Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Noresahiny Tamin’ny Mpiara-mianatra Taminy ny Zavatra Inoany

Noresahiny Tamin’ny Mpiara-mianatra Taminy ny Zavatra Inoany

Noresahiny Tamin’ny Mpiara-mianatra Taminy ny Zavatra Inoany

IRINAO ve ny hanampy ny mpiara-mianatra aminao hahafantatra bebe kokoa ireo zavatra inoanao ao amin’ny Baiboly? Vavolombelon’i Jehovah i Magdalena, 18 taona, ary mianatra any amin’ny lise any Polonina izy. Miresaka matetika momba ny finoany amin’ny mpiara-mianatra aminy izy, ka matetika no misy manontany azy hoe: ‘Ahoana izany hoe Vavolombelon’i Jehovah izany?’ sy hoe ‘Tsy mino an’i Jesosy Kristy moa ianareo e?’ Ahoana no nanampian’i Magdalena ny mpiara-mianatra taminy? Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hahazoana tari-dalana, ary nanao zavatra nifanaraka tamin’izany.—Jakoba 1:5.

Niera tamin’ny mpampianatra iray nanaja ny finoany i Magdalena, indray andro, mba hampiseho amin’ny ankizy ilay video hoe Ny Vavolombelon’i JehovahIlay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. * Nanaiky ilay mpampianatra. Nilaza tamin’ny mpiray kilasy taminy àry i Magdalena hoe: “Mikasa hanao famelabelarana haharitra adiny iray sy sasany ho anareo izaho sy ny namako iray. Hisy video sy resadresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany. Maniry hanatrika izany ve ianareo?” Nanaiky ny rehetra. Nanomboka nanao ny fanomanana i Magdalena sy Wojciech, mpitory ny filazantsara manontolo andro efa za-draharaha.

Nomanina mba hanokafana ilay izy àry ny famelabelarana maharitra 20 minitra, miorina amin’ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?* Ho afaka hametraka fanontaniana ireo mpianatra aorian’izay. Haseho ao amin’ny efitra famakiam-bokin’ny sekoly ilay video, aorian’izay. Hahazo fanomezana ny mpianatra tsirairay, dia valopy lehibe misy bokikely vitsivitsy, sy ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra,* ary taratasy mivalona sy gazety vitsivitsy.

Nanatrika ilay fandaharana ny 14 tamin’ireo mpiray kilasy amin’i Magdalena, sy ilay mpampianatra, ary mpianatra 4 hafa sendra tao amin’ny efitra famakiam-boky. Nohazavain’i Wojciech aloha fa maro ny poety sy mpanoratra poloney nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, tao amin’ny asa sorany. Notononiny koa ireo boky katesizy sasany taloha, misy ny anaran’Andriamanitra. Rehefa nanazava ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izy, dia nampiseho bokikely momba ny biraon’ny sampana samihafa sy sarin’ny Efitrano Fivoriambe maromaro.

Naresaka avy eo ny dinidinika. Nampiasa Baiboly i Magdalena sy Wojciech, rehefa namaly ireo fanontaniana. Nahagaga ny mpanatrika izany, ary nanjary niaiky izy ireo fa tsy ny heviny manokana akory no torin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona no sasany tamin’ireo fanontaniana, ary ahoana no namalian’izy mianadahy izany?

Fanontaniana: Maro ny hevitra tsy mazava tsara sy sarin-teny ao amin’ny Baiboly, ary azo hazavaina amin’ny fomba samy hafa. Koa ahoana no hanarahana izay lazainy?

Valiny: Misy milaza fa azo ampiasaina hanohanana izay mety ho hevitrao ny Baiboly. Hevero anefa izao: Raha te hahafantatra ny tian’ny mpanoratra iray holazaina ianao, tsy ny manontany azy ve no tsotra indrindra? Velona i Jehovah Andriamanitra, Loharanon’ny Baiboly, fa tsy toy ny mpanoratra olombelona. (Romanina 1:20; 1 Korintianina 8:5, 6) Manampy mba hahazoana ny tena dikan’ny andinin-teny iray, ireo teny manodidina azy. Miresaka foto-kevitra iray koa matetika ny andinin-teny samy hafa, ka tsara ny mampitaha azy ireo. Mamela an’Andriamanitra hitarika ny saintsika isika amin’izany, ka toy ny hoe izy mihitsy no manazava ireo andinin-teny amintsika. Hahafantatra sy hiaina mifanaraka amin’ny sitrapony voalaza ao amin’ny Baiboly isika, raha manao izany, sa tsy izany?

Fanontaniana: Inona no tsy mampitovy ny Kristianina sy ny Vavolombelon’i Jehovah?

Valiny: Kristianina izahay! Tsy milaza tena ho Kristianina fotsiny anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka koa izy ireo mba hiaina mifanaraka amin’ny zavatra inoany, sy ireo zavatra mahasoa ampianarin’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Fantany fa manana ny marina izy ireo, satria mifototra amin’ny Baiboly daholo ny fampianarany.—Matio 7:13, 14, 21-23.

Fanontaniana: Nahoana ianareo no manatona olona tsy fantatrareo mihitsy, sy misisika hiresaka aminy? Tsy manery ny olona hanaiky ny finoanareo ve ianareo amin’izany?

Valiny: Tsy mety ve aminareo, raha misy olona miresaka aminareo amim-panajana eny an-dalana, sy manontany ny hevitrareo momba ny zavatra iray? (Jeremia 5:1; Zefania 2:2, 3) (Nataon’i Wojciech sy Magdalena toy ny fampisehoana an-tsehatra avy eo, ny fomba anatonany ny mpandalo sy anontaniany azy ny amin’ny hoe miahy ireo olona tratran’ny tondra-drano niseho vao haingana tany Polonina ve Andriamanitra.) Resahinay amin’ilay olona izay lazain’ny Baiboly, rehefa fantatray ny heviny. Raha tsy te hiresaka aminay izy, dia manao veloma azy izahay, ary mandeha. (Matio 10:11-14) Manery ny olona hiresaka aminay ve izahay amin’izany? Sa tsy azo atao intsony ny miresaka amin’ny olona?

Fanontaniana: Nahoana ianareo no tsy manao fety?

Valiny: Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ihany no nasain’ny Baiboly hankalazaina, ka izany ihany no ankalazainay. (1 Korintianina 11:23-26) Azonareo jerena amin’ny rakipahalalana sy ny loharanon-kevitra azo antoka hafa kosa ny niandohan’ireo fety samihafa. Raha manao izany ianareo, dia hahatakatra mora foana ny antony tsy ankalazanay fety toy ireny.—2 Korintianina 6:14-18.

Nisy fanontaniana maro hafa koa napetraka sy novaliana. Lasa lava be ilay dinidinika, ka voatery natao tamin’ny andro hafa ilay fampisehoana video.

Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra? Aoka i Magdalena no hilaza azy amintsika: “Gaga be aho nahita ireo mpianatra sasany zatra nananihany sy naneso, nametraka fanontaniana mahaliana. Naneho finoana an’Andriamanitra izy ireo nandritra ilay dinidinika, na dia nilaza ho tsy nino azy aza!” Noraisin’ny mpanatrika sy nankasitrahany ireo fanomezana, dia boky 35, sy bokikely 63, ary gazety 34.

Nahitana vokatra tsara tokoa ilay famelabelarana tany am-pianarana! Sady nanampy ireo mpiara-mianatra amin’i Magdalena hahafantatra tsara kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah izany, no nampirisika tanora maro hieritreritra momba ny zava-kendren’ny fiainana. Nahoana raha miezaka manampy ny mpiara-mianatra aminao hahafantatra bebe kokoa ny zavatra inoanao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 31]

Magdalena sy Wojciech, eo am-panomanana ilay famelabelarana