Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 1 2018

3 Manampy Antsika Hizaka Olana

3 Manampy Antsika Hizaka Olana

Misy olana tsy azo sorohina na vahana aloha izao. Mety tsy ho afa-manoatra, ohatra, ianao raha manana aretina mitaiza na misy havanao maty. Afaka manampy anao hizaka an’izany ve ny Baiboly?

ARETINA MITAIZA

Hoy i Landy: “Taizan’aretina aho dia manaintaina be foana. Mihaosa be aho!” Tsy nahavita nifantoka izy indraindray rehefa nianatra Baiboly na nanao zavatra ara-panahy hafa, ka izay no anisan’ny tena nampanahy azy. Nanampy be azy anefa ny Matio 19:26 hoe: “Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” Nahita fomba hafa ianarana i Landy. Nanomboka nihaino Baiboly sy gazety ara-baiboly noraisim-peo izy. * Nanaintaina be mantsy izy indraindray, ka tsy afaka namaky teny. Hoy izy: “Tsy afaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra aho raha tsy nisy an’ireo.”

Malahelo i Landy indraindray, satria tsy mahavita zavatra firy intsony. Mampahery azy anefa ny 2 Korintianina 8:12 hoe: “Raha misy aloha ny fahavononana hanome, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.” Nanampy an’i Landy hitadidy izany fa faly amin’izay vitany Andriamanitra, satria efa manao izay fara heriny izy na dia tsy salama aza.

 FAHORIANA

Hoy ihany i Vero: “Nalahelo be aho rehefa maty ilay zanako vavy 18 taona, ka hoatran’ny tsy ho vitako intsony ny hiaina. Nitsimbadika tanteraka ny fiainako.” Nampahery azy anefa ny Salamo 94:19 hoe: “Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny [fampiononan’Andriamanitra] no nanafosafo ahy.” Hoy i Vero: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hahita zavatra hatao, amin’izay mba ho tonitony ny alaheloko.”

Nifofotra nanao asa an-tsitrapo izy. Nampitahainy tamin’ny lakre ny tenany. Na torotoro aza ny lakre, dia mbola azo ampiasaina ihany. Toy izany koa fa na torotoro fo aza izy, dia mbola afaka manampy ny hafa ihany. Hoy izy: “Toy ny mampionona sy manafosafo ahy i Jehovah, rehefa mampianatra olona ny toro lalana sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho mba hampaherezana azy ireo.” Nataony lisitra ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nandia fahoriana mangidy. Hitany fa “tia nivavaka daholo izy rehetra.” Tsapany koa fa “ilaina ny mamaky Baiboly raha te hizaka fahoriana.”

Rehefa nianatra Baiboly i Vero, dia tsy ny lasa intsony no nifantohany fa ny hoavy. Mampahery azy ilay fampanantenana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15 hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” Tena matoky ve izy fa hanangana an’ilay zanany vavy i Jehovah? Hoy izy: “Mbola hahita an-janako aho, amin’ny fotoana voatondron’ilay Raiko [any an-danitra]. Hoatran’ny efa hitako sahady izahay mianaka mipetrapetraka ao an-jaridainanay. Mazava tsara ao an-tsaiko izany, toy ilay nahitako azy voalohany tamin’izy vao teraka.”

^ feh. 4 Misy an’ireo ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.

Afaka mampahery anao ny Baiboly na dia ao anatin’ny fahoriana faran’izay mafy aza