Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifandraisana Amin’Andriamanitra

Fifandraisana Amin’Andriamanitra

Hitantsika tany aloha fa betsaka ny olona mino hoe boky masina ny Baiboly. Lasa mahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra izy ireo, rehefa mamaky azy io sy mampihatra ny torohevitra ao. Lasa misy dikany koa ny fiainany.

Miresaka karazan’olona roa ny Baiboly: Ny olona “araka ny fanahy” sy ny olona “araka ny nofo.” (Joda 18, 19) Mitady ny tari-dalan’Andriamanitra ny olona araka ny fanahy, fa ny olona araka ny nofo kosa miantehitra amin’ny tenany.—Efesianina 5:1.

MANANA FANANTENANA

TORO LALANA: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.”—Ohabolana 24:10.

AHOANA IZANY? Tsy hanana hery hiatrehana ny olana eo amin’ny fiainana isika raha kivy. Hahavita hiatrika azy ireny kosa isika raha manana fanantenana. Haintsika mantsy hoe mandalo ihany ny olana mahazo antsika. Hoatran’ny rahona ilay izy ka tsy maintsy hisava, ary hibaliaka indray ny masoandro.

INONA NO AZONAO ATAO? Aza manahy ny amin’ny zavatra ratsy mety hitranga, fa izay tsara eritreretina. Aza mangataka andro koa, fa tonga dia manaova zavatra mba hanatratrarana ny tanjonao. Marina aloha hoe misy ihany ny ‘sampona’ indraindray. (Mpitoriteny 9:11) Matetika anefa no tsara kokoa noho izay noeritreretintsika ny zava-mitranga. Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.”—Mpitoriteny 11:6.

MAHALALA NY VALIN’IREO FANONTANIANA MANAHIRAN-TSAINA

TORO LALANA: “Ny teninao no fahamarinana.”—Jaona 17:17.

AHOANA IZANY? Hita ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina ny ankamaroan’ny olona. Anisan’izany ireto:

  • Ahoana no nampisy antsika?

  • Inona no antony namoronana antsika?

  • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

  • Izao fotsiny ve ny fiainana?

Olona an-tapitrisany no nahita ny valin’ireo sy ny fanontaniana hafa, rehefa nianatra Baiboly. Lasa nihatsara ny fiainan’izy ireo noho izany.

INONA NO AZONAO ATAO? Fantaro izay ampianarin’ny Baiboly. Afaka manampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mitsidika ny jw.org koa ianao, na manatrika ny fivorianay. Tsy misy vidim-pidirana izy io sady azon’ny rehetra atrehina.

TORO LALANA HAFA

Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? Misy amin’ny fiteny 880 mahery izy io ao

EKEO HOE MILA AN’ANDRIAMANITRA IANAO.

“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—MATIO 5:3.

FANTARO ILAY ANDRIAMANITRA RESAHIN’NY BAIBOLY.

‘Mitadiava [an’Andriamanitra] dia tena hahita azy ianao. Tsy lavitra antsika tsirairay izy.’—ASAN’NY APOSTOLY 17:27.

VAKIO SY SAINTSAINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

“Sambatra ny olona [rehefa] ny lalàn’i Jehovah * no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora [na saintsaininy] andro aman’alina. ... Hahomby daholo izay ataony.”—SALAMO 1:1-3.

^ feh. 23 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.