Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraha Mifaly Amin’ny Hafa!

Miaraha Mifaly Amin’ny Hafa!

Miaraha Mifaly Amin’ny Hafa!

MIHASAROTRA ny mahita fifaliana sy fahasambarana ankehitriny. Sarotra koa ny mahita zavatra tsara horesahina. Mahatonga ny olona hahatsiaro ho manirery sy tsy te hiaraka amin’ny hafa koa ny fiainana amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny fiainana an-tanàn-dehibe.

Hoy ny manam-pahaizana momba ny saina atao hoe Alberto Oliverio: “Be dia be ny olona mahatsiaro ho manirery, ary tsy isalasalana fa ny fiainana an-tanàn-dehibe no mahatonga izany. Matetika isika no tsy miraharaha ny mpiara-miasa amintsika, sy ny mpiara-monina amintsika, ary ny mpandray vola amin’ny fivarotana lehibe eo an-tanànantsika.” Lasa mora kivy be ny olona noho izany.

Tsy mba toy izany kosa ny Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly: “Mifalia mandrakariva.” (1 Tes. 5:16) Maro ny antony tokony hifaliantsika sy hiarahantsika mifaly: Manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra isika, ary mahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Manantena ho voavonjy sy hiaina mandrakizay koa isika, ary afaka manampy ny hafa mba hahazo izany fitahiana izany.—Sal. 106:4, 5; Jer. 15:16; Rom. 12:12.

Toetra mampiavaka ny tena Kristianina ny hoe faly sy miara-mifaly amin’ny hafa. Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’ny Filipianina i Paoly hoe: ‘Faly sady miara-paly aminareo rehetra aho. Mifalia koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.’ (Fil. 2:17, 18) Naverin’i Paoly indroa, ao amin’ireo andininy roa ireo, ilay hevitra hoe faly sy miara-mifaly.

Tokony hitandrina isika mba tsy hitokantokana. Tsy afaka miara-mifaly amin’ny mpiara-manompo isika, raha tsy miaraka amin’izy ireo. Ahoana àry no hampiharantsika an’ilay torohevitr’i Paoly hoe mila ‘mifaly hatrany’ miaraka amin’ireo rahalahy isika “eo amin’ny fanompoana ny Tompo”?—Fil. 3:1.

Miaraha mifaly amin’ny mpiara-manompo

Mety ho nigadra tany Roma i Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny Filipianina. (Fil. 1:7; 4:22) Nigadra noho ny fitoriana izy, nefa tsy nampihena ny zotom-pony izany. Faly kosa izy nahafoy tena ho an’i Jehovah, ka toy ny hoe nataony “fanatitra zava-pisotro” ny tenany. (Fil. 2:17) Hita amin’izany fa tsy miankina amin’ny toe-javatra misy antsika ny fifaliantsika. Nigadra i Paoly, nefa nilaza hoe: ‘Ho faly foana aho.’—Fil. 1:18.

I Paoly no nanorina ilay fiangonana tany Filipy, ka niraiki-po tamin’ireo rahalahy tany izy. Fantany fa hahazo fampaherezana izy ireo, raha iresahany ny zavatra mahafaly hitany teo amin’ny fanompoana. Hoy àry izy: “Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy. Vokatr’izany, dia lasa fantatr’olona maro eo amin’ireo Mpiambina an’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho ny amin’i Kristy no mahatonga ahy ho voafatotra.” (Fil. 1:12, 13) Faly sy niara-nifaly tamin’ireo rahalahiny i Paoly, rehefa nitantara an’io zavatra mampahery io. Azo antoka fa niara-nifaly taminy koa ireo Filipianina. Raha tena tian’izy ireo anefa ny hiara-mifaly amin’i Paoly, dia tsy tokony ho nahakivy azy ireo ny hoe nigadra i Paoly. Nila nanahaka azy kosa izy ireo. (Fil. 1:14; 3:17) Afaka nivavaka ho an’i Paoly foana koa izy ireo, sady afaka nanohana sy nanampy azy araka izay vitany.—Fil. 1:19; 4:14-16.

Falifaly foana toa an’i Paoly koa ve isika? Miezaka mijery lafy tsaran-javatra ve isika, na eo amin’ny fiainantsika, na eo amin’ny fanompoantsika? Afaka miresaka momba ny zavatra mahafaly hitantsika teny am-pitoriana isika, rehefa miaraka amin’ny mpiara-manompo. Tsy voatery hoe zavatra miavaka be izany. Ohatra hoe nety tsara ny fampidiran-dresaka nampiasaintsika, na haintsika ny nampisaintsaina olona, ka lasa liana tamin’ilay hafatra nentintsika izy. Na koa hoe nisy resaka nahafinaritra nifanaovantsika tamin’olona, momba ny andinin-teny iray. Ary na dia ny fahafantaran’ny olona fotsiny aza hoe Vavolombelon’i Jehovah isika, dia efa fitoriana vita ho azy. Hiara-mifaly amin’ireo mpiara-manompo isika, raha miresaka zavatra toy izany.

Mamoy na mampandefitra zavatra sasany ny mpanompon’i Jehovah maro, mba hampandrosoana ny asa fitoriana. Mifofotra mafy ny mpanompo manontolo andro toy ny mpisava lalana, mpiandraikitra mpitety faritany, Betelita, misionera, ary mpanao fanorenana. Faly anefa izy ireo manao izany. Miara-mifaly amin’izy ireny koa ve isika? Raha izany no izy, dia tokony hasehontsika fa mankasitraka azy ireo isika. ‘Miara-miasa’ amintsika izy ireny mba ‘hampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Kol. 4:11) Afaka mampahery azy ireny àry isika, rehefa any amin’ny fivoriana na fivoriambe. Afaka manahaka azy ireo koa isika, ka miezaka ho be zotom-po toa azy. Handre fitantarana sy resaka mampahery isika, raha manasa azy ireny any an-trano, na manasa azy hisakafo.—Fil. 4:10.

Miaraha mifaly amin’ireo miatrika fitsapana

Vao mainka tapa-kevitra ny tsy hivadika i Paoly, rehefa niaritra fanenjehana sy fitsapana. (Kol. 1:24; Jak. 1:2, 3) Fantany fa hiatrika fitsapana koa ireo Kristianina any Filipy ary hampahery azy ireo ny mahalala hoe niaritra izy. Nanampy azy ho faly sy hiara-mifaly amin’ireo Filipianina ny fieritreretana an’izany. Izany no nahatonga azy hanoratra tamin’izy ireo hoe: “Ianareo no nomena voninahitra noho ny amin’i Kristy, tsy voninahitra haneho finoana azy ihany, fa hijaly noho ny aminy koa. Izao ady ataoko hitanareo sy renareo izao ihany koa mantsy no ataonareo.”—Fil. 1:29, 30.

Enjehina koa isika Kristianina ankehitriny noho isika mitory. Misy amintsika iharan’ny herisetra. Tsy mivantana anefa matetika ny fanenjehana. Eo, ohatra, ny lainga aelin’ny mpivadi-pinoana, na ny fanoheran’ny fianakaviana, na ny fanesoan’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra. Nilaza i Jesosy fa tsy tokony hahagaga na hahakivy antsika izany, fa vao mainka aza tokony hahafaly antsika. Hoy izy: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.”—Mat. 5:11, 12.

Tsy tokony hatahotra na hihorohoro isika, rehefa maheno hoe miatrika fanenjehana mafy ny rahalahintsika any amin’ny tany sasany. Tokony hifaly kosa isika hoe mahavita miaritra izy ireny. Afaka mivavaka ho azy ireo isika, ka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy hanam-pinoana sy hiaritra foana. (Fil. 1:3, 4) Marina fa tsy afaka manao zavatra firy ho azy ireny isika, kanefa afaka manampy an’ireo iharam-pitsapana eo anivon’ny fiangonantsika. Afaka miahy sy manohana azy ireny isika. Afaka mitady fomba hiaraha-mifaly amin’izy ireny koa tsindraindray. Azontsika atao ny miara-mitory aminy, miara-miala voly aminy, na koa manasa azy hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amintsika.

Maro tokoa ny antony tokony hiarahantsika mifaly! Miezaha àry mba tsy hitokantokana toy ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa hiara-mifaly foana amin’ireo mpiara-manompo. Hifankatia sy hiray saina ny fiangonana amin’izay. Ho faly koa isika hoe anisan’ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Fil. 2:1, 2) Aoka àry isika hanaraka ny tenin’i Paoly hoe: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia!”—Fil. 4:4.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Bolantany: Courtesy of Replogle Globes