanompoana? b) Inona no zavatra niainanao ka manaporofo fa marina ny Salamo 32:8?

15 Elaela ny olona maro vao zatra miteny eo imason’olona be dia be. Tamin’ny 1944, ohatra, i Julio Ramu no nanao sekoly voalohany. Ny momba an’i Doega, lehilahy iray ao amin’ny Baiboly, no nasaina noresahiny. Andininy dimy monja anefa no miresaka azy io, ary ireo andininy ireo ihany no azony nampiasaina. Nitantara i Julio hoe: “Nangovitra ny lohaliko sy ny tanako, dia nifampikatrokatroka ny nifiko.” Hoy ihany izy: “Telo minitra dia vitako ilay  lahateniko. Nanahirana ahy iny anjarako voalohany iny, nefa tsy kivy aho.” Nahazo nanao an’ilay sekoly koa ny ankizy. Tsy mora tamin’ny ankizy sasany anefa ny niteny teo imason’olona be dia be. Nitantara i Angelo Manera, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe nisy ankizilahikely vao niditra nianatra nefa sambany vao nanao sekoly. Hoy i Angelo: “Natahotra be izy, ka vao niteny dia nifokofoko nitomany. Novitainy hatramin’ny farany anefa ny lahateniny sady nitomany izy mandra-pahavitan’ilay izy.” Tsy sahy manome valin-teny na manao sekoly angamba ianao, satria menatra na mieritreritra hoe tsy ho vitanao ilay izy. Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao tsy hatahotra intsony. Matokia fa hanampy anao izy, toy ny nanampiany an’ireo nandray anjara voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana.—Vakio ny Salamo 32:8.

16. a) Inona no tanjon’ny Sekolin’i Gileada? b) Natao ho an’iza izy io nanomboka tamin’ny 2011?

16 Tsy ny Sekolin’ny Fanompoana ihany no sekoly ampiofanana ny vahoakan’i Jehovah. Eo koa ny Sekolin’i Gileada. Tena nandray soa izay misionera sy mpitory hafa efa nanatrika azy io. Nilaza ny mpampianatra iray ao amin’io sekoly io hoe ‘natao handrisihana an’ireo mpianatra hazoto kokoa hitory ny vaovao tsara’ ilay sekoly. Tamin’ny 1943 no nisy voalohany ny Sekolin’i Gileada, ary 8 500 mahery no efa nanao azy io. Voatendry tany amin’ny tany 170 teo ho eo izy ireo. Nanomboka tamin’ny 2011, dia izay efa mpanompo manontolo andro manokana ihany no asaina hanao an’io sekoly io, izany hoe ny mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany, Betelita, ary izay misionera mbola tsy nanao azy io.

17. Inona no manaporofo fa nisy vokany tsara ny Sekolin’i Gileada?

17 Nisy vokany tsara ny Sekolin’i Gileada. Manaporofo an’izany ny zava-nitranga tany Japon. Tsy ampy folo akory ny mpitory tany, tamin’ny Aogositra 1949. Nandefasana misionera 13 avy niofana tany Gileada anefa tany, tamin’ny faramparan’ny 1949. Efa 216 000 eo ho eo izao ny mpitory any Japon, ary efa ho ny 42 isan-jaton’izy ireo no mpisava lalana!

18. Milazà sekoly hafa natao hanampiana antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah.

18 Mbola eo koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny, ary ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Tena manampy ny mpitory hifandray akaiky amin’i Jehovah sy hahay hampianatra ireo sekoly ireo. Mbola mampiofana antsika tokoa ilay Mpanjakantsika!

19. Inona no efa tsinjon’i Charles Russell momba ny asa fitoriana, ary inona no porofo fa marina ny teniny?

19 Efa 100 taona mahery izay no nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola mampiofana antsika foana i Jesosy Kristy Mpanjakantsika. Efa tsinjon’i Charles Russell, taloha kelin’ny nahafatesany tamin’ny 1916, fa handroso be ny asa fitoriana. Hoy izy tamin’ny namany iray: “Mitombo haingana ny asa, ary vao mainka hitombo, satria maneran-tany no tokony hitoriana ny ‘vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ ” (Finoana Mandroso, anglisy, nosoratan’i A. Macmillan, p. 69) Marina tokoa ny teniny! Tena faly isika satria mbola manampy antsika hahavita tsara an’io asa mahafinaritra be io ilay Andriamanitry ny fiadanana. Omeny antsika tokoa ny “zavatra tsara rehetra” ilaintsika mba hanaovana ny sitrapony.

^ feh. 2 Azo inoana fa lasa Kristianina ny ankamaroan’ireo olona 500 ireo tatỳ aoriana. Nantsoin’i Paoly hoe “rahalahy” mantsy izy ireo ao amin’ilay andininy. Hoy ihany izy: “Mbola velona ankehitriny ny ankamaroany, fa ny sasany kosa efa nodimandry.” Mety ho mbola nifanerasera tamin-dry Paoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany koa àry ny maro tamin’izy ireo.