Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’Andriamanitra ny mihaino ny vavaka ataontsika, satria “Mpihaino vavaka” izy.​—SALAMO 65:2

Mivavaha Foana mba Hahazoana ny Fitahian’Andriamanitra

Mivavaha Foana mba Hahazoana ny Fitahian’Andriamanitra

Avelan’Andriamanitra hivavaka aminy isika, ka afaka miresaka aminy sy mamboraka ny fihetseham-pontsika aminy. Izao, ohatra, no nolazain’i Davida mpaminany tamin’ny vavaka nataony: “Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.” (Salamo 65:2) Inona anefa no azontsika atao, raha tiantsika hihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra ka hitahy antsika?

MIEZAHA HANETRY TENA SY HIVAVAKA AMIN’NY FO

Afaka mamboraka ny ao am-ponao amin’Andriamanitra ianao. (Salamo 62:8) Tena tian’ilay Mahery Indrindra ny maheno vavaka hoatr’izany.

ANTSOY AMIN’NY ANARANY IZY

Manana anaram-boninahitra maro Andriamanitra, ohatra hoe Tompo na Mpamorona. Iray ihany anefa ny tena anarany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” (Isaia 42:8) Miverina im-7000 eo ho eo io anarana io, ao amin’ny Soratra Masina. Be dia be ny mpaminany niantso an’Andriamanitra tamin’io anarany io. Izao, ohatra, no nolazain’i Abrahama: “Jehovah ô, ... mamelà ahy hiteny ihany.” (Genesisy 18:30) Tokony hanonona an’ilay anarana hoe Jehovah koa àry isika rehefa mivavaka.

IZAY FITENY MAHAZATRA ANAO AMPIASAINA

Azon’Andriamanitra tsara izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, na inona na inona fiteny ampiasaintsika. Manome toky antsika ny Teniny hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Tsy ampy anefa ny mivavaka, raha tiantsika ny hotahin’Andriamanitra. Hojerentsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka hoe inona koa no tokony hataontsika.