Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Azia Atsimoatsinanana

Milaza ny World Wildlife Fund (WWF) fa be dia be ny karazana biby sy zavamaniry vaovao hita, teo anelanelan’ny 1997 sy 2011. Anisan’izany ilay karazana bibilava maitsomaitso, manana maso mena. Tany Mékong no hita ireo, izany hoe faritra misy an’i Kambôdza, Laos, Myanmar, Tailandy, Vietnam, ary Yunnan, faritanin’i Chine. Tamin’ny 2011, ohatra, dia 82 ny karazana zavamaniry vao hita, 21 biby mandady na mikisaka, 13 trondro, 5 biby mivelona anaty rano sy an-tanety, ary 5 biby mampinono.

Eoropa

Lasa be dia be no mangalatra sy mivarotra olona an-tsokosoko “manerana an’i Eoropa”, araka ny gazety The Moscow Times. Terena hiasa na hivaro-tena ireny olona ireny, ary misy aza “akana taova hamidy.” Matetika ireo mahantra, na tsy an’asa, na ny vehivavy, no misy mangalatra hoatr’izany.

Nouvelle-Zélande

Hita fa mijery tele be loatra ny ankizy sy tanora. Milaza ny mpikaroka fa vokatr’izany dia “lasa tsy mahay mifandray aman’olona ny tanora maro rehefa lehibe.” Vao mainka àry ireo mpikaroka miaiky fa marina ilay hoe ‘tsy tokony hijery tele mihoatra ny adiny iray na roa isan’andro ny ankizy, ary zavatra tsara ihany no tokony havela hojereny.’

Alaska

Akaiky renirano na ranomasina ny ankamaroan’ny tanànan’ireo mponina any, ka ny 86 isan-jaton’izy ireny no tratran’ny tondra-drano na kaohin’ny riaka. Voalazan’ny tatitra fa miakatra ny mari-pana ka lasa ela kokoa vao mivaingana ny gilasy. Ireny anefa no mba miaro ny morontsiraka tsy ho kaohin’ny riaka rehefa avy ny orana.

Zava-misy Eran-tany

Vola be no ampiasaina mba hahazoana angovo tsy mandoto ny tontolo iainana, toy ny avy amin’ny masoandro na rivotra. “Mbola mandoto toy ny tamin’ny 20 taona lasa ihany” anefa izao ny ankabetsahan’ny angovo. Izany no tenin’i Maria van der Hoeven, tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanana Mpanadihady Momba ny Angovo Eran-tany.