Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Febroary 2013

Mankasitraka ny Lovantsika Ara-panahy ve Ianao?

Mankasitraka ny Lovantsika Ara-panahy ve Ianao?

‘Nihevitra ny hafa firenena Andriamanitra, mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.’—ASA. 15:14.

1, 2. a) Inona ilay “trano rantsankazon’i Davida”, ary ahoana no nanorenana indray azy io? b) Iza no manompo an’i Jehovah ankehitriny?

NISY fivoriana niavaka nataon’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema tamin’ny taona 49. Nilaza toy izao i Jakoba mpianatra tamin’izay: ‘Efa notantarain’i Simeona [Petera] tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena, mba hangalany olona avy amin’izy ireo mba hitondra ny anarany.’ Nilaza koa i Jakoba fa nanatanteraka ny voalazan’ny Mpaminany izany, dia ilay hoe: “Aorian’izany, dia hiverina aho [Jehovah] ka hanorina indray ny trano rantsankazon’i Davida izay efa nirodana. Ary haoriko indray ny sisa tsy rava taminy ka hatsangako, mba hitady mafy an’i Jehovah ny olona sisa, miaraka amin’ireo avy amin’ny firenena rehetra, izany hoe ireo olona antsoina amin’ny anarako, hoy i Jehovah.”—Asa. 15:13-18.

2 Nirodana ny “trano rantsankazon’i Davida”, izany hoe ny mpanjaka avy amin’ny taranak’i Davida, rehefa nesorina teo amin’ny fitondrana i Zedekia Mpanjaka. (Amosa 9:11) Milaza anefa ilay faminanian’i Amosa, nolazain’i Jakoba, fa mbola ‘haorina io trano rantsankazo io.’ Midika izany fa hisy mpanjaka taranak’i Davida mbola hipoitra. Tsy iza izany fa i Jesosy, izay mpanjaka mandrakizay. (Ezek. 21:27; Asa. 2:29-36) Tanteraka koa anefa ilay faminaniana, rehefa nangonina ireo voahosotra hiara-manjaka amin’i Jesosy, ka Jiosy ny sasany ary hafa firenena ny sasany. Miara-manompo amin’ireo voahosotra ireo ankehitriny, ireo “ondry hafa” an-tapitrisany, mba hitory ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly.—Jaona 10:16.

NAHAVITA NIATRIKA ZAVA-TSAROTRA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

3, 4. Inona no nanampy ny vahoakan’i Jehovah tsy hivadika, tamin’izy ireo tany Babylona?

3 Nazava be hoe nirodana ny “trano rantsankazon’i Davida”,  rehefa natao sesitany tany Babylona ny Jiosy. Naharitra 70 taona ilay sesitany, nanomboka tamin’ny 607 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K. Nahavita tsy nivadika anefa ny vahoakan’i Jehovah, na dia nanjaka aza ny fivavahan-diso tany Babylona. Inona no nanampy azy ireo? Tsy misy hafa amintsika ankehitriny izy ireo. Manana lova ara-panahy isika manampy antsika tsy hivadika, eto amin’ity tontolon’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Ny lovany ara-panahy koa no nanampy an’ireo Jiosy ireo tsy hivadika mihitsy.

4 Anisan’ny lovantsika ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mba nanana ny Soratra Masina feno kosa anefa ny Jiosy tany Babylona. Na izany aza, dia nahay ny Lalàn’i Mosesy sy ny Didy Folo izy ireo. Nahatadidy ny “hiran’i Ziona” sy ohabolana maro koa izy ireo, ary nahafantatra ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika fahiny. Tsy nanadino an’i Jehovah izy ireo, ary nitomany mihitsy aza rehefa nahatsiaro an’i Ziona. (Vakio ny Salamo 137:1-6.) Ireo rehetra ireo no nanampy an’ireo Jiosy mba tsy hivadika, na dia feno fampianaran-diso sy fanao ratsy aza tany Babylona.

TSY VAOVAO NY FAMPIANARANA MOMBA NY ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY

5. Inona no porofo fa nivavaka tamin’ny andriamanitra telo izay iray ny Babylonianina sy ny Ejipsianina?

5 Nivavaka tamin’ny andriamanitra telo izay iray ny Babylonianina. Andriamanitra telo mitambatra nivavahan’izy ireo, ohatra, i Sîn (andriamanitra volana), Shamash (andriamanitra masoandro), ary Ishtar (andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny ady). Nivavaka tamin’ny andriamanitra telo mitambatra koa ny Ejipsianina. Milaza ny Rakipahalalana Vaovao Momba ny Angano (frantsay) fa matetika no mpivady ilay andriamanitra. Manan-janaka lahy iray izy ireo, ary “lasa andriamanitra telo mitambatra izy telo mianaka. Tsy ilay ray anefa no filoha indraindray, fa toy ny vadin’ny mpanjakavavy fotsiny izy. Ilay andriamanibavy no tena nivavahana.” Anisan’ny andriamanitra telo izay iray nivavahan’ny Ejipsianina ny andriamanitra Osiris, sy ny andriamanibavy Isis, ary Horus zanak’izy ireo.

6. Inona no ampianarin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina momba an’Andriamanitra, ary nahoana isika no voaro amin’izany fampianaran-diso izany?

6 Mampianatra koa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ankehitriny fa telo izay iray Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. Manao tsinontsinona ny fahefan’i Jehovah anefa izany fampianarana izany, satria toy ny milaza hoe ampahatelon’Andriamanitra fotsiny i Jehovah. Voaro amin’izany fampianaran-diso izany isika vahoakan’Andriamanitra. Nianarantsika fa “i Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (Deot. 6:4) Namerina an’io teny io koa i Jesosy, ary tsy misy tena Kristianina hanohitra ny tenin’i Jesosy.—Mar. 12:29.

7. Nahoana no tsy azo ekena mba hatao batisa ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray?

7 Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.” (Mat. 28:19) Midika izany fa raha misy olona maniry hatao batisa sy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy mino izy fa i Jehovah Ray no manana ny fahefana fara tampony, ary Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tsy maintsy mino koa ilay olona fa hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina, fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Gen. 1:2) Mifanohitra amin’ilay didin’i Jesosy àry ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, ary tsy azo ekena mba hatao batisa ny olona mbola mino izany. Anisan’ny lovantsika ara-panahy ny fahalalana fa manala baraka an’Andriamanitra ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, ary diso.

 FIFANDRAISANA AMIN’NY HERIN’NY MAIZINA

8. Inona no ninoan’ny Babylonianina momba an’ireo andriamanitra sy ny demonia?

8 Nino andriamanitra maro ny Babylonianina, nefa koa nino an’ireo demonia sy ny herin’ny maizina. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): “Tamin’ny Babylonianina dia ireo andriamanitra no ambony indrindra, ary ny demonia no manarakaraka azy. Afaka manisy aretina isan-karazany amin’ny vatana sy ny saina ny demonia. Nibahana be tamin’ny fivavahana babylonianina àry ny ady atao amin’ny demonia, ka na taiza na taiza nisy azy ireo dia nivavaka tamin’ireo andriamaniny izy ireo, mba ho voaro amin’ny demonia.”

9. a) Nahoana ny Jiosy maro no nanana hevi-diso momba ny demonia? b) Nahoana isika no voaro amin’ny loza vokatry ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy?

9 Maro ny Jiosy lasa nanaraka hevi-diso tatỳ aoriana, rehefa tsy tany Babylona intsony izy ireo. Niely be mantsy ny hevitry ny Grika tamin’izany, ka nanaraka ny hevitry ny Grika ny Jiosy maro. Anisan’izany ilay hoe mety ho tsara fanahy koa ny demonia. Mampidi-doza anefa ny mifandray amin’ny demonia. Voaro amin’izany loza izany isika noho ny lovantsika ara-panahy, satria fantatsika fa nanameloka an’ireo Babylonianina i Jehovah noho izy ireo nifandray tamin’ny herin’ny maizina. (Isaia 47:1, 12-15) Tena manampy antsika koa ny mahalala ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy.—Vakio ny Deoteronomia 18:10-12; Apokalypsy 21:8.

10. Inona no azo lazaina momba an’i Babylona Lehibe?

10 Tsy ny olona tany Babylona fahiny ihany no nifandray tamin’ny herin’ny maizina, fa ireo olona ao amin’i Babylona Lehibe koa, izany hoe ny fivavahan-diso maneran-tany. (Apok. 18:21-24) Tany Babylona no niandoha ny hevi-diso sy ny fanao ratsy arahin’izy ireo. Feno fanompoan-tsampy ao amin’i Babylona Lehibe, misy olona mifandray amin’ny herin’ny maizina, ary misy fahotana hafa. Mbola misy i Babylona Lehibe ankehitriny, kanefa tsy haharitra.—Vakio ny Apokalypsy 18:1-5.

11. Inona no fampitandremana efa nivoaka momba ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina?

11 Hoy i Jehovah: ‘Tsy zakako ny ataonareo, satria mampiasa herin’ny maizina ianareo.’ (Isaia 1:13) Maro ny olona nifandray tamin’ny herin’ny maizina, taorian’ny taona 1800. Nilaza àry Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) tamin’ny Mey 1885 hoe: “Tsy zava-baovao ny finoana hoe mbola velona any ho any ny maty, na hoe lasa vatana vaovao. Ireo fivavahana fahiny no nampianatra izany, ary avy amin’izany ny angano rehetra.” Milaza koa ilay lahatsoratra fa maka endrik’olona maty ny demonia ary mifandray amin’ny velona, ka lasa misy heriny eo amin’ny fomba fisainan’ny olona sy ny zavatra ataony ny zavatra ataon’ireo demonia. Mbola nanome fampitandremana koa ilay bokikely taloha hoe Inona no Lazain’ny Soratra Masina Momba ny Fifandraisana Amin’ny Fanahy Ratsy? (anglisy). Ary mbola mampitandrina koa ireo bokintsika vao haingana.

LASA ANY ANKOATRA VE NY MATY SADY MIJALY?

12. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny maty?

12 Mahafantatra ny valin’izany ny olona rehetra “efa mahalala ny fahamarinana.” (2 Jaona 1) Nanazava momba izany i Solomona. Hoy izy: “Aleo alika velona toy izay liona maty. Fa fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona ... Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.”—Mpito. 9:4, 5, 10.

13. Inona no vokatry ny fombafomban’ny Grika sy ny fivavahany, teo amin’ny Jiosy?

13 Nahalala ny marina momba ny maty ny Jiosy. Niova anefa izany rehefa avy nifampizaran’ireo jeneralin’i Aleksandra Lehibe ny fanjakan’i Aleksandra. Nisy ezaka natao tamin’izay mba hanakambanana an’i Joda sy Syria, ka nasaina  nanaiky ny fombafomba sy ny fivavahana grika ny Jiosy. Nanaiky àry ny Jiosy hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mijalijaly any ankoatra izy io rehefa maty ny vatana. Tsy ny Grika no voalohany nino an’izany. Efa nino an’izany ny Babylonianina. Hoy ny boky hoe Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria (anglisy): ‘Nino ny Babylonianina fa toerana feno zava-mampihorohoro ny tontolon’ny maty, sady anjakan’ireo andriamanitra sy demonia matanjaka be sy lozabe.’

14. Inona no fantatr’i Joba sy Abrahama momba ny maty sy ny fitsanganana amin’ny maty?

14 Tsy nanana ny Soratra Masina i Joba, kanefa fantany ny marina momba ny maty. Takany koa fa Andriamanitra fitiavana i Jehovah, ary tena maniry hanangana azy i Jehovah, raha maty izy. (Joba 14:13-15) Nino ny fitsanganana amin’ny maty koa i Abrahama. (Vakio ny Hebreo 11:17-19.) Tsy nino momba ny fanahy tsy mety maty i Joba sy Abrahama, satria raha efa manana fanahy tsy mety maty ny olona, dia tsy mila hatsangana amin’ny maty. Azo antoka fa ny fanahin’Andriamanitra no nanampy azy ireo hahatakatra ny marina momba ny maty sy hino ny fitsanganana amin’ny maty. Anisan’ny lovantsika ara-panahy izany fahamarinana izany.

TENA ILAINTSIKA NY ‘FANAFAHANA ENTIN’NY VIDIM-PANAVOTANA’

15, 16. Ahoana no nanafahana antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana?

15 Velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika, satria nampahafantariny antsika koa ny fomba nanafahany antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Rom. 5:12) Fantatsika fa ‘tsy tonga mba hotompoina i Jesosy fa mba hanompo, ka nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Mar. 10:45) Faly tokoa isika mahalala hoe mitondra “fanafahana” ho antsika ny “vidim-panavotana” naloan’i Kristy Jesosy.—Rom. 3:22-24.

16 Tsy maintsy nibebaka sy nino ny sorom-panavotan’i Jesosy ny Jiosy sy ny hafa firenena  tamin’ny taonjato voalohany, raha te hahazo famelan-keloka. Mitovy amin’izany koa ankehitriny. (Jaona 3:16, 36) Raha tsy mibebaka ny olona iray fa mbola mino fampianaran-diso, toy ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty, dia tsy handray soa amin’ny vidim-panavotana. Mandray soa kosa anefa isika, satria fantatsika ny marina momba ny Zanak’Andriamanitra, dia ny hoe nanome ny vidim-panavotana izy mba hanafahana antsika, izany hoe mba hahazoantsika ‘famelan-keloka.’—Kol. 1:13, 14.

MANOMPOA AN’I JEHOVAH FOANA!

17, 18. Aiza no ahitantsika fanazavana momba ny tantarantsika, ary nahoana no mahasoa antsika ny mianatra momba azy ireny?

17 Mbola betsaka ny lovantsika ara-panahy tsy voatanisa teo. Mbola anisan’ny lovantsika ireo zavatra hafa ampianarin’i Jehovah antsika, ny fanampiany antsika, ary ny fitahiana omeny antsika na ara-nofo izany na ara-panahy. Misy tantara mahafinaritra momba ny asantsika maneran-tany ao amin’ny Diary. Ahitana ny tantarantsika koa ireo DVD roa hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahitana izany koa ny bokintsika, anisan’izany ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy tantara mampahery momba ny mpiray finoana amintsika koa ao amin’ny gazetintsika.

18 Nandray soa ny Israelita rehefa nisaintsaina ny fomba nanafahan’i Jehovah azy ireo tany Ejipta. (Eks. 12:26, 27) Fantatr’i Mosesy ny asa mahagaga nataon’i Jehovah, ka nampirisika ny Israelita izy hoe: “Tsarovy ny andro fahiny, eritrereto ireo taona lasa hatramin’ny taranaka nifandimby. Anontanio ny rainao, fa afaka miteny aminao izy, ary ny lahiantitra eo aminao, fa afaka milaza izany aminao izy.” (Deot. 32:7) Mahasoa antsika koa ny mianatra ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah. ‘Olon’i Jehovah sy ondry ao an-kijanany’ mantsy isika, ka midera azy amim-pifaliana sy manambara ny asa lehibe nataony. (Sal. 79:13) Mila mandinika ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah koa isika ary mandray lesona amin’izany, satria hanampy antsika izany mba hanompo an’i Jehovah foana.

19. Inona no tokony hataontsika noho isika mahazo ny fahazavana ara-panahy?

19 Faly isika fa tsy mandeha ao anatin’ny haizina ara-panahy, fa mahazo ny fahazavana ara-panahy avy amin’i Jehovah. (Ohab. 4:18, 19) Tokony hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra àry isika, ary hazoto hitory ny fahamarinana. Aoka isika hanana ny toe-tsain’ny mpanao salamo izay nidera an’i Jehovah Tompo Fara Tampony. Hoy izy: “Hambarako ny fahamarinanao, dia ny anao irery ihany. Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô, ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana. Andriamanitra ô, aza mahafoy ahy, mandra-pahantitro sy mandra-pahafotsin’ny voloko, mandra-pilazako amin’ny taranaka manaraka fa mahery ny sandrinao, ary mandra-pilazako amin’ny taranaka ho avy rehetra ny fahatanjahanao.”—Sal. 71:16-18.

20. Inona ireo adihevitra roa fantatsika, ary inona no fanapahan-kevitrao manoloana an’ireo adihevitra ireo?

20 Nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, ka fantatsika ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra sy ny tenin’i Satana hoe hivadika daholo ny olona rehefa misy ny olana. Ampahafantarintsika ny olona fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ka izy no mendrika hotompoina. (Apok. 4:11) Mahazo fanahy masina isika, ka afaka mitory ny vaovao tsara amin’ny mpandefitra, mamehy ny ratran’ny torotoro fo, ary mampionona ny ory. (Isaia 61:1, 2) Na dia miezaka aza i Satana mifehy ny mpanompon’i Jehovah sy ny olombelona rehetra, dia mankasitraka ny lovantsika ara-panahy isika, ka tsy mivadika amin’i Jehovah, ary midera azy mandrakizay.—Vakio ny Salamo 26:11; 86:12.