Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MEY 2014

 FANADINADINANA | GUILLERMO PEREZ

Miresaka ny Finoany Ilay Mpandidy Matihanina

Miresaka ny Finoany Ilay Mpandidy Matihanina

Dokotera efa misotro ronono i Guillermo Perez. Mpandidy tena mahay izy, ary nanana andraikitra lehibe tao amin’ny hopitaly iray mahazaka marary 700, ao Afrika Atsimo. Nino ny evolisiona na fiovana miandalana izy nandritra ny taona maro. Resy lahatra anefa izy tatỳ aoriana fa nisy namorona ny olona. Nanontany azy momba izany ny Mifohaza!

Inona no nahatonga anao hino ny evolisiona?

Katolika izahay, nefa nisy zavatra nampisalasala ahy. Tsy nino mihitsy aho, ohatra, hoe Andriamanitra ve dia handoro olona any amin’ny afobe. Rehefa nampianarina àry aho teny amin’ny oniversite hoe tsy nisy namorona ny fiainana fa nivoatra tsikelikely, dia nino avy hatrany aho. Nihevitra aho fa efa voaporofo izany. Ny fivavahanay koa moa tsy nanda ny evolisiona. Nolazaina fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra rehefa namorona.

Nahoana ianao no lasa liana tamin’ny Baiboly?

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Susana vadiko. Nasehon’izy ireo azy tao amin’ny Baiboly fa tsy mampijaly olona any amin’ny afobe Andriamanitra. * Nasehony koa hoe ho lasa paradisa ny tany. * Izany ka mba fampianarana mitombina tsara! Nanomboka nifampiresaka tamiko ilay Vavolombelona atao hoe Nick, tamin’ny 1989. Momba ny vatan’olombelona ny resakay indray mandeha. Niaiky aho fa marina ilay lazain’ny Hebreo 3:4 hoe: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”

Nanampy anao ho resy lahatra ve izay nianaranao momba ny vatana?

Ie. Efa natao hitsabo ny tenany mihitsy, ohatra, ny vatana. Rehefa maratra izao isika, dia misy dingana efatra mifandimby, mba hanasitranana izany. Mpandidy aho ka hitako hoe efa mahay manasitrana ny tenany ny vatana, fa manampy azy fotsiny no ataoko.

 Fa inona no mitranga rehefa maratra isika?

Ao anatin’ny segondra vitsy dia efa mandeha ilay dingana voalohany, mba hampijanona ny ra very. Be tsipiriany be ilay izy, sady tena mandaitra. Tsara homarihina fa 100 000 kilaometatra eo ho eo ny lalan-dra ao anatintsika. Raha sendra misy simba na vaky izy ireny, dia izy ihany no manamboatra sy manentsina azy. Mitsiriritra an’izany mihitsy angamba ny injeniera mpanamboatra fantsona.

Ary ny dingana faharoa?

Tsy mandeha ra intsony ilay fery, afaka ora vitsivitsy, ka mitsabo azy amin’izay ny vatana. Voalohany, mitatra ny lalan-dra eo amin’ilay faritra, mba hikoriana tsara ny ra. Nifintina mantsy izy ireo teo aloha, mba hampijanona ny ra very. Faharoa, misy ranoka feno proteinina mankeo amin’ilay fery, ka lasa mivonto ilay izy. Iny ranoka iny no miady amin’ny mikraoba, sy manalefaka ny herin’izay poizina tafiditra, ary manala ny sela maty. Misy molekiola sy sela manokana an-tapitrisany, mifandimby miasa tsikelikely mandritra izany fotoana izany. Ny sasany manaitra fotsiny ny manaraka mba hanao ny anjara asany, ary avy eo mijanona.

Inona kosa ny fahatelo?

Manomboka manamboatra an’ireo tsy mety amin’izay ny vatana, rehefa afaka andro vitsivitsy. Tapa-bolana eo ho eo vao tena mandaitra ilay izy. Misy sela be dia be mankeo amin’ilay ratra, ka manamboatra tsiratsiraka manarona an’ilay fery, sady mihamitombo eo. Lasa misy lalan-dra madinika kely koa maniry eo amin’ilay faritra. Izy ireny no mitondra an’izay zavatra sasany ilaina sady manala ny loto sy izay tsy ilaina intsony rehefa avy nampiasaina. Mbola misy sela manokana hafa koa aorian’izay, manao izay hampikatona an’ilay fery.

Asa be izy izany! Dia rahoviana ilay izy vao tena vita?

Mety ho amam-bolana ilay dingana fahefatra farany, satria miezaka mamerina amin’ny laoniny an’izay tsy nety ny vatana. Raha nisy taolana tapaka, ohatra, dia lasa mafy indray. Ireo tsiratsiraka teo amin’ilay fery koa, soloana sela matanjaka kokoa. Mahavariana ilay izy satria efa natao hanaraka lamina maty paika daholo!

Afaka mitantara zavatra tena nitranga ve ianao?

Mampiaiky mihitsy hoe mahay mitsabo ny tenany ny vatana

Ie. Nisy ankizivavy 16 taona tratran’ny lozam-piarakodia nahatsiravina. Voa mafy izy sady rovitra ny sarakatiny ka nandeha ra tao anatiny tao. Raha ny fanao taloha, dia nodidiana ilay sarakaty na nesorina mihitsy. Efa hitan’ny dokotera anefa izao fa mahay mitsabo ny tenany ny vatana. Ny tena nataoko àry dia niaro azy tamin’ny mikraoba, nampiakatra ny fatran’ny ra, nampitony ny fanaintainany, ary niezaka namerina an’izay zavatra tsy ampy tamin’ny vatany. Notarafina izy afaka herinandro vitsivitsy, ka hita fa sitrana ilay sarakaty! Mampiaiky mihitsy hoe mahay mitsabo ny tenany ny vatana. Vao mainka aho resy lahatra fa noforonin’Andriamanitra isika.

Nahoana no nanintona anao ny Vavolombelon’i Jehovah?

Sariaka be izy ireo, sady mampiasa Baiboly foana rehefa mamaly fanontaniana. Be herim-po koa ry zareo mitory ny zavatra inoany, sy mampianatra ny hafa momba an’Andriamanitra.

Nahasoa anao ve ny hoe lasa Vavolombelona?

Ie. Mety ho reraka loatra mantsy ny dokotera sy mpitsabo mpanampy, satria tsy maintsy mangoraka olona foana. Rehefa lasa Vavolombelona àry aho, dia haiko kokoa ny niatrika an’ilay izy, ka tsy vizana be ny foko. Afaka mampahery an’ireo marary koa aho rehefa mba te hiresaka izy ireo. Hazavaiko aminy fa mampanantena ny Mpamorona hoe hofoanany ny aretina sy ny fijaliana rehetra, * ary hataony paradisa ny tany. Tsy hisy hiteny intsony amin’izay hoe: “Marary aho.” *