Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vokatra “efa Masaka Hojinjaina”

Vokatra “efa Masaka Hojinjaina”

Vokatra “efa Masaka Hojinjaina”

Eo amin’ny tendrony avaratra amin’i Amerika Atsimo no misy ny Saikinosin’i Guajira. Eo amin’ny faritra avaratr’i Kolombia sy ny faritra avaratrandrefan’i Venezoelà izy io. Migaingaina ny masoandro ary kely ny rotsakorana, ao amin’io toerana somary karakaina io. Mahatratra 43 degre mihitsy ny hafanana. Na izany aza, dia mazoto mamboly ny mponina ary mahazo vokatra be. Azon’ny rivo-dranomasina sy ny alizay foana koa ilay saikinosy, ka azoazo ny toetrandro ary afaka mankafy ireo toerana manintona sy torapasika tsara tarehy ny mpitsidika.

TONGA SOA eto amin’ny tanin’ny Indianina wayuu! Misy 305 000 eo ho eo ny Wayuu, ary mipetraka any Kolombia ny 135 000. Efa ela talohan’ny fanjanahan-tany nataon’ny Espaniola io foko io no nipetraka teto.

Ny fambolena sy ny fiompiana no tena fiveloman’ny Wayuu. Manjono sy manao raharaham-barotra amin’ny firenena manodidina koa anefa izy ireo. Za-draharaha amin’ny fanaovana tenona mareva-doko ny vehivavy, ary tena tian’ny mpizaha tany ny asa tanany.

Olona tsotra sy tia mandray vahiny ny Wayuu. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” koa anefa izy ireo. (2 Timoty 3:1) Anisan’ny olana lehibe indrindra atrehiny ny fahantrana. Miteraka olana hafa koa anefa izany, toy ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny zaza, ny fitsaboana tsizarizary, ary ny fandikan-dalàna any amin’ny faritra sasany.

Efa an-taonany maro ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana no naniraka misionera tany amin’ireo Wayuu. Nanjary ny fivavahana àry no mitantana ny ankamaroan’ny sekoly fampiofanana mpampianatra sy ny sekoly kilasimandry. Maro ny Wayuu manaraka ireo fanao lazaina fa kristianina, toy ny fivavahana amin’ny sary sy ny batisan-jazakely. Notazoniny ihany anefa ny zavatra inoany sy ny fombafombany, izay avy amin’ny angano sy ny finoanoam-poana nolovany tamin’ny razany.

Matahotra an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny Wayuu, ary tia ny fahamarinana ara-baiboly ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fito monja ny Vavolombelona wayuu tao Guajira, tamin’ny 1980 tany ho any. Nipetraka tao Ríohacha renivohitra ny telo taminy. Nisy Vavolombelona 20 hafa koa tao, nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny teny espaniola.

Notorina tamin’ny fitenin’izy ireo ilay hafatra

Ny wayuunaiki, izay fitenin-drazany, no tena fampiasan’ny Wayuu ao Ríohacha, na dia mahay teny espaniola kely ihany aza izy ireo. Tsy nisy vokany loatra àry ny fitoriana an’ilay Fanjakana tamin’ny voalohany. Somary nihatakatahan’ny tompon-tany ny olona tsy Wayuu, izay nantsoin-dry zareo hoe arijunas. Rehefa nisy Vavolombelona tonga tao aminy, dia namaly tamin’ny fiteniny ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy niteny espaniola. Nankao amin’ny trano nanaraka fotsiny àry ireo mpitory.

Naniraka mpisava lalana manokana (mpitory manontolo andro) tany amin’ny Fiangonana Rìohacha anefa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny faran’ny taona 1994. Nangatahin’ireo mpisava lalana hampianatra teny wayuunaiki azy ny Vavolombelona wayuu iray. Nianatra tsianjery fomba fitory tsotsotra izy ireo, ary avy eo nitory tao amin’ilay faritany. Hitan’izy ireo avy hatrany fa niova be ny fomba fandraisan’ny olona. Niakanakana be ireo mpisava lalana rehefa niteny wayuunaiki. Gaga sady faly anefa ireo Wayuu nitoriany, ka nihaino tsara, ary izy ireo indray aza indraindray no nanohy ny resaka tamin’izay teny espaniola kely mba hainy!

“Efa masaka hojinjaina”

Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny fambolena ao amin’ny saha ny fanaovana mpianatra. Tantsaha ny Wayuu, ka mazava tsara aminy izany fampitahana izany. (1 Korintianina 3:5-9) Toy ny saha feno vokatra “efa masaka hojinjaina” tokoa ny faritany misy azy ireo.—Jaona 4:35.

Indianina wayuu i Neil ary nipetraka tao Manaure. Nijaly izy, satria nitondra takaitra hatrany am-bohoka. Nihevitra izy fa Andriamanitra no nahatonga izany, ary ketraka mafy izy ka nanandrana namono tena. Nihaona taminy ny Vavolombelona iray, izay nanararaotra nitory isan-trano, rehefa nitety tanàna noho ny asany. Niresaka tamin’i Neil momba ny Fanjakan’i Jehovah izy. Vao 14 taona i Neil tamin’izay. Hitan’ilay Vavolombelona fa tena liana izy, ka nampianariny Baiboly. Nahafaly an’i Neil ny nahalala fa be fitiavana i Jehovah Andriamanitra, hany ka niaiky izy fa tsy avy aminy ny fijaliany. Tena nihetsi-po izy rehefa namaky tao amin’ny Baiboly fa mampanantena paradisa eto an-tany Andriamanitra, ary tsy hisy intsony ny aretina amin’izay!—Isaia 33:24; Matio 6:9, 10.

Tsy nifankahazo efa hatry ny ela tamin’ny fianakaviana iray hafa ny fianakavian’i Neil tamin’izany. Te hiaro tena izy ireo, ka nanaraka fombafomba sasany fanaon’ny fokony. Nitantara i Neil hoe: “Tsy sahy niresaka tamin’ny fianakaviako momba ilay fivavahana vaovao narahiko aho, tamin’ny voalohany. Ny zokiolona no tena natahorako, satria nohajaina fatratra ry zareo.” Tezitra ny ray aman-drenin’i Neil, rehefa nahafantatra fa tsy hino intsony ny zavatra mifanohitra amin’ny Baiboly izy, sady tsy hanao ireo fombafomba misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy. Nifindra tany Ríohacha àry i Neil, ary nanomboka niaraka tamin’ny fiangonana tao. Natao batisa izy tatỳ aoriana. Voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana izy tamin’ny 1993, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra, telo taona tatỳ aoriana. Voatendry ho anti-panahy izy tamin’ny 1997. Nanitatra ny fanompoany izy rehefa lasa mpisava lalana manokana tamin’ny 2000.

Araho indray izao ny tantaran’i Teresa. Wayuu koa izy, ary nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Naneso azy i Daniel, ilay lehilahy nanao tokantranomaso taminy, sady namono azy sy ny zanak’izy ireo. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’i Teresa izy tatỳ aoriana. Na izany aza, dia nandeha niboboka toaka niaraka tamin’ny namany izy matetika, ary indraindray nijanona tany nandritra ny efatra na dimy andro. Lasa nahantra kely ny vady aman-janany. Nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana kristianina foana anefa i Teresa. Hitan’i Daniel tamin’izany fa zava-dehibe ny fianarana Baiboly. Sendra nianjera tao anaty vilany nisy rano nangotraka ny iray tamin’ny zanak’izy ireo indray mandeha, ary may be ka maty. Nalahelo mafy i Teresa. Nanampy trotraka an’izany ny havany sy ny mpiray tanàna, izay nanery azy hanao fombafombam-pandevenana mifanohitra amin’ny Soratra Masina.

Nanampy sy nampahery azy mivady anefa ny Vavolombelona avy tamin’ireo fiangonana tsy lavitra teo, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany. Mbola namangy sy nampionona azy ireo foana koa ilay fiangonana niteny wayuu nisy azy ireo, taorian’izay. Nanohina ny fon’i Daniel izany fitiavana izany, ka niezaka izy nianatra tsara ny Baiboly sy nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Niala tamin’ny toaka koa izy ary tsy nampijaly an’i Teresa intsony. Nisora-panambadiana izy roa, ary nanomboka niasa mafy i Daniel mba hamelomana ny ankohonany. Nandroso tsara izy mivady, ary natao batisa tamin’ny 2003. Samy manana fampianarana Baiboly maromaro izy ireo izao. Tena nahavita fitoriana tsara tamin’ny havany i Teresa, ka lasa mihaino izy ireo izao rehefa misy Vavolombelona tonga mitory aminy. Telo amin’ny zanaky ny zokin’i Daniel no mianatra Baiboly sy mivory, ary efa mpitory tsy vita batisa ny iray. Manana anabavy nanan-janaka lahy maty niharam-boina koa i Daniel, ary te hianatra Baiboly izy io sy ny fianakaviany.

Sakafo ara-panahy amin’ny teny wayuunaiki

Nivoaka tamin’ny teny wayuunaiki ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! * tamin’ny 1998. Tena nanampy ny mpitory mba hiasa ny faritany wayuu sy hampianatra Baiboly io fitaovana io. Nisy rahalahy maromaro nampiofanina tamin’ny 2003, mba handika ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny teny wayuunaiki. Niasa mafy ireo mpandika teny tao Ríohacha, ka maro kokoa ny bokikely nivoaka tamin’ny teny wayuunaiki. Nanatanjaka ny finoan’ny Vavolombelona niteny wayuunaiki izany, sady nampitombo ny isany.

Nanomboka tamin’ny 2001, dia misy mpandika teny mandika ny lahateny sasany amin’ny teny wayuunaiki, mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Manatanjaka ny finoan’ireo mpianatra Baiboly ny mandre ny fandaharana amin’ny fiteniny. Tsy andrin’izy ireo koa izay hisian’ny fampisehoana tantara ara-baiboly amin’ny teny wayuunaiki.

Saha mahavokatra

Misy tanàna atao hoe Uribia any amin’ny 100 kilaometatra any avaratratsinanan’i Ríohacha. Manana mpitory 16 ny Fiangonana Uribia Wayuu, ary maro aminy no manao ezaka be mba hitory amin’ny Indianina any ambanivohitra. Niresaka momba ny fitoriana nataon’izy ireo tany ny anti-panahy iray. Hoy izy: “Nankao amin’ny tanàna kely iray nisy trano folo mahery izahay. Iva kely ny tafony ary kely ny varavarankeliny. Misy tafo fisaka vita amin’ny yotojolo (vatana raiketa nalana hodiny) koa eo ivelan’ny trano tsirairay. Miaro ny fianakaviana sy ny mpitsidika amin’ny masoandro migaingaina izy ireny. Faly izahay satria maro no liana be tamin’ny fitorianay. Nanao fotoana àry izahay mba hitsidihana azy ireo indray sy hanombohana fampianarana Baiboly. Rehefa niverina izahay, dia hitanay fa maro no tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Nisy nilaza taminay fa misy sekoly iray tsy ampiasaina intsony ao an-tanàna, satria tsy ampy vola. Tsara fanahy ilay olona niandraikitra azy io, ka namela anay hampiasa efitra iray mba hampianaranay mamaky teny sy manoratra sy hampianaranay Baiboly. Wayuu enina izao no mahay mamaky teny sy manoratra, ary mandroso tsara ny fianarany Baiboly. Manohina ny fonay ny mahita ny fankasitrahan’izy ireo, ka mikasa hanao fivoriana ao amin’ilay tanàna izahay.”

Maromaro ny Vavolombelona tsy Wayuu nianatra niteny wayuunaiki, ary tena ankasitrahana ny fanampian’izy ireo. Misy fiangonana valo sy antoko-mpitory roa miteny wayuunaiki izao ao amin’ny Saikinosin’i Guajira.

Miharihary fa mitahy an’ireny ezaka ireny i Jehovah. Azo antoka fa mbola be no azo atao mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny Wayuu. Antenaina fa hisy ny fitomboana, satria manaiky ho lasa mpianatr’i Kristy ireo olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Koa enga anie i Jehovah handefa mpitory maro kokoa mba hiasa an’io saha feno vokatra “efa masaka hojinjaina” io.—Matio 9:37, 38.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

VENEZOELÀ

KOLOMBIA

LA GUAJIRA

Manaure

Ríohacha

Uribia

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Tanàna wayuu: Victor Englebert