Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hidera An’i Jehovah ny Fiangonana

Aoka Hidera An’i Jehovah ny Fiangonana

Aoka Hidera An’i Jehovah ny Fiangonana

“Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho, eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao.”—HEBREO 2:12.

1, 2. Inona no soa azo eo anivon’ny fiangonana, ary inona no antony namoronana azy io?

NAHITA namana sy nahazo fiarovana teo anivon’ny fianakaviana ny olona maro, hatramin’izay. Misy karazana fianakaviana hafa anefa resahin’ny Baiboly. Olona maro be maneran-tany, no mahita namana sy mahazo fiarovana tsara kokoa ao amin’izy io. Tsy inona izany fa ny fiangonana kristianina. Tokony hankasitraka izay ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiangonana ianao, na mifankatia sy mifanohana ny fianakavianao na tsia. Raha efa anisan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia afaka manaporofo fa tena ahazoana fiarovana sy ahitana namana be fitiavana eo anivon’izy io.

2 Tsy fikambanana tsotra fotsiny ny fiangonana. Tsy fikambanan’ny olona mitovy fari-piainana izy io, na fikambanan’ny olona mitovy zavatra tiana, toy ny fanatanjahan-tena na fialam-boly. Ny hidera an’i Jehovah Andriamanitra no tena antony namoronana ny fiangonana. Efa nidera an’i Jehovah foana izy io hatramin’izay. Izao mantsy no lazain’ny Salamo 35:18: “Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.” Mampirisika antsika koa ny Salamo 107:31, 32 hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona izy.”

3. Inona no anjara asan’ny fiangonana, araka ny tenin’i Paoly?

3 Manana anjara asa hafa ny fiangonana. Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘andry sy tohana ho an’ny fahamarinana ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona.’ (1 Timoty 3:15) Inona io fiangonana noresahin’i Paoly io? Ahoana avy no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fiangonana”? Inona no soa raisintsika avy amin’izy io? Andeha aloha hodinihintsika ny fomba ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

4. Ampiharina amin’iza, matetika, ilay teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Hebreo?

4 Midika hoe “miangona” na “mivory”, ny fototenin’ilay teny hebreo adika matetika hoe “fiangonana.” (Deoteronomia 4:10; 9:10) Nampiasa ny teny hoe “fiangonana” ny mpanao salamo, rehefa niresaka momba ny anjely any an-danitra, sy momba ny antokona mpanao ratsy. (Salamo 26:5; 89:5-7) Ampiharina amin’ny Israelita anefa io teny io matetika, ao amin’ny Soratra Hebreo. Nilaza tamin’i Jakoba, ohatra, Andriamanitra fa “ho tonga firenena maro” izy, na hanjary fiangonan’ny firenena maro. (Genesisy 28:3; 35:11; 48:4) Tanteraka tokoa izany. Voafidy ho “fiangonan’i Jehovah” na “fiangonan’Andriamanitra” ny Israelita.—Nomery 20:4; Nehemia 13:1; Josoa 8:35; 1 Samoela 17:47; Mika 2:5.

5. Inona ilay teny grika adika matetika hoe “fiangonana”, ary ahoana no azo ampiasana azy io?

5 Ek·kle·siʹa kosa no teny grika nadika hoe “fiangonana.” Midika hoe “miantso” sy “ivelany” io teny grika io. Azo iantsoana antokon’olona mivory noho ny antony tsy ara-pivavahana izy io. Anisan’izany, ohatra, ilay “vahoaka tafavory” notaomin’i Demetrio hanohitra an’i Paoly, tany Efesosy. (Asan’ny Apostoly 19:32, 39, 41) Ampiharin’ny Baiboly amin’ny fiangonana kristianina anefa io teny io, amin’ny ankapobeny. Misy Baiboly mandika azy io hoe “eglizy.” ‘Tsy ilay trano ivavahan’ny Kristianina mihitsy’ anefa no tondroin’io teny io, araka Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (anglisy). Mahaliana fa misy fomba efatra, fara fahakeliny, ampiasana an’io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Fiangonana voahosotr’Andriamanitra

6. Inona no nataon’i Davida sy Jesosy teo anivon’ny fiangonana?

6 Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Jesosy, ilay tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 22:22. Hoy ny Hebreo 2:12, 17: “ ‘Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho, eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao an-kira.’ Koa tsy maintsy tonga tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ [i Jesosy] tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe miantra sy mahatoky ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra.” Nidera an’Andriamanitra teo anivon’ny fiangonan’ny Israely fahiny, i Davida. (Salamo 40:9) Inona anefa ilay fiangonana tian’i Paoly horesahina, rehefa nilaza izy fa nidera an’Andriamanitra ‘teo anivon’ny fiangonana’ i Jesosy?

7. Ampiharina voalohany amin’iza ilay teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?

7 Aseho ao amin’ny Hebreo 2:12, 17 fa anisan’ny fiangonana iray i Kristy, ary teo anivon’izy io no nanambarany ny anaran’Andriamanitra tamin’ny rahalahiny. Iza ireo rahalahiny ireo? Ireo anisan’ny “taranak’i Abrahama”, izany hoe ireo voahosotra rahalahin’i Kristy, izay “nahazo fiantsoana ho any an-danitra.” (Hebreo 2:16–3:1; Matio 25:40) Asehon’izany fa nampiharina voalohany tamin’ny fitambaran’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy ilay teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ireo voahosotra 144 000 ireo, no “fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra.”—Hebreo 12:23.

8. Inona no nolazain’i Jesosy, momba ny hiforonan’ny fiangonana kristianina?

8 Efa nilaza i Jesosy, herintaona talohan’ny hahafatesany, fa hiforona io “fiangonana” kristianina io. Hoy izy tamin’i Petera: “Ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako, ka tsy haharesy azy ny vavahadin’ny fasana.” (Matio 16:18) Takatr’i Petera sy Paoly tsara, fa i Jesosy Kristy ilay vatolampy nambara mialoha. Nilaza i Petera fa aorina eo ambonin’izy io ireo ‘vato velon’ny trano ara-panahy.’ Tsy inona ireo “vato velona” ireo fa ‘olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’Ilay niantso azy ireo.’—1 Petera 2:4-9; Salamo 118:22; Isaia 8:14; 1 Korintianina 10:1-4.

9. Oviana no niforona ny fiangonan’Andriamanitra?

9 Oviana ireo “olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana” ireo no lasa fiangonana kristianina? Tamin’ny Pentekosta taona 33. Nandrotsaka ny fanahiny masina tamin’ireo mpianatra nivory tao Jerosalema Andriamanitra, tamin’izay. Nanao lahateny i Petera avy eo, ary niresaka momba ny nahafatesan’i Jesosy. Nanohina ny fon’ny olona maro nihaino azy izany, ka nibebaka sy natao batisa izy ireo. Voalaza fa telo arivo ny Jiosy sy tsy Jiosy natao batisa, ka lasa anisan’ilay fiangonana vao niforona. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 14, 37-47) Nitombo hatrany ilay fiangonana. Nihamaro mantsy ny olona niaiky fa tsy ny firenen’ny Israely intsony no tena fiangonan’Andriamanitra, fa ireo Kristianina voahosotra anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.”—Galatianina 6:16; Asan’ny Apostoly 20:28.

10. Manao ahoana ny fifandraisan’i Jesosy sy ny fiangonan’Andriamanitra?

10 Matetika ny Baiboly no manavaka an’i Jesosy amin’ireo voahosotra, toy ilay hita ao amin’ny Efesianina 5:32 hoe: “Kristy sy ny fiangonana.” I Jesosy no Lohan’io fiangonan’ny Kristianina voahosotra io. Nilaza i Paoly fa nataon’Andriamanitra “lohan’ny zavatra rehetra [i Jesosy], raha ny amin’ny fiangonana, izay tsy inona fa ny vatany.” (Efesianina 1:22, 23; 5:23; Kolosianina 1:18, 24) Voahosotra vitsivitsy, anisan’io fiangonana io, sisa no eto an-tany. Afaka matoky anefa isika fa tia azy ireo i Jesosy Kristy, ilay Lohan’izy ireo. Milaza ny Efesianina 5:25 fa ‘tia ny fiangonana i Kristy [ka] nanolotra ny tenany hamonjy azy.’ Tiany izy ireo satria manahaka azy, ka mazoto manao ‘sorona fiderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.’—Hebreo 13:15.

Fomba hafa ampiasana ny teny hoe “fiangonana”

11. Inona no fomba faharoa ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?

11 Hitantsika teo fa ampiharina amin’ireo voahosotra 144 000 ilay teny hoe “fiangonana.” Mampiasa an’io teny io amin’ny heviny voafaritra kokoa anefa ny Baiboly, indraindray. Izao, ohatra, no nosoratan’i Paoly tamin’ny Korintianina: “Aza manao izay hampihemotra ny Jiosy na ny Grika na ny fiangonan’Andriamanitra.” (1 Korintianina 10:32) Mazava ho azy fa mety ho nisy olona tafintohina, raha nanao zavatra tsy nety ny Kristianina iray tany Korinto. Tsy azo eritreretina anefa hoe, hanafintohina ny Jiosy na ny Grika na ireo voahosotra rehetra hatramin’izay ka hatramin’izao, ilay zavatra nataony. Azo inoana àry, fa ireo Kristianina rehetra velona mandritra ny fe-potoana iray no tiana holazaina amin’ny hoe “fiangonan’Andriamanitra”, eo amin’io andininy io. Koa raha milaza ny olona iray hoe ‘mitari-dalana na mitahy ny fiangonana i Jehovah’, dia mety ho ny Kristianina rehetra velona mandritra ny fe-potoana iray no tiany holazaina, na aiza na aiza misy azy ireo. Afaka milaza koa isika hoe ‘manjaka eo anivon’ny fiangonan’Andriamanitra ankehitriny ny fiadanana sy ny filaminana’, raha te hilaza ny zava-misy eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany isika.

12. Inona no fomba fahatelo ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Baiboly?

12 Mampiasa ny teny hoe “fiangonana” koa ny Baiboly, rehefa miresaka momba ny Kristianina rehetra ao amin’ny faritra iray. Izao, ohatra, no lazain’ny Asan’ny Apostoly 9:31: “Nandry feizay ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria.” Tsy antokona Kristianina iray fotsiny no tao amin’io faritra midadasika misy an’i Jodia sy Galilia ary Samaria io. Nantsoina hoe “fiangonana” iray anefa izy rehetra, ao amin’ilay andininy. Tsy iray monja koa ny antokon’olona niara-nivory tsy tapaka tany amin’ny faritr’i Jerosalema, rehefa jerena ny isan’ny olona natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33 sy taorian’izay. (Asan’ny Apostoly 2:41, 46, 47; 4:4; 6:1, 7) I Heroda Agripa I no nitondra tany Jodia, mandra-pahafatiny tamin’ny taona 44. Nisy fiangonana maromaro tany talohan’ny taona 50, araka ny 1 Tesalonianina 2:14. Mety tsy ho antokon’olona iray fotsiny àry no tiana holazaina, rehefa nilaza ny Asan’ny Apostoly 12:1 hoe: ‘Nampahory ny sasany izay anisan’ny fiangonana i Heroda.’

13. Inona no fomba fahefatra ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Baiboly?

13 Mbola voafaritra kokoa ny fomba fahefatra ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ary io no tena mahazatra antsika. Tsy inona izany fa ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana iray, ao amin’ny toerana iray, anisan’izany ireo mivory ao an-tranon’olona. Niresaka momba ‘an’ireo fiangonana tany Galatia’ i Paoly. Mihoatra ny iray ny fiangonana tao amin’io provansy romanina midadasika io. Indroa i Paoly no nampiasa teny milaza maro, rehefa niresaka momba ny “fiangonana” tany Galatia, izay nahafaoka an’i Antiokia, Derbe, Lystra, ary Ikonioma. Nanendrena anti-panahy mahafeno fepetra ny tsirairay tamin’ireny fiangonana ireny. (1 Korintianina 16:1; Galatianina 1:2; Asan’ny Apostoly 14:19-23) Resahin’ny Soratra Masina fa “fiangonan’Andriamanitra” avokoa izy rehetra ireo.—1 Korintianina 11:16; 2 Tesalonianina 1:4.

14. Inona no azontsika ianarana, avy amin’ny fampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny andinin-teny sasany?

14 Mety ho vitsy ireo antokon’olona miara-mivory, ka antonona ao an-tranon’olona. Nantsoina hoe “fiangonana” koa anefa izy ireny. Anisan’izany ny fiangonana tao an-tranon’i Akoila sy Priska, Nymfa, ary Filemona. (Romanina 16:3-5; Kolosianina 4:15; Filemona 2) Tena mampahery an’ireo fiangonana kely ankehitriny izany. Mety ho vitsy mantsy ny mpivory ao amin’izy ireo, ary mety hivory any an-tranon’olona koa. Nankasitraka sy nitahy an’ireny fiangonana kely ireny i Jehovah, tamin’ny taonjato voalohany, ary azo antoka fa manao izany koa izy ankehitriny.

Midera an’i Jehovah ny fiangonana

15. Inona no vokany rehefa niasa teo anivon’ny fiangonana ny fanahy masina, tamin’ny taonjato voalohany?

15 Hitantsika tany aloha, fa tanteraka ny Salamo 22:22, rehefa nidera an’Andriamanitra teo anivon’ny fiangonana i Jesosy. (Hebreo 2:12) Tokony hanao toy izany koa ny mpanara-dia azy mahatoky. Voahosotry ny fanahy masina ireo tena Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany, ka lasa zanak’Andriamanitra sy rahalahin’i Kristy. Afaka nanao fahagagana ny sasany tamin’izy ireo, noho ny herin’ny fanahy masina. Nahazo tenim-pahendrena na tenim-pahalalana, ohatra, ny sasany. Ny hafa kosa afaka nanasitrana na naminany, ary nisy aza afaka niteny tamin’ny fiteny mbola tsy hainy.—1 Korintianina 12:4-11.

16. Ahoana no tokony hampiasana ny fanomezan’ny fanahy?

16 Hoy i Paoly momba ny fitenenana amin’ny fiteny hafa: “Ny fanomezan’ny fanahy no hihirako fiderana, nefa ny saiko koa no hihirako fiderana.” (1 Korintianina 14:15) Tsapany fa tokony ho azon’ny olona ny zavatra resahiny, mba handraisan’izy ireo fahalalana. Ny hidera an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana no tanjon’i Paoly. Nampirisihiny ‘hiezaka hanana be dia be’ amin’ny fanomezan’ny fanahy ireo efa nanana izany, “mba hampaherezana ny fiangonana”, izany hoe ilay fiangonana anompoan’izy ireo. (1 Korintianina 14:4, 5, 12, 23) Nitady izay hahasoa ny fiangonana tokoa i Paoly. Fantany mantsy fa maro ny fomba azon’ny Kristianina iderana an’Andriamanitra, eo anivon’izy io.

17. Inona no azontsika antoka fa ho azon’ny fiangonana tsirairay?

17 Mbola mampiasa sy manampy ny fiangonana i Jehovah, ankehitriny. Mitahy ny Kristianina voahosotra mbola eto an-tany izy. Mampiharihary izany ny sakafo ara-panahy tondraka azon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Lioka 12:42) Mitahy ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany koa izy. Tahiny koa ny fiangonana tsirairay. Eo anivon’izy io isika no midera ny Mpamorona, amin’ny alalan’ny asa sy ny valin-teny mampahery. Mahazo fampianarana sy fampiofanana isika any, ka afaka midera an’Andriamanitra foana, na dia tsy eo anivon’ny fiangonana aza.

18, 19. Inona no tokony hataon’ny Kristianina be fandavan-tena, eo anivon’ny fiangonana?

18 Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonan’i Filipy, any Makedonia: ‘Mangataka amin’ny vavaka foana aho, mba ho feno vokatry ny fahamarinana, izay azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ianareo, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.’ (Filipianina 1:9-11; 3:8-11) Tafiditra amin’izany “vokatry ny fahamarinana” izany ny firesahan’izy ireo amin’ny hafa, momba ny fanantenana kanto ananany sy ny finoany an’i Jesosy. Nampirisihin’i Paoly àry ny Kristianina mba “hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.”—Hebreo 13:15.

19 Faly toa an’i Jesosy ve ianao, rehefa midera an’Andriamanitra “eo anivon’ny fiangonana”? Mahafaly anao koa ve ny mampiasa ny molotrao, mba hiderana an’i Jehovah amin’ireo mbola tsy mahalala na tsy midera azy? (Hebreo 2:12; Romanina 15:9-11) Mety hiankina amin’ny fiheveranao ny anjara asan’ny fiangonana ny valin-teninao. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba itarihan’i Jehovah ny fiangonana, sy ny fomba ampiasany azy io, ary ny soa raisintsika avy amin’izy io dieny ankehitriny.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no niforonan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra?

• Inona ireo fomba telo hafa ampiasana ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Baiboly?

• Inona no nataon’i Davida sy Jesosy ary ny Kristianina voalohany, teo anivon’ny fiangonana? Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

I Jesosy no fototra iorenan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra

[Sary, pejy 23]

Anisan’ny “fiangonan’Andriamanitra” ireo antokona Kristianina miara-mivory

[Sary, pejy 24]

Afaka midera an’i Jehovah mandritra ny fivoriambe isika, toy ireo Kristianina any Bénin