Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  FEBROARY 2013

Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah

Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah

‘Izay manetry tena no hahazo voninahitra.’—OHAB. 29:23.

1, 2. a) Inona no dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny teny hoe “voninahitra”? Olona mahazo dera sy voninahitra noho ny harenany, na ny fahaizany, na ny zava-bitany ve? Sa ve ny voninahitr’Andriamanitra hita eo amin’ny zavaboary? (Sal. 19:1) Ny teny hebreo nadika hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly, dia midika koa hoe mavesatra. Nisy vidiny ny vola fahiny rehefa navesatra. Vita tamin’ny volafotsy sy volamena mantsy ny vola, ka arakaraka ny nampahavesatra azy no nampisy vidiny azy. Lasa nanana heviny an’ohatra àry ilay teny hoe mavesatra, ka nidika hoe sarobidy, tena tsara, na tena miavaka.

2 Matetika isika no mieritreritra hoe tena miavaka ny olona iray, rehefa manana fahefana, na toerana ambony, na malaza. Inona anefa no jeren’Andriamanitra amin’ny olona? Olona manao ahoana no omeny voninahitra? Hoy ny Ohabolana 22:4: “Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” Nanoratra toy izao koa i Jakoba mpianatra: “Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah, dia hanandratra anareo izy.” (Jak. 4:10) Inona àry ilay voninahitra omen’i Jehovah ny olombelona? Inona no mety hisakana antsika tsy hahazo azy io? Ary ahoana no azontsika anampiana ny hafa mba hahazo an’io voninahitra io?

3-5. Amin’ny fomba ahoana no anomezan’i Jehovah voninahitra antsika?

3 Nilaza ny mpanao salamo hoe nandray ny tanany ankavanana i Jehovah. Natoky izy fa hitarika azy i Jehovah ka hanome azy ny tena voninahitra. (Vakio ny Salamo 73:23, 24.) Ahoana no fomba anomezan’i Jehovah voninahitra ny mpanompony? Ankasitrahany izy ireo, ary omeny fitahiana amin’ny fomba maro. Ampiany, ohatra, izy ireo mba hahatakatra ny sitrapony. (1 Kor. 2:7) Avelany hifandray akaiky aminy  koa izay olona mihaino ny teniny sy mankatò azy.—Jak. 4:8.

4 Manankina harena sarobidy amin’ny mpanompony koa izy, dia ny fitoriana ny vaovao tsara. (2 Kor. 4:1, 7) Mampanantena i Jehovah fa homeny voninahitra izay manao an’io fanompoana io mba hiderana azy sy hahasoa ny hafa. Hoy izy: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.” (1 Sam. 2:30) Lasa manana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah ny olona manao toy izany sady tsara laza eo anivon’ny fiangonana.—Ohab. 22:1; 31:30.

5 Tsy vitan’izany fa hanana hoavy tena tsara izay ‘manantena an’i Jehovah sy manaraka ny lalany.’ Hoy ny Baiboly: “Hanandratra anao [i Jehovah] ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.” (Sal. 37:34) Manantena hiaina mandrakizay ny mpanompon’i Jehovah, ary voninahitra tsy manan-tsahala izany.—Sal. 37:29.

“TSY MANDRAY VONINAHITRA OMEN’OLONA AHO”

6, 7. Nahoana ny olona maro no tsy nety nino an’i Jesosy?

6 Inona no mety hisakana antsika tsy hahazo voninahitra amin’i Jehovah? Mety tsy hahazo an’izany isika, ohatra, raha zava-dehibe be amintsika ny fomba fihevitry ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra. Diniho izay nosoratan’ny apostoly Jaona momba ny olona ambony sasany tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy izy: ‘Maro tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy no nino an’i Jesosy. Fa noho ny Fariseo dia tsy niaiky ny amin’izany ireo, sao ho voaroaka hiala amin’ny synagoga. Naleon’izy ireo mantsy ny voninahitra avy tamin’ny olona toy izay ny voninahitra avy tamin’Andriamanitra.’ (Jaona 12:42, 43) Tsara kokoa anefa raha tsy nieritreritra be an’izay hoheverin’ny Fariseo ireo olona ambony ireo.

7 Nohazavain’i Jesosy hoe nahoana ny olona maro no tsy nandray tsara azy sy tsy nino azy. (Vakio ny Jaona 5:39-44.) Efa niandry ny Mesia nandritra ny taonjato maro ny firenen’Israely, tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany. Angamba fantatr’izy ireo avy tamin’ny faminanian’i Daniela hoe efa ho tonga ny Mesia tamin’izay. Rehefa nitory aza i Jaona Mpanao Batisa, volana vitsivitsy talohan’izay, dia maro no nieritreritra fa izy no Mesia. (Lioka 3:15) Inona anefa no nitranga rehefa tonga ny Mesia? Tsy nino azy ny olona nahafantatra tsara ny Soratra Masina. Nohazavain’i Jesosy azy ireo ny antony. Hoy izy: “Ahoana moa no hinoanareo, nefa ianareo aza mandray voninahitra avy aminareo samy ianareo ihany, ary tsy mitady ny voninahitra avy amin’ilay Andriamanitra tokana?”

8, 9. Ahoana no mety hahatonga ny voninahitra avy amin’ny olona ho zava-dehibe kokoa noho ny voninahitra avy amin’Andriamanitra? Hazavao amin’ny ohatra.

8 Raha tsy mitandrina isika, dia ny voninahitra avy amin’ny olona no ho zava-dehibe kokoa amintsika noho ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Haka ohatra momba ny kintana isika. Mahafinaritra erỳ ny mijery an’ireo kintana maro be eny amin’ny lanitra amin’ny alina tsy semban-drahona. Azo inoana fa talanjona ianao mahita ny hakanton’izy ireny. (1 Kor. 15:40, 41) Ahoana anefa no fahitanao an’ireny kintana ireny, raha eny amin’ny arabe feno jiro ianao no mijery azy? Tsy ho hitanao tsara ireo kintana. Midika ve izany fa mahery kokoa na tsara tarehy kokoa noho ny hazavan’ny kintana ny hazavan’ny jiro eny amin’ny arabe? Tsia! Tsy hitanao tsara kosa ireo kintana, satria akaiky kokoa anao ireo jiro eny amin’ny arabe, sady misakana anao tsy hahita tsara ny zavaboarin’i Jehovah. Mila miala lavitra an’ireo jiro eny amin’ny arabe ianao, vao hahita ny hakanton’ireo kintana eny amin’ny lanitra.

9 Toy izany koa fa raha ny voninahitra avy amin’ny olona no “akaiky be” antsika, izany hoe tiantsika kokoa, dia mety tsy hankasitraka an’ilay voninahitra maharitra omen’i Jehovah isika, ary mety tsy hiezaka hahazo azy io koa. Olona maro no matahotra an’izay hoeritreretin’ny namany sy ny fianakaviany, ka tsy manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mety hitady voninahitra avy amin’ny olona koa ve anefa, na dia  ny olona efa nanokan-tena ho an’i Jehovah aza? Mety hitranga izany! Aoka hatao hoe asaina hitory ao amin’ny faritany iray be olom-pantany ny tanora kristianina iray, ary tsy dia fantatry ny olona ao izy hoe Vavolombelon’i Jehovah. Vonona hitory ao amin’ilay faritany ve izy sa hatahotra? Mety hitranga koa ny hoe te hampitombo ny fanompoany ny Kristianina iray, nefa esoin’ny olona izy noho izany tanjony izany. Ahoana no hataony? Havelany hampiova hevitra azy ve ny olona tsy miraharaha ny fanompoana an’i Jehovah? Ary ahoana indray no mety hataon’ny Kristianina iray, raha nanao fahotana lehibe izy? Hanafina ny nataony ve izy, satria matahotra sao hesorina aminy ny andraikiny, na satria tsy te handiso fanantenana ny namany sy ny fianakaviany izy? Raha ny hihavana amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminy, dia “hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana” izy, ary hangataka fanampiana amin’izy ireo.—Vakio ny Jakoba 5:14-16.

10. a) Inona no mety hitranga, raha mieritreritra be loatra momba ny fiheveran’ny olona antsika isika? b) Inona no azontsika antoka raha manetry tena isika?

10 Misy toe-javatra hafa mety hitranga koa ireto: Mety ho efa mihamatotra ara-panahy ianao, nefa misy Kristianina iray manoro hevitra anao. Ahoana no hataonao? Mety tsy hanaiky an’ilay torohevitra ianao, raha mihevi-tena ho ambony, na tsy te ho afa-baraka, na te hanala tsiny an’ilay tsy mety nataonao. Handray soa kosa anefa ianao, raha manaiky torohevitra. Ary ahoana indray raha miara-manao asa iray amin’ny mpiara-manompo aminao ianao? Hisy vokany eo amin’ny fiaraha-miasanareo ve ny fanahiana hoe sao dia ilay namanao no hahazo dera amin’ny olona, nefa ianao no nahita hevitra tsara sy niasa mafy? Raha mitranga aminao ireo, dia tsarovy fa ‘izay manetry tena no hahazo voninahitra.’—Ohab. 29:23.

11. Inona no tokony hosaintsainintsika rehefa misy midera antsika? Ary nahoana isika no mila misaintsaina toy izany?

11 Mila mitandrina koa ny mpiandraikitra sy ireo rahalahy “miezaka ho tonga mpiandraikitra” mba tsy hitady voninahitra avy amin’olona. (1 Tim. 3:1; 1 Tes. 2:6) Ahoana no tokony hataon’ny rahalahy iray, raha misy midera azy noho izy nahavita zavatra tsara? Tsy tokony hisarika ny saina ho amin’ny tenany izy, toy ny nataon’i Saoly Mpanjaka, izay nanorina tsangambato hahatsiarovana ny tenany. (1 Sam. 15:12) Tokony hiaiky izy hoe raha tsy nampian’i Jehovah izy tsy nahavita zavatra, ary mbola miankina amin’ny fitahian’i Jehovah sy ny fanampiany no hahavitany zavatra hafa amin’ny hoavy. (1 Pet. 4:11) Izay tsapantsika ao anatintsika ao rehefa misy midera antsika no ahafantarana hoe voninahitra avy amin’iza no tadiavintsika.—Ohab. 27:21.

“IZAY IRIN’NY RAINAREO NO TIANAREO HATAO”

12. Inona no nahatonga ny Jiosy sasany tsy hihaino an’i Jesosy?

12 Mety hisakana antsika tsy hahazo voninahitra avy amin’Andriamanitra koa ny faniriantsika. Mety hanakana antsika tsy hihaino ny fahamarinana ny faniriana ratsy. (Vakio ny Jaona 8:43-47.) Nilaza tamin’ny Jiosy sasany i Jesosy hoe tsy nety nihaino ny hafatra nentiny izy ireo, satria te hanatanteraka ny fanirian’ny Devoly, rain’izy ireo.

13, 14. a) Inona no hitan’ny mpikaroka momba ny atidohantsika, rehefa mihaino feon’olona? b) Miankina amin’ny inona no hifidianantsika izay feo hohenointsika?

13 Ny zavatra tiantsika ho re ihany no henointsika matetika. Minia tsy mahalala na tsy mihaino ny zavatra sasany ny olona, noho ny faniriany. (2 Pet. 3:5) Nataon’i Jehovah manana fahaizana miavaka ny atidohantsika, ka tsy miraharaha ny feo sasany izy io. Fa miatoa kely ange e! Dia henoy hoe firy ny feo renao manodidina anao. Renao daholo ve izany teo? Azo inoana fa tsy tandrintandrinao ny feo sasany. Nanampy anao hifantoka tamin’ny feo tokana mantsy ny atidohanao, na dia afaka mandre feo isan-karazany aza ianao. Hitan’ny mpikaroka anefa fa sarotra kokoa amintsika ny mihaino feo maromaro, raha feon’olombelona ilay izy. Midika izany hoe raha mahare feon’olona roa indray miteny ianao, dia tsy maintsy misafidy hoe iza  no hifantohanao. Miankina amin’izay feo tianao ho re ny safidy hataonao. Izay no nahatonga ny Jiosy tsy hihaino an’i Jesosy. Te hanatanteraka ny fanirian’ny Devoly izy ireo.

14 Oharina amin’ny olona ny fahendrena ao amin’ny Baiboly, ary oharina amin’ny olona tsisy saina ny hadalana. (Ohab. 9:1-5, 13-17) Toy ny hoe miantsoantso tsy misy farany izy ireo, mba hahatonga antsika hihaino azy. Manana safidy àry isika: Na hanaraka ny fahendrena, na ny hadalana. Iza no henointsika? Ny valiny dia miankina amin’ny hoe ny sitrapon’i Jehovah sy Jesosy ve no tiantsika hatao, sa ny an’ny Devoly. Raha ondrin’i Jesosy isika, dia hihaino ny feony ary hanaraka azy. (Jaona 10:16, 27) ‘Hiandany amin’ny marina’ isika, ary ‘tsy hahafantatra ny feon’ny olona tsy fantatra.’ (Jaona 10:5; 18:37) Hanetry tena isika ka hahazo voninahitra.—Ohab. 3:13, 16; 8:1, 18.

‘VONINAHITRA HO ANAREO IZY IRENY’

15. Nahoana no lazaina fa “voninahitra” ho an’ny hafa ny fahoriana nanjo an’i Paoly?

15 Afaka manampy ny hafa mba hahazo voninahitra koa isika, raha miaritra ka manao ny sitrapon’i Jehovah foana. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonan’i Efesosy i Paoly: “Mangataka anareo aho mba tsy ho kivy amin’ireny fahoriana nanjo ahy noho ny aminareo ireny. Voninahitra ho anareo mantsy izy ireny.” (Efes. 3:13) Nahoana i Paoly no nilaza hoe “voninahitra” ho an’ireo Efesianina ny fahoriana nanjo azy? Satria rehefa hitan’izy ireo hoe nanao fanompoana ho azy ireo foana i Paoly, na dia niharam-pitsapana aza, dia takatr’izy ireo tsara fa sarobidy tsy misy toy izany ny tombontsoa ananan’izy ireo noho izy ireo Kristianina. Ahoana anefa raha toa i Paoly ka tsy niaritra rehefa niharam-pitsapana? Tsy ho nieritreritra ve ireo Efesianina hoe tsy misy dikany ny fifandraisana amin’i Jehovah sy ny fanompoana ary ny fanantenan’izy ireo? Niaritra foana anefa i Paoly, ka nasehony tamin’izany hoe tombontsoa be ny manara-dia an’i Kristy, ary mendrika hanaovana ny sorona rehetra.

16. Inona no nanjo an’i Paoly tao Lystra?

16 Misy ohatra hafa koa ity. Hoy ny Asan’ny Apostoly 14:19, 20: “Nandresy lahatra ny vahoaka ny Jiosy tonga avy any Antiokia sy Ikonioma, ka nitora-bato an’i Paoly sady nitaritarika azy ho eny ivelan’ny tanàna [Lystra], satria noheveriny fa maty izy. Rehefa nanodidina an’i Paoly anefa ny mpianatra, dia niarina izy ary niditra tao an-tanàna. Ary ny ampitson’iny, dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.” Eritrereto hoe naratra mafy efa saika maty i Paoly, nefa ny ampitson’iny dia efa lasa indray nanao dia an-tongotra 100 kilaometatra!

17, 18. a) Ahoana no mety ho nahalalan’i Timoty ny zavatra nanjo an’i Paoly tao Lystra? b) Inona no vokatry ny fiaretan’i Paoly, teo amin’i Timoty?

17 Nisy vokany tsara tamin’ny hafa anefa ny zotom-pon’i Paoly sy ny fiaretany. Mety ho anisan’ireo “mpianatra” tonga nanampy an’i Paoly tany Lystra i Timoty, na dia tsy milaza mazava  an’izany aza ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Nahoana isika no milaza izany? Diniho izay nosoratan’i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty. Hoy izy: ‘Ianao efa nanaraka akaiky ny fampianarako, sy ny fomba fiainako, ary ny zavatra nanjo ahy.’ Fantatr’i Timoty ‘ny karazam-panenjehana nozakain’i Paoly, ny nanjo azy tany Antiokia [rehefa noroahina hiala tao izy], sy tany Ikonioma [rehefa nisy olona nitady hitora-bato azy tany], ary tany Lystra [rehefa notoraham-bato izy tany].’—2 Tim. 3:10, 11; Asa. 13:50; 14:5, 19.

18 “Nanaraka akaiky” an’ireo zava-nitranga ireo i Timoty, ka fantany tsara fa niaritra i Paoly. Tena nisy vokany taminy àry izany rehetra izany. Efa lasa Kristianina fakan-tahaka izy, rehefa niverina tao Lystra i Paoly. “Tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.” (Asa. 16:1, 2) Nahafeno fepetra hanao andraikitra lehibe izy, rehefa nandeha ny fotoana.—Fil. 2:19, 20; 1 Tim. 1:3.

19. Inona no mety ho vokany eo amin’ny hafa, raha miaritra foana isika?

19 Mety hisy vokany tsara amin’ny hafa koa ny fiezahantsika manao ny sitrapon’i Jehovah, na dia tsy mora aza izany. Mety hisy vokany amin’ny tanora sy ny ankizy ny ohatra omentsika, ka hahavita zavatra tena tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireny rehefa lehibe. Mandinika antsika izy ireny, ary miana-javatra avy amin’ny fomba firesatsika amin’ny olona itoriantsika, sy ny fahaizana hafa ananantsika eny amin’ny fanompoana. Miana-javatra koa anefa izy ireny, rehefa mahita ny fomba iatrehantsika an’ireo olana eo amin’ny fiainana. ‘Niaritra ny zava-drehetra’ i Paoly, mba hahatonga an’ireo olona tsy mivadika hahazo famonjena sy voninahitra mandrakizay.—2 Tim. 2:10.

Miana-javatra ny tanora sy ny ankizy, rehefa mahita ny fiaretan’ireo zokiolona

20. Nahoana isika no tokony hiezaka foana hahazo ny voninahitra avy amin’Andriamanitra?

20 Tena tokony hiezaka àry isika mba hanao zavatra hahazoana ‘voninahitra amin’Andriamanitra.’ (Jaona 5:44; 7:18) Omen’i Jehovah “fiainana mandrakizay” izay manao izany. (Vakio ny Romanina 2:6, 7.) Raha “maharitra manao ny tsara” koa isika, dia handrisika ny hafa mba tsy hivadika, ka handray soa mandrakizay izy ireo. Aza avela hisy na inona na inona àry hisakana anao tsy hahazo an’ilay voninahitra omen’Andriamanitra!