Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Febroary 2013

Mitandrema fa Mamitaka ny Fo

Mitandrema fa Mamitaka ny Fo

Hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jer. 17:9) Ahoana no ataontsika rehefa misy zavatra irin’ny fontsika mafy na kasaintsika ho azo? Tsy mahita holazaina foana ve isika mba hanaovana an’ilay izy?

Milaza anefa ny Soratra Masina hoe: ‘Avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.’ (Mat. 15:19) Mety hamitaka antsika àry ny fontsika, ka hitady fialan-tsiny isika mba hanaovana zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah. Mety tsy ho tonga saina koa isika raha tsy efa mahavita zavatra tsy mety. Mila fantarintsika mialoha àry izay kasaintsika ao am-pontsika ao, mba tsy hahatonga antsika hanao ratsy.

FOMBA HAMANTARANA NY FANIRIAN’NY FO

Rehefa mamaky Baiboly isan’andro isika, inona no vokatr’izany eo amin’ny fontsika?

Vakio isan’andro ny Baiboly ary saintsaino izay voalaza ao.

Hoy ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po.” Manampy antsika hamantatra “ny eritreritry ny fo sy ny fikasany” ny Baiboly. (Heb. 4:12) Hahafantatra tsara ny tenantsika isika, raha mampitaha ny tenantsika amin’izay voalaza ao. Hanampy antsika izany mba hamantatra an’izay kasaintsika ao am-pontsika ao. Ilaina àry ny mamaky Baiboly isan’andro sy ny misaintsaina, ka mandentika ao am-po ny fomba fihevitr’i Jehovah!

Raha manaiky ny torohevitry ny Soratra Masina isika sady mampihatra, dia hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika, ka toy ny hoe “vavolombelona” ao anatintsika. (Rom. 9:1) Afaka misakana antsika izy  io, mba tsy hahatonga antsika hitady fialan-tsiny hanaovana zava-dratsy. Tena manampy koa ireo ohatra ao amin’ny Baiboly, izay natao ‘hampitandremana’ antsika. (1 Kor. 10:11) Tsy ho voatarika hanao ratsy isika, raha mandray lesona avy amin’izy ireny.

Manampy antsika hamantatra izay tena ao am-pontsika ny vavaka

Mivavaha amin’i Jehovah.

“Mpandinika ny fo” i Jehovah. (1 Tan. 29:17) “Lehibe noho ny fontsika” koa izy, “sady mahalala ny zava-drehetra.” (1 Jaona 3:20) Tsy mba voafitaka mihitsy izy, ka afaka manampy antsika hamantatra izay irin’ny fontsika, raha resahintsika aminy amim-pahatsorana ny fanahiantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny faniriantsika. Afaka mangataka aminy mihitsy aza isika mba ‘hamoronany fo madio.’ (Sal. 51:10) Tena ilaina àry ny mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy antsika hamantatra ny fanirian’ny fontsika.

Manampy antsika hamantatra ny fanirian’ny fontsika ny fivoriana

Mihainoa tsara any am-pivoriana.

Ho afaka hamantatra ny tena maha izy antsika, izany hoe ny ao am-pontsika isika, raha mihaino tsara any am-pivoriana. Marina fa tsy hoe misy zava-baovao foana resahina any. Manampy antsika handinika ny fanirian’ny fontsika anefa ny fivoriana, satria mahazo fampahatsiahivana sarobidy isika any, sady ampiana hahatakatra kokoa ny toro lalan’ny Baiboly. Tena mahasoa koa ny valin-tenin’ireo rahalahy sy anabavy, satria manampy antsika hanatsara ny tena maha izy antsika. (Ohab. 27:17) Raha tsy mamonjy fivoriana isika fa mitokantokana, dia mety hanimba antsika izany. Mety ‘tsy hitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenantsika’ isika. (Ohab. 18:1) Tsara àry ny misaintsaina hoe: ‘Zatra manatrika ny fivoriana rehetra ve aho, ka mandray soa amin’izy ireny?’—Heb. 10:24, 25.

HITARIKA ANAO HANAO NY TSARA VE NY FONAO?

Mamitaka ny fo, ka mety hitarika antsika amin’ny lalan-diso. Ireto misy toe-javatra efatra mety hitrangan’izany:

Fitadiavana izay ilaina ara-nofo.

Ara-dalàna ny hoe te hanome fahafaham-po an’izay ilaintsika ara-nofo. Misy fanoharan’i Jesosy anefa mampiseho fa tsy mety ny mikatsaka zavatra ara-nofo tafahoatra. Nilaza izy hoe nisy lehilahy nanan-karena nanana trano fitehirizam-bokatra maromaro. Efa feno vokatra daholo ireo trano ireo, ka tsy nisy toerana hasiana ny vokatra manaraka. Mbola nieritreritra indray àry izy hoe horavany ireo trano ireo, ary hanorina lehibe kokoa izy. Hoy izy: “Ao no hanangonako ny vokatro rehetra sy ny zava-tsoako rehetra. Dia hilaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.’ ” Tsy noeritreretiny anefa hoe mety ho faty amin’io alina io izy.—Lioka 12:16-20.

Rehefa mandroso taona isika, dia mety hanahy be hoe ahoana no hivelomantsika rehefa antitra isika. Mety hitady fialan-tsiny àry isika mba hiasana amin’ny fotoana fivoriana. Na mety ho variana mitady vola isika, ka lasa manao tsirambina an’ireo zavatra ilaina ara-panahy. Tsy hitanao hoe mila mitandrina ve isika amin’izany fanirian’ny fontsika izany? Mety hoe tanora koa isika izao, ary tsapantsika fa ny fanompoana manontolo andro no asa tsara indrindra. Mangataka andro foana ve anefa isika fa tsy mirotsaka ho mpisava lalana, satria mieritreritra hoe aleo aloha ho azo antoka tsara ny fivelomana? Tsy izao ve isika no tokony hanao izay  fara herintsika mba hanan-karena amin’Andriamanitra? Iza no mahalala raha mbola ho velona isika rahampitso?

Fisotroana zava-pisotro misy alkaola.

Hoy ny Ohabolana 23:20: “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.” Raha tena tia zava-pisotro misy alkaola ny olona iray, dia mety hitady fialan-tsiny izy mba hisotroana izany matetika. Mety hilaza izy hoe fanalana havizanana fotsiny ilay izy, fa tsy hoe te ho mamo izy akory. Raha tsy maintsy misotro anefa isika vao afaka manala havizanana, dia mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika, mba hahitana ny tena fanirian’ny fontsika.

Fifidianana namana.

Marina fa tsy maintsy mifandray amin’ny olona tsy Vavolombelona isika, indrindra fa any am-pianarana, any am-piasana, ary eny amin’ny fanompoana. Hafa mihitsy anefa ny hoe miara-manao zavatra amin’izy ireny ankoatra ny asa na ny fianarana, na koa hoe minamana be amin’izy ireny. Mitady fialan-tsiny mba hifaneraserana amin’ireny olona ireny ve isika, ka milaza fa manana toetra tsara maro izy ireny? Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Kor. 15:33) Haloto ny rano madio, raha ipitihan’ny loto kely. Toy izany koa fa ho simba ny ara-panahintsika, raha minamana amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah isika. Mety hanjary hanaraka ny fomba fiheviny isika, ny fitafiany, ny fiteniny, ary ny fitondran-tenany.

Fialam-boly.

Maro ny fialam-boly azo atao noho ny fisian’ny fitaovana maoderina, ary tsy sarotra ny mahita azy ireny. Tsy mety amin’ny Kristianina anefa ny ankamaroan’izy ireny. Hoy i Paoly: ‘Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay rehetra mety ho fahalotoana.’ (Efes. 5:3) Ahoana anefa raha te hijery na te hihaino zavatra tsy madio ny fontsika? Mety hieritreritra isika hoe: ‘Mila miala voly daholo ange ny olona e, sady anjaran’ny tsirairay ny mifidy izay fialam-boly tiany.’ Na izany aza anefa, dia tena ilaintsika ny manaraka ny torohevitr’i Paoly, ka tsy hamela ny masontsika na ny sofintsika hihaino na hijery zavatra maloto.

AFAKA MIOVA ISIKA

Ahoana anefa raha efa resin’ilay fo mamitaka isika, ka lasa zatra mitady fialan-tsiny mba hanaovana zava-dratsy? Azontsika atao tsara ny miova. (Efes. 4:22-24) Ireto misy ohatra roa mampiseho izany.

Nila nanitsy ny fomba fiheviny momba ny zavatra ara-nofo ny rahalahy atao hoe Miguel. * Hoy izy: “Mihevitra ny olona any aminay hoe tsy maharaka ianao, raha tsy mahazo ny fitaovana maoderina nivoaka farany sy izay tsara indrindra. Niasa mafy aho noho izany mba hahazo izay rehetra atolotr’ity tontolo ity, ary nihevitra fa tsy ho lasa tia vola mihitsy. Tsy ela anefa dia tsapako hoe tsy mety afa-po ny olona iray rehefa mikatsaka zavatra ara-nofo. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hahay hamantatra izay tena ao an-tsaiko sy izay fanirian’ny foko. Nampahafantariko azy fa te hanompo azy amin’ny fo manontolo izaho sy ny fianakaviako. Nisy fanapahan-kevitra noraisinay àry, ka afaka nanatsotra fiainana izahay, ary nanitatra faritany. Nirotsaka ho mpisava lalana izahay, taoriana kelin’izay. Tsapanay hoe tsy mila zavatra ara-nofo betsaka izahay, vao ho sambatra sy hanana fiainana mahafa-po.”

Hita amin’ny zavatra niainan’i Lee koa fa ilaina ny mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, mba hahafahana manapaka ny fifaneraserana ratsy. Hoy izy: “Nifandray matetika tamin’ireo mpandraharaha vahiny mpamatsy ny orinasanay aho. Fantatro hoe tsy maintsy hisy fisotroan-toaka be rehefa miaraka amin-dry zareo, nefa tiako ny niaraka tamin’izy ireo. Imbetsaka aho no efa saika mamo, ary nanenina avy eo. Tsy maintsy nandinika tsara ny foko àry aho. Nanampy ahy ny Tenin’Andriamanitra sy ny torohevitry ny anti-panahy mba hahita hoe olona tsy tia an’i Jehovah no niarahako. Ataoko faran’izay kely izao ny fifandraisako amin’izy ireo, ary amin’ny telefaonina no ifandraisako amin’izy ireny raha azo atao.”

Ilaintsika ny mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, ka mamantatra izay fanirian’ny fontsika. Hanampy antsika amin’izany ny vavaka. Tsarovy fa “mahafantatra ny miafina ao am-po” i Jehovah. (Sal. 44:21) Nanome ny Teniny koa izy, izay toy ny fitaratra ho antsika. (Jak. 1:22-25) Sarobidy koa ireo fampahatsiahivana sy torohevitra ao amin’ireo boky aman-gazety sy any am-pivoriana. Afaka miaro ny fontsika isika, raha manararaotra an’ireny fanampiana ireny, ka handeha foana amin’ny lalan’ny fahamarinana.

^ feh. 18 Novana ireo anarana.