Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1 Manampy Antsika Hisoroka Olana

1 Manampy Antsika Hisoroka Olana

Milaza ny Baiboly fa avy amin’ny fanahy masina ny torohevitra ao, ary “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16) Marina ve izany? Ho hitanao ato fa tena manampy olona tsy hanana fahazaran-dratsy ny torohevitra raketiny.

FISOTROANA TAFAHOATRA

Nilaza i Vero, ilay voaresaka teo aloha, fa lasa te hiboboka toaka izy rehefa niady saina. Tsy raran’ny Baiboly ny fisotroana amin’ny antonony, kanefa hoy izy io: “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.” (Ohabolana 23:20) Mankarary ny fisotroana tafahoatra, manimba fihavanana, ary mahafaty olona an-tapitrisany isan-taona. Ho voasoroka anefa ny ankamaroan’ireo olana ireo, raha arahina ny torohevitry ny Baiboly.

Hoy i Vero: “Tsy nampihena ny adin-tsaiko ny toaka. Narahiko àry ny voalazan’ny Filipianina 4:6, 7 hoe: ‘Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa ... ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.’ Nivavaka tamin’i Jehovah aho isan’alina, rehefa nanahy be sy niady saina. Naborako taminy daholo ny tao am-poko, na hatezerana izany, na alahelo, na hakiviana. Niady mafy aho, mba tsy hahatsapa an’izany intsony rehefa maraina. Nitalaho taminy foana koa aho mba hanampy ahy hijery lafy tsaran-javatra. Lasa nifantoka tamin’izay nananako aho, fa tsy tamin’izay tsy nananako. Nanapa-kevitra àry aho fa tsy hisotro toaka intsony. Efa lasa niadan-tsaina mantsy aho. Sarobidy tamiko izany ka tsy tiako hafoy.”

FIJANGAJANGANA

Anisan’ny miteraka alahelo sy fahoriana maro izany. Manampy antsika hisoroka an’ireo olana ireo anefa ny toro lalan’ny Baiboly. Resahiny mantsy fa anisan’ny mahatonga an’ireo ny filalaovana fitia sy ny fijerena sary vetaveta. Tsy sarotra tamin’ny tovolahy atao hoe Rija ny nanadala vehivavy. Hoy izy: “Indraindray tsy tiako akory ilay ankizivavy, fa izy no taratara tamiko dia nadalaiko. Mba nanala azy e!” Matetika i Rija no nampangain’ny olona ho mpanadala vehivavy, nefa tsy nieritreritra an’izany akory. Nanapa-kevitra àry izy fa hanadala vehivavy tokoa. Nenjehin’ny eritreriny anefa izy tamin’ny farany. Hoy izy: “Ratsy ilay izy satria tsy nieritreritra afa-tsy ny tenako aho.”

Namaky lahatsoratra ho an’ny tanora tao amin’ny tranonkala jw.org i Rija. Nosaintsaininy ny Ohabolana 20:11 hoe: “Na ny zaza [na ny ankizilahy] aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” Tonga saina i Rija hoe tsy nanampy azy hanao izay madio sy mahitsy ny filalaovana fitia. Hoy izy: “Nianarako koa fa tsy ho vady tsara ny tanora iray zatra milalao fitia. Dia nieritreritra aho hoe inona izao no mety ho tsapan’ilay ho vadiko, raha mahita ahy manadala vehivavy hafa izy. Hitako fa ratsy ilay zatra milalao fitia, na dia hoatran’ny mandeha ho azy aza ilay izy amiko!” Niova àry i Rija. Nanampy azy tsy hijangajanga koa izany.

I Njaka indray zatra nijery sary vetaveta, ka vao mainka natahorana hijangajanga. Tena tiany ny vadiny, saingy matetika izy no resin’ilay fahazaran-dratsy. Tena nanampy azy, hono, ny nisaintsaina ny 1 Petera 5:8 hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” Hoy i Njaka: “Hita hatraiza hatraiza ny sary vetaveta, sady mora miraikitra ao an-tsaina. Io andininy io no nanampy ahy handinika hoe avy aiza ny fakam-panahy hijery sary vetaveta. Nila nitadidy haingana aho hoe avy amin’ny Devoly ireny sary maloto ireny. Fantatro izao fa i Jehovah irery ihany no afaka manampy ahy ‘hisaina tsara sy hiambina’ mba hahafahako miady, ka ho voaro ny saiko sy ny foko ary ny tokantranoko.” Nahazo ny fanampiana nilainy i Njaka, ka afaka tamin’ilay fahazaran-dratsy ihany. Nanampy azy hisoroka olana lehibe kokoa izany.

Hisoroka zava-manahirana lehibe àry isika raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Ahoana kosa raha efa miatrika olana isika ary tsy mety voavaha ilay izy? Andeha hojerentsika hoe ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika.

Manampy antsika hisoroka olana sasany ny tari-dalan’ny Baiboly