Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’

2 | ‘Mampionona Antsika ny Soratra Masina’

HOY NY BAIBOLY: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—ROMANINA 15:4.

Inona no dikan’izany?

Misy hevitra mampionona antsika ao amin’ny Baiboly. Manome hery izy ireny sady manampy antsika hiaritra, rehefa misy eritreritra mahakivy ao an-tsaintsika. Manome fanantenana koa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Resahiny hoe tsy ho ela dia tsy hisy hankarary ny fontsika intsony.

Nahoana izany no manampy?

Miady saina daholo isika indraindray. Rehefa lasa aretina anefa ny adin-tsaina na ny hakiviana, dia mampijaly anao isan’andro ny fihetseham-ponao. Ahoana no anampian’ny Baiboly anao?

  • Misy hevitra mampahery be dia be ao amin’ny Baiboly. Azontsika saintsainina ireny rehefa mitady hieritreritra zavatra mahakivy isika. (Filipianina 4:8) Tena afaka mameno ny saintsika amin’ny hevitra mampionona sy mampitony ny Baiboly. Hanampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika izany.​—Salamo 94:18, 19.

  • Manampy antsika ny Baiboly mba tsy hieritreritra isika hoe tsy misy vidiny.​—Lioka 12:6, 7.

  • Maro ny andinin-teny manome toky antsika hoe tsy miady irery isika, ary mahazo tsara an’izay tsapantsika Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika.​—Salamo 34:18; 1 Jaona 3:19, 20.

  • Mampanantena ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra tsy tsaroantsika intsony izay nampahory antsika. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4) Mety hanampy antsika hiaritra io fampanantenana io, raha mampijaly be antsika ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika amin’izao.