Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Olona Araka ny Fanahy? Mitovy Ihany ve ny hoe Mpivavaka Be sy ny hoe Araka ny Fanahy?

Inona no Atao hoe Olona Araka ny Fanahy? Mitovy Ihany ve ny hoe Mpivavaka Be sy ny hoe Araka ny Fanahy?

Valiny ara-baiboly

 Ny atao hoe olona araka ny fanahy ao amin’ny Baiboly dia olona maniry mafy hampifaly an’Andriamanitra sy hanana ny fomba fiheviny, sady tena vonona hanao an’izany. Miezaka manaraka ny fitsipik’Andriamanitra koa izy eo amin’ny fiainany, ary manaiky hotarihin’ny fanahy masina. a​—Romanina 8:5; Efesianina 5:1.

 Matetika no ampifanoherin’ny Baiboly ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka ny nofo. Hazavainy, ohatra, hoe “ny olona araka ny nofo dia tsy manaiky izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra”, na ny fampianaran’Andriamanitra. (1 Korintianina 2:14-16) Tsy hoatran’ny olona araka ny fanahy koa ny olona araka ny nofo, satria mora ‘mialona sy mifamaly’ fa tsy mba malala-tanana sy tia fihavanana. (1 Korintianina 3:1-3) Antsoina koa hoe “olona araka ny nofo, fa tsy araka ny fanahy” izay manendrikendrika sy mampisaraka ny tena mpinamana.​—Joda 19; Ohabolana 16:28. b

Ho hitantsika ato hoe:

 Nahoana ny olona no tia zavatra ara-panahy?

 Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. (Genesisy 1:27) Tsy mahagaga àry raha hoe tsy ny zavatra hita maso na azo tsapain-tanana ihany no tian’ny ankamaroan’ny olona sy mahaliana azy, fa ny zavatra ara-panahy koa.

 Efa voajanahary amintsika ilay hoe manana toetra tsara hoatran’ny an’i Jehovah c Andriamanitra, anisan’izany ny hoe tia fihavanana, mamindra fo, ary tsy manavakavaka. (Jakoba 3:17) Ankoatra izay, dia omen’Andriamanitra ny fanahiny masina ireo miezaka mafy mankatò ny didiny.​—Asan’ny Apostoly 5:32.

 Nahoana no zava-dehibe ny hoe olona araka ny fanahy?

 Hahazo “fiainana sy fiadanana” ny olona araka ny fanahy, ary fanomezana tena sarobidy avy amin’Andriamanitra izany.​—Romanina 8:6.

  •   Fiainana: Mampanantena Andriamanitra fa homeny fiainana mandrakizay ny olona araka ny fanahy.​—Jaona 17:3; Galatianina 6:8.

  •   Fiadanana: Hiadana ny olona araka ny fanahy satria hifandray tsara amin’Andriamanitra. Fahavalon’Andriamanitra kosa izay mifantoka amin’izay zavatra ilainy fotsiny. (Romanina 8:7) Hamaly soa an’izay miezaka ho lasa olona araka ny fanahy Andriamanitra, ka hanome azy ireo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Filipianina 4:6, 7) Ho sambatra izy ireo rehefa manana an’io fiadanana io.​—Matio 5:3.

 Inona no hanampy ahy ho lasa olona araka ny fanahy?

  •   Ianaro sy ankatoavy ny didin’Andriamanitra. Manao an’izany ianao rehefa mamaky Baiboly. Ao amin’ny Baiboly mantsy no ahitanao ny hevitr’Andriamanitra, izay nosoratan’ny lehilahy maromaro ‘notarihin’ny fanahy masina.’ (2 Petera 1:21) Ny zavatra ianaranao no hanampy anao hanompo an’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana”, izany hoe mifanaraka amin’ny fitarihan’ny fanahy masina sy ny sitrapon’Andriamanitra.​—Jaona 4:24.

  •   Mangataha fanampiana amin’Andriamanitra. (Lioka 11:13) Hanampy anao izy mba hanana an’ireo toetra mampiavaka ny olona araka ny fanahy. (Galatianina 5:22, 23) Afaka manome fahendrena anao koa izy mba hiatrehanao ny olona eo amin’ny fiainana.​—Jakoba 1:5.

  •   Olona araka ny fanahy atao namana. Hampirisika anao ho lasa olona araka ny fanahy sy hifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo. (Romanina 1:11, 12) Raha minamana amin’ny olona tsy miraharaha ny fomba fihevitr’Andriamanitra kosa ianao, dia ho simba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.​—Jakoba 4:4.

 Mitovy ihany ve ny hoe mpivavaka be sy ny hoe araka ny fanahy?

 Tsy mitovy ny hoe mpivavaka sy ny hoe araka ny fanahy. Hoy ny Baiboly: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.”​—Jakoba 1:26 Fanamarihana ambany pejy.

 Milaza koa anefa ny Baiboly fa manompo an’Andriamanitra araka ny fomba ankasitrahany ny olona araka ny fanahy. Eken’izy ireo hoe iray ihany ny “fanahy”, dia ny fanahy masin’Andriamanitra. Io fanahy io no manampy azy ireo hanompo an’Andriamanitra toy ny ‘vatana iray’, izany hoe vahoaka iray mitana “ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.”​—Efesianina 4:1-4.

 Hevi-diso momba ny olona araka ny fanahy

 Hevi-diso: Olona araka ny fanahy ianao rehefa manaraka an’izay fomba fiaina hitanao hoe mety hanampy anao ho afa-po sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminao.

 Ny tena marina: Milaza ny Baiboly fa ny fomba fihevitr’Andriamanitra no avelan’ny olona araka ny fanahy hitari-dalana azy eo amin’ny fiainany. Tsy ampirisihin’ny Baiboly mihitsy ny hoe manao izay hahafa-po ny tenanao fotsiny fa tsy miantehitra amin’Andriamanitra. Ny tena mahafa-po ny olona araka ny fanahy dia satria manaiky izy hoe i Jehovah no Mpamorona, ary izay takin’i Jehovah no ataony eo amin’ny fiainana.​—Salamo 100:3.

 Hevi-diso: Ho lasa olona araka ny fanahy ianao raha mihafy be na mampijaly tena.

 Ny tena marina: Raha mampijaly tena ny olona iray, dia manaraka “fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany” sady manana fisainana araka ny nofo. (Kolosianina 2:18, 23) Milaza ny Baiboly fa mahafinaritra ny fiainan’ny olona araka ny fanahy fa tsy hoe mampijaly akory.​—Ohabolana 10:22.

 Hevi-diso: Ho lasa olona araka ny fanahy ianao raha mifandray amin’ny hery tsy hita maso.

 Ny tena marina: Mino ny ankamaroan’ny olona mifandray amin’ny hery tsy hita maso na herin’ny maizina hoe mbola afaka miresaka amin’ny maty izy. Milaza anefa ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Raha ny marina, dia mifandray amin’ireo fanahy ratsy manohitra an’Andriamanitra izay mifandray amin’ny herin’ny maizina. Mampahatezitra an’Andriamanitra izany, ary tsy ho lasa olona araka ny fanahy mihitsy izay manao an’izany.​—Levitikosy 20:6; Deoteronomia 18:11, 12.

 Hevi-diso: Efa noforonina ho araka ny fanahy daholo ny zavaboary rehetra.

 Ny tena marina: Manome voninahitra an’Andriamanitra daholo ny zavatra noforoniny. (Salamo 145:10; Romanina 1:20) Ny zavaboary manan-tsaina ihany anefa no afaka ny ho lasa araka ny fanahy. Baikon’ny faniriany voajanahary fotsiny kosa ny biby fa tsy afaka mifandray amin’Andriamanitra. (2 Petera 2:12) Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa mifanohitra tanteraka ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka nofo, izany hoe ny olona manana toetra sy fomba fisainan’ny biby.​—Jakoba 3:15; Joda 19.

a “Fofonaina” no tena hevitr’ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly. Izao koa anefa no mety ho dikany: Zavatra tsy hita maso nefa voaporofo hoe manana hery miasa. Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no Fanahy Fara Tampony. Manaraka ny hevitr’Andriamanitra ny olona araka ny fanahy sady manaiky hotarihin’ny fanahiny masina.

b Rehefa olona no lazaina hoe “araka ny nofo” ao amin’ny Baiboly, dia olona zara raha miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra na tena tsy miraharaha an’izany mihitsy no tiany horesahina. Ny faniriany na izay zavatra ilainy fotsiny no tena mibaiko ny zavatra ataony sy ny toe-tsainy.

c Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo83:18.