NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Febroary 2013
Horesahina ato ny lova sarobidy ananantsika vahoakan’i Jehovah. Hazavaina ato koa hoe inona no tokony hataontsika mba hijanonana foana ao amin’ilay lohasaha nataon’i Jehovah hiarovana antsika.
Inona avy ny Lovantsika Ara-panahy?
Vakio ato hoe inona no nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona sy ny vahoakany. Hanampy anao izany mba hankasitraka kokoa ny lovantsika ara-panahy.
Mankasitraka ny Lovantsika Ara-panahy ve Ianao?
Ho tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ianao, rehefa mahafantatra sy mankasitraka an’ireo lovantsika ara-panahy.
Nandre ny Vaovao Tsara ny Mpiambina ny Mpanjaka
Nahay nanararaotra nitory foana i Paoly. Ho hitanao ato hoe ahoana no ahafahanao manahaka azy.
Mijanòna eo Amin’ilay Lohasaha Nataon’i Jehovah Hiarovana Antsika
Inona ilay lohasaha nataon’i Jehovah hiarovana antsika, ary inona no tokony hataontsika mba hahazoana fiarovana ao amin’izy io?
Mitandrema fa Mamitaka ny Fo
Mety hamitaka antsika ny fontsika, ka hitady fialan-tsiny isika mba hanaovana zavatra ratsy. Ho hitanao ato hoe inona no hanampy antsika hahafantatra izay tena ao am-pontsika.
Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah
Inona no azonao atao mba hahazoana voninahitra avy amin’i Jehovah? Inona no mety hisakana anao tsy hahazo azy io? Horesahina ato izany.
Havan’i Kaiafa Izy
Nanome porofo ny fahitana ny vatam-patin’i Miriama fa tena nisy ireo olona resahin’ny Baiboly, ary tena nisy ny fianakaviana niavian’izy ireo.
FANTARO NY TANTARANTSIKA
Tonga Tamin’ny Fotoana Nety Ilay Fampisehoana An-tsary
Ho hitanao ato hoe nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina hiatrika an’ireo fitsapana tamin’ny Ady Lehibe II ny “Fampisehoana Momba ny Famoronana.”

