Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Be dia be ny olona mivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa noeritreretinao ve anefa hoe inona marina ny Fanjakan’Andriamanitra ary inona no hataon’izy io?

DINIHO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY:

  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

    Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany.​—Isaia 9:6, 7; Matio 5:3; Lioka 1:31-33.

  • Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

    Hanafoana ny zavatra ratsy rehetra io Fanjakana io. Hataony koa izay hahatonga ny olona hiadana mandrakizay eto an-tany.​—Daniela 2:44; Matio 6:10.

  • Ahoana ilay hoe mikatsaka an’ilay Fanjakana alohan’ny zavatra hafa rehetra?

    Manohana an’io Fanjakana io, ary matoky fa izy io ihany no hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany.​—Matio 6:33; 13:44.