Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) FEBROARY 2013

Inona avy ny Lovantsika Ara-panahy?

Inona avy ny Lovantsika Ara-panahy?

“Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah.”—ISAIA 54:17.

1. Inona no notehirizin’i Jehovah ho antsika olombelona, mba hahasoa antsika?

MARO ny zavatra tokony ho fantatsika mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Notehirizin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona mandrakizay, izy ireny, ka tsy hisy hahavita hanova mihitsy. Ny Baiboly rahateo milaza hoe: ‘Ny tenin’i Jehovah maharitra mandrakizay.’ (1 Pet. 1:23-25) Tena faly isika satria notehirizin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly ireny fanazavana sarobidy ireny.

2. Inona no notehirizin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, mba hampiasain’ny mpanompony?

2 Notehirizin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ny anarany, mba hampiasain’ny mpanompony. Ao amin’ny fitantarana momba ny famoronana ny lanitra sy ny tany no ahitana voalohany ny hoe “Jehovah Andriamanitra”, ao amin’ny Baiboly. (Gen. 2:4) Naverimberiny koa ny anarany ao amin’ireo takela-bato misy ny Didy Folo, izay nosoratany tamin’ny fomba mahagaga. Izao, ohatra, no voalaza eo amin’ny fiandohan’ny didy voalohany: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao.” (Eks. 20:1-17) Niezaka namongotra ny Baiboly i Satana mba tsy hahalalan’ny olona an’Andriamanitra sy ny anarany, kanefa tsy namela an’izany hitranga i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony.—Sal. 73:28.

3. Inona koa no notehirizin’i Jehovah ho antsika?

3 Notehirizin’i Jehovah ao amin’ny Teniny koa ny fahamarinana. Marina fa be dia be ny fampianaran-diso maneran-tany. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah anefa isika, satria omeny fahazavana ara-panahy sy ampahafantariny ny fahamarinana. (Vakio ny Salamo 43:3, 4.) Mandeha ao anaty haizina ara-panahy ny ankamaroan’ny olona, fa isika kosa faly satria mandeha ao amin’ny hazavana ara-panahy.—1 Jaona 1:6, 7.

MANANA LOVA MIAVAKA ISIKA

4, 5. Inona ny tombontsoa miavaka nananantsika nanomboka tamin’ny 1931?

4 Mety hitovy ny toetra na ny fombafomban’ny olona  na ny fomba fiainan’ny mponina ao amin’ny tany iray. Nampitain’ireo razambeny tamin’izy ireo izany, ary mbola hampitain’izy ireo amin’ny taranany. Izany no lovan’izy ireo. Misy lova koa nampitain’i Jehovah amintsika. Nomeny fahalalana marina tsara momba ny Teniny isika. Nataony koa izay hahatakarantsika ny marina momba azy sy ny fikasany. Mbola misy tombontsoa tena miavaka koa anefa nomeny antsika.

Faly isika nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1931

5 Nahazo izany isika tamin’ny fivoriambe natao tany Columbus, any Etazonia, tamin’ny 1931. Nisy soratra hoe “JW” teo amin’ny fonon’ny fandaharana tamin’izay. Nilaza ny anabavy iray fa “naminavina azy io ny rehetra hoe inona no dikany.” Nilaza ny sasany hoe “Just Wait” (miandrasa fotsiny), ny hafa nilaza hoe “Just Watch” (miambena fotsiny), ary nisy nahita ny tena marina hoe “Jehovah’s Witnesses” (Vavolombelon’i Jehovah). Nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly isika talohan’io, kanefa nanaiky ny hiantsoana antsika hoe Vavolombelon’i Jehovah ny mpanatrika rehetra, tamin’io alahady 26 Jolay 1931 io. Tena faly be ny rehetra nandray an’io anarana avy ao amin’ny Soratra Masina io. (Vakio ny Isaia 43:12.) Hoy ny rahalahy iray: “Tsy hohadinoiko mihitsy ny horakoraka sy ny tehaka nanerana an’ilay toeram-pivoriana.” Tsy nisy mihitsy fivavahana naniry hantsoina tamin’io anarana io, fa isika kosa nampiasa azy io nandritra ny 80 taona mahery izao, ary notahin’i Jehovah. Tombontsoa miavaka tokoa ny antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah!

6. Inona koa ny lovantsika ara-panahy?

6 Anisan’ny lovantsika ara-panahy koa ny lesona maro be sy sarobidy raisintsika avy amin’ny mpanompon’i Jehovah fahiny. Miana-javatra avy amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ohatra, isika. Azo inoana fa nifampiresaka foana tamin’ny fianakaviany izy ireo hoe ahoana no hampifaliana an’i Jehovah. Izany no nanampy an’i Josefa handa tsy hijangajanga, ka tsy “hanota amin’Andriamanitra.” (Gen. 39:7-9) Nisy fampianarana koa nampitampitaina am-bava, tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany, ary nisy aza naseho tamin’ny alalan’ny modely. Nampitain’ny apostoly Paoly tamin’ireo fiangonana, ohatra, ny fomba ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (1 Kor. 11:2, 23) Voasoratra ao amin’ny Baiboly ireny rehetra ireny mba hanampiana antsika hanompo an’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Vakio ny Jaona 4:23, 24.) Na dia natao hanampiana ny olona rehetra aza anefa ny Baiboly, dia isika mpanompon’i Jehovah ihany no tena mankasitraka azy io.

7. Inona ny fampanantenana mampahery, izay anisan’ny lovantsika?

7 Anisan’ny lovantsika ara-panahy koa ireo tantara ao amin’ny boky sy gazetintsika, izay manaporofo fa ‘momba antsika i Jehovah.’ (Sal. 118:7) Manampy antsika tsy hanana ahiahy izy ireny, rehefa enjehina isika. Mampanantena ny Baiboly hoe: “ ‘Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra  anao. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah, sy fahamarinany avy amiko’, hoy i Jehovah.” (Isaia 54:17) Tsy hisy mihitsy fiadian’i Satana hitondra fahavoazana maharitra ho antsika.

8. Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

8 Niezaka namongotra ny Tenin’Andriamanitra i Satana, nisakana ny olona tsy hahalala an’ilay anarana hoe Jehovah, ary nanafina ny fahamarinana. Tsy ho afaka handresy an’i Jehovah anefa izy, ary nataon’i Jehovah nandamòka ny ezaka nataony. Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka hoe: Ahoana no niarovan’i Jehovah ny Teniny? Ahoana no niarovany ny anarany? Ary inona no porofo fa i Jehovah no Loharanon’ny fahamarinana sady Mpiaro azy io?

NAROVAN’I JEHOVAH NY TENINY

9-11. Inona no ohatra mampiseho fa narovan’i Jehovah ny Baiboly?

9 Maro no niezaka namongotra ny Baiboly, saingy narovan’i Jehovah izy io. Hoy ny Rakipahalalana Katolika (italianina): ‘Nanenjika an’ireo Albigeois sy ny Vaudois ny lohandohan’ny Eglizy, ka nivory tao Toulouse tamin’ny 1229. Namoaka didy izy ireo tamin’izay hoe tsy mahazo mampiasa Baiboly amin’ny fiteny mahazatra ny olon-tsotra. Nisy fandrarana toy izany koa tamin’ilay fivoriana tany Tarragone, any Espaina, tamin’ny 1234, teo ambany fahefan’ny Mpanjaka Jacques Voalohany. Nilaza koa ny Papa Paoly Faha-4 tamin’ny 1559, fa tsy azo atao ny manao pirinty na manana Baiboly amin’ny fiteny mahazatra, raha tsy hoe mahazo alalana amin’ny Eglizy.’

10 Mbola misy foana anefa ny Baiboly, na dia nisy ezaka maro aza hanafoanana azy io. Nivoaka tamin’ny 1382 tany ho any, ohatra, ny Baiboly voalohany amin’ny teny anglisy, ary i John Wycliffe sy ny namany no nandika azy io. Nandika Baiboly koa i William Tyndale, izay novonoina vokatr’izany tamin’ny 1536. Nofatorana teo amin’ny tsato-kazo izy, ary niteny hoe: “Tompo ô, ampahirato ny mason’ny mpanjakan’i Angletera.” Nokendaina izy taorian’izay ary nodorana.

11 Nivoaka tamin’ny 1535 ny Baiboly amin’ny teny anglisy nadikan’i Miles Coverdale. Ny Baiboly nadikan’i Tyndale no nampiasainy, rehefa nandika ny “Testamenta Taloha” manomboka eo amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Tantara, sy ny “Testamenta Vaovao.” Ny Baiboly amin’ny teny latinina, sy ny Baibolin’i Martin Luther amin’ny teny alemà, kosa no nampiasainy mba handikana ny ambiny. Faly koa isika ankehitriny satria manana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mazava tsara izy io, marina tsara, ary mora ampiasaina eny amin’ny fanompoana. Faly isika fa tsy nahavita namongotra ny Baiboly, na i Satana na ny olombelona.

NAROVAN’I JEHOVAH NY ANARANY

Nanao sorona ny ainy i Tyndale sy ny olon-kafa mba hiarovana ny Tenin’Andriamanitra

12. Ahoana no iarovan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny anaran’Andriamanitra?

12 Nataon’i Jehovah izay hitehirizana ny  anarany ao amin’ny Baiboly. Mandray anjara lehibe amin’izany ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Voalaza ao amin’ny sasin-tenin’izy io fa ‘ny tena mampiavaka an’io fandikan-teny io, dia ny famerenana amin’ny laoniny ny anaran’Andriamanitra. Ilay endriny mahazatra hoe “Jehovah” no ampiasaina ao. Miverina in-6 973 izy io ao amin’ny Soratra Hebreo, ary im-237 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.’ Misy amin’ny fiteny 116 mahery izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy, ary maherin’ny 178 545 862 no efa natao pirinty.

13. Nahoana isika no milaza fa efa nahalala ny anaran’Andriamanitra ny olombelona voalohany?

13 Efa nahalala ny anaran’Andriamanitra ny olombelona voalohany. Nahalala izany i Adama sy Eva, ary hain’izy ireo tsara ny nanonona azy io. Rehefa tsy nanaja an’i Noa koa i Hama zanany, taorian’ny Safodrano, dia hoy i Noa: “Hisaorana anie i Jehovah, Andriamanitr’i Sema! Ary aoka i Kanana [zanak’i Hama] ho andevon’i Sema.” (Gen. 4:1; 9:26) Nilaza koa Andriamanitra hoe: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” Hoy koa izy: “Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.” (Isaia 42:8; 45:5) Nataon’i Jehovah izay hiarovana ny anarany sy hampahafantarana azy io eran-tany. Voninahitra ho antsika tokoa ny mampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah sy ny antsoina hoe Vavolombelony! Mirehareha isika noho ny anaran’i Jehovah, ka toy ny milaza hoe: “Hatsanganay amin’ny anaran’Andriamanitray ny saina entinay.”—Sal. 20:5.

14. Aiza koa no ahitana ny anaran’Andriamanitra, ankoatra ny ao amin’ny Baiboly?

14 Tsy ao amin’ny Baiboly ihany no ahitana ny anaran’Andriamanitra. Diniho ilay Vato Moabita hita tany Dhiban (Dibona), any amin’ny 21 kilaometatra atsinanan’ny Ranomasina Maty. Miresaka momba an’i Omry mpanjakan’ny Israely izy io, ary ahitana ny tenin’i Mesa, mpanjakan’i Moaba, momba ny fikomiany tamin’ny Israely. (1 Mpanj. 16:28; 2 Mpanj. 1:1; 3:4, 5) Tena mahaliana anefa ilay Vato Moabita, satria hita eo amin’izy io ny anaran’Andriamanitra miendrika Litera Hebreo Efatra. Miverimberina koa ireo Litera Efatra ireo eo amin’ny Vakin-tanimanga Tany Lakisy, izay hita tany Israely.

15. Inona ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary nahoana izy io no nilaina?

15 Nandray anjara tamin’ny fiarovana ny anaran’Andriamanitra koa ireo mpandika teny nandika Baiboly voalohany. Tsy niverina tany Joda sy Israely ny ankamaroan’ny Jiosy, rehefa avy natao sesitany tany Babylona tamin’ny 607 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K. Lasa feno Jiosy àry tany Aleksandria, tany Ejipta, tamin’ny taona 300 T.K. tany ho any, ary ny teny grika no tena nampiasaina tany. Nila nadika tamin’io fiteny io àry ny Soratra Hebreo. Vita tamin’ny taona 150 T.K. tany ho any ilay fandikan-teny, ary nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Ahitana ny anarana hoe Jehovah amin’ny teny hebreo ny sasany amin’io fandikan-teny io.

16. Inona no mampiseho fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny boky iray natao pirinty tamin’ny 1640?

16 Ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ny boky nivoaka voalohany tany amin’ireo zanatany anglisy tany Amerika, izay nivoaka tamin’ny 1640. Hita ao amin’izy io ny bokin’ny Salamo, izay nadika avy amin’ny teny hebreo. Milaza ny Salamo 1:1, 2 ao amin’izy io, fa “sambatra ny olona” tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy, fa ny “lalàn’i Iehovah no mahafinaritra azy.” Raha mila fanazavana fanampiny momba ny anaran’Andriamanitra ianao, dia jereo ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay.

NAROVAN’I JEHOVAH NY FAHAMARINANA

17, 18. a) Inona no atao hoe “fahamarinana”? b) Inona no antsoina hoe “fahamarinan’ny vaovao tsara”?

17 Faly isika manompo an’i Jehovah ilay “Andriamanitry ny fahamarinana.” (Sal. 31:5)  Inona no atao hoe fahamarinana? Milaza ny diksionera iray fa ny “fahamarinana momba ny zavatra iray, dia ny zava-misy rehetra momba an’ilay izy, fa tsy hoe vinavina fotsiny na zavatra foromporonina fotsiny.” Ilay teny hebreo nadika matetika hoe “fahamarinana”, dia midika hoe zavatra marina, azo itokisana, ary tena nisy. Ilay teny grika nadika hoe “fahamarinana” indray, dia midika hoe zavatra mifanaraka amin’ny zava-misy sy mety ary tsy misy diso.

18 Narovan’i Jehovah ny fahamarinana, ary nataony izay hahalalantsika azy io, sy hitomboan’izany fahalalantsika izany. (2 Jaona 1, 2) Mihamazava amintsika foana ny fahamarinana, satria ‘ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ (Ohab. 4:18) Nilaza tamin’Andriamanitra i Jesosy tao amin’ny vavaka hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa ny fahamarinana, izay antsoina koa hoe “fahamarinan’ny vaovao tsara.” Tsy inona izy io fa ny fitambaran’ny fampianarana rehetra inoan’ny Kristianina. (Gal. 2:14) Anisan’izany ny marina momba ny anaran’Andriamanitra, ny zony hitondra, ny sorom-panavotan’i Jesosy, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny Fanjakan’Andriamanitra. Hojerentsika izao hoe ahoana no niarovan’i Jehovah ny fahamarinana, na dia niezaka nanafina azy io aza i Satana.

NATAON’I JEHOVAH NANDAMÒKA NY EZAK’I SATANA

19, 20. Iza i Nimroda, ary inona no tanjon’ny olona tamin’ny androny nefa tsy nahomby?

19 Nisy fomba fiteny toy izao, taorian’ny Safodrano: “Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.” (Gen. 10:9) Nanohitra an’i Jehovah i Nimroda, ka midika izany fa nanompo an’i Satana izy, tsy misy hafa amin’ireo mpanohitra izay nilazan’i Jesosy hoe: ‘Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo. Izay irin’ny rainareo no tianareo hatao, ary tsy nifikitra tamin’ny marina izy.’—Jaona 8:44.

20 Anisan’ny faritra nofehezin’i Nimroda ny tanànan’i Babela sy ny tanàna hafa teo anelanelan’ny renirano Tigra sy Eofrata. (Gen. 10:10) Izy angamba no nitarika ny fanorenana ny tanànan’i Babela sy ny tilikambony, izay nanomboka tamin’ny 2269 T.K. tany ho any. Ny hiparitahan’ny olona manerana ny tany no sitrapon’i Jehovah, kanefa nifanohitra tamin’izany ny tanjon’ireo nanorina ny tanànan’i Babela. Hoy izy ireo: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony. Ary andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika, sao hiparitaka manerana ny tany isika.” Tsy nahomby anefa izany, satria “nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo”, ka niparitaka ireo saika hanorina an’ilay tilikambo. (Gen. 11:1-4, 8, 9) Hita avy amin’izany fa tian’i Satana hivavaka aminy irery ihany ny olona rehetra, kanefa nandamòka izany. Narovan’i Jehovah ny fivavahana marina, ary mihamaro foana ny olona manompo azy isan’andro.

21, 22. a) Nahoana no tsy atahorana ho resin’ny fivavahan-diso mihitsy ny fivavahana marina? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tsy atahorana ho resin’ny fivavahan-diso mihitsy ny fivavahana marina. Nahoana? Satria niaro ny Teniny ilay Mpampianatra Be Voninahitra. (Isaia 30:20, 21) Nampahafantariny koa ny anarany, ary nataony fantatsika ny fahamarinana. Faly isika manompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’ny sitrapony. Mila mailo foana anefa isika, miantehitra tanteraka aminy, ary manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina.

22 Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny niandohan’ny fampianaran-diso sasany, sy ny porofo manamarina fa tsy mampianatra azy ireny ny Soratra Masina. Ho hitantsika ao koa ny fomba nanampian’i Jehovah antsika hahafantatra ny fahamarinana, izay anisan’ny lovantsika ara-panahy.