Malagasy
Mampanantena Andriamanitra fa ho Foana ny Aretin-tsaina
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/2023010/afrn/art/2023010_afrn_sqr_xl.jpg
wp23 No. 1 p. 16

Mampanantena Andriamanitra fa ho Foana ny Aretin-tsaina

Mampanantena Andriamanitra fa ho Foana ny Aretin-tsaina

Manome tari-dalana sy fampiononana ho an’ny olona tratran’ny aretin-tsaina Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Tsy izay ihany anefa no ataony. Mampanantena koa izy fa hofoanany tsy hisy intsony mandrakizay ny antony mahatonga ny aretin-tsaina.

Rehefa tanteraka izany, dia ‘tsy hotsaroana intsony sady tsy handreraka fo’ intsony izay nampalahelo ny fontsika, sy ny adin-tsaintsika, ary izay nampijaly antsika taloha.​—Isaia 65:17.

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahalala hoe rahoviana ary ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’izany fampanantenana tena tsara izany.