Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 1 2018

Lany Andro sa Lasa Aloha?

Lany Andro sa Lasa Aloha?

SIANSA

TSY BOKY MOMBA NY SIANSA NY BAIBOLY, NEFA MIRESAKA ZAVATRA TSY HITAN’NY MPAHAY SIANSA RAHA TSY TATỲ AORIANA BE. IRETO MISY OHATRA:

Nanam-piandohana ve izao rehetra izao?

Mpahay siansa maro no tsy nino an’izany mihitsy taloha. Miaiky anefa izy ireo izao hoe nanam-piandohana izao rehetra izao. Efa ela ny Baiboly no nilaza an’izany.—Genesisy 1:1.

Hoatran’ny ahoana ny bikan’ny tany?

Olona maro fahiny no nino hoe fisaka ny tany. Nilaza ny mpahay siansa grika tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.) hoe bola ny tany. Efa ela be talohan’izay, izany hoe tamin’ny taonjato fahavalo T.K., anefa i Isaia mpanoratra Baiboly no nilaza fa “boribory” ny tany.—Isaia 40:22.

Mety hihalò ve ny lanitra hita maso?

Nilaza i Aristote, Grika mpahay siansa tamin’ny taonjato fahefatra T.K., fa ny zavatra eto an-tany ihany no mihalò, fa ny lanitra feno kintana kosa tsy hiova mihitsy na hihalò. Maro no nino an’izany nandritra ny taonjato maro. Nilaza anefa ny mpahay siansa tamin’ny taonjato faha-19 fa mety hihalò ny zava-drehetra, na eny amin’ny lanitra na eto ambonin’ny tany. Tsikaritr’i Lord Kelvin, ohatra, izay lazain’ny Baiboly momba ny lanitra sy ny tany hoe: “Ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo.” (Salamo 102:25, 26) Nino koa i Kelvin fa tsy havelan’Andriamanitra ho simba tanteraka ny zavaboariny, na dia mety lo aza.—Mpitoriteny 1:4.

Inona no mihazona ny tany sy ny planeta hafa?

Nilaza i Aristote fa ao anaty bola kristaly maromaro ny zava-drehetra eny amin’ny lanitra. Ny bola iray dia ao anatin’ny bola iray hafa, ary ny tany no ao anatiny indrindra. Niaiky anefa ny mpahay siansa tamin’ny taonjato faha-18 Aorian’i Kristy fa hoatran’ny tsy misy mihazona azy ny planeta sy ny kintana. Efa tamin’ny taonjato faha-15 T.K. kosa ny bokin’i Joba no nilaza fa ahanton’ilay Mpamorona “eo amin’ny tsy misy ny tany.”—Joba 26:7.

FITSABOANA

TSY BOKY MOMBA NY FITSABOANA NY BAIBOLY, NEFA MIRESAKA ZAVATRA TSY HITAN’NY MPITSABO RAHA TSY TATỲ AORIANA BE.

  Atokan-toerana ny marary.

Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa tokony hatokan-toerana ny boka. Fitonjato taona lasa teo ho eo anefa vao nampihatra an’izany ny mpitsabo, rehefa nihanaka ny areti-mifindra. Mbola mahomby izany hatramin’izao.—Levitikosy, toko 13 sy 14.

Midio rehefa avy nikasika faty.

Tonga dia nizaha marary ny dokotera taloha rehefa avy nandidy faty, nefa tsy nisasa tanana akory. Mbola nisy nanao an’izany hatramin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Betsaka no maty vokatr’izany. Efa nilaza anefa ny Lalàn’i Mosesy fa maloto izay mikasika faty. Natoro tao mihitsy aza hoe rano no ampiasaina mba hanaovana fombafomba fidiovana. Tena nahasalama koa ireny fombafomba ara-pivavahana ireny.—Nomery 19:11, 19.

Toerana anariana maloto.

Ankizy dimy hetsy mahery isan-taona no matin’ny aretim-pivalanana. Tratran’ny mikraoba avy amin’ny dikin’olombelona ny ankamaroany. Misy mantsy manao maloto eny rehetra eny. Nilaza anefa ny Lalàn’i Mosesy fa tokony halevina lavitra ny toeram-ponenana ny diky.—Deoteronomia 23:13.

Fotoana anaovana famorana.

Voalazan’ny Lalàn’Andriamanitra fa tokony hoforana ny zazalahy rehefa feno valo andro. (Levitikosy 12:3) Hitan’ny mpitsabo fa afaka herinandro aorian’ny ahaterahan’ny zaza iray, vao mety mandry tsara ny ra ao amin’ny vatany. Voaro àry ny zaza fahiny rehefa feno herinandro mahery vao noforana, na dia mbola tsy arifomba aza ny fitsaboana tamin’izany.

Misy vokany eo amin’ny fahasalamana ny fihetseham-po.

Milaza ny mpitsabo sy ny mpahay siansa fa ho salama kokoa ny olona iray raha ohatra hoe falifaly, be fanantenana, mahay mankasitraka, ary vonona hamela heloka. Hoy ny Ohabolana 17:22: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.”