Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MEY 2014

Fanenjehana Mpamosavy Tany Eoropa

Fanenjehana Mpamosavy Tany Eoropa

TAONJATO vitsivitsy izay, dia natao haza lambo sy novonoina izay noheverina fa mpamosavy. Tena natahotra herin’ny maizina mantsy ny olona tany Frantsa, Alemaina, Italia avaratra, Soisa, ary Pays-Bas fahiny (Belzika, Luxembourg, Holandy). Inona ny vokany? Hoy ny boky Fanenjehana Mpamosavy Tany Andrefana (anglisy): ‘An’aliny no maty eran’i Eoropa sy ireo zanatany eoropeanina, ary an-tapitrisany no nitebiteby, nosamborina, natao famotorana, nankahalaina, nomelohina, ary nampijalijalina.’ * Fa dia inona loatra no nahatonga izany?

Ny fivavahana sy ilay Marotoa Hamelezana Mpamosavy

Anisan’ny nandray anjara be tamin’izany ny Fitsarana Katolika (na Inquisition), izay natsangan’ny Eglizy Katolika Romanina tamin’ny taonjato faha-13. Milaza ny boky iray fa natao io fitsarana io mba “hampiova ny mpivadi-pinoana sy hiarovana ny mpino mba tsy hiala.” Toy ny polisy nampiasain’ny eglizy àry izy io.

Namoaka didy manameloka ny mpamosavy rehetra ny Papa Innocent Faha-8, tamin’ny 5 Desambra 1484. Nanendry mpitsara roa izy hiandraikitra an’izany, dia i Jakob Sprenger sy Heinrich Kramer. Namoaka boky àry izy ireo. Malleus Maleficarum no lohateniny, izay midika hoe Marotoa Hamelezana Mpamosavy. Hazavain’izy io hoe nahoana no tsy mety ny milalao ody, raha jerena ny resaka lalàna sy fivavahana. Voaresaka tao koa hoe ahoana no hamantarana ny mpamosavy sy hamonoana azy. Misy milaza fa io no ‘boky nahatsiravina indrindra teto an-tany, sy nahatonga ny olona hanao habibiana indrindra.’ Samy nanaiky izay voalaza tao, na ny Katolika na ny Protestanta. Nisy  angano momba ny mpamosavy avy tamin’ny lovantsofina anefa tao.

Ilay boky hoe Marotoa Hamelezana Mpamosavy no voalaza fa ‘boky nahatsiravina indrindra teto an-tany, sy nahatonga ny olona hanao habibiana indrindra’

Betsaka no voaendrikendrika nefa tsy nisy porofo akory. Hoy ilay boky hoe Ny Mpamosavy sy ny Fitsarana Azy Ireo (alemà): ‘Tsy mba tsaraina araka ny tokony ho izy ilay olona, fa atao fotsiny izay hampiaiky azy, ka terena na ampijalijalina izy.’

Nirongatra be ny fanenjehana mpamosavy, taorian’ilay didy navoakan’ny Papa Innocent Faha-8, sy ilay boky hoe Marotoa Hamelezana Mpamosavy. Vao nivoaka koa ny milina fanaovana pirinty tamin’izany, ka niparitaka be io boky io. Niely hatrany ampitan’ny Oseana Atlantika àry ilay fanenjehana ka tonga hatrany Amerika.

Iza avy no voaendrikendrika?

Maherin’ny 70 isan-jaton’ireo nampangaina no vehivavy, ary vehivavy maty vady ny ankamaroany ka tsy mba nisy mpiaro. Ao koa ireo be taona, sy mahantra, ary ireo vehivavy mpitsabo amin’ny tambavy, indrindra raha tsy nandaitra ny fitsaboany. Tsy nisy tena voaro anefa na manankarena na mahantra, na lahy na vavy, ary na olon-tsotra na olona ambony.

Izay olona ahiahina ho mpamosavy foana no mahazo tsiny, na inona na inona mitranga. Ohatra hoe “raha mangatsiaka be ny andro, na simban’ny sifotra na fanday ny voly sy ny voankazo”, araka ilay gazety hoe Tamin’izany Andro Izany (alemà). Toy izany koa rehefa misy havandra be, na tsy manome ronono ny omby, na misy lehilahy na vehivavy tsy miteraka.

Nolanjaina izay olona nahiahina satria maivana kely, hono, ny mpamosavy na tsy misy lanjany

Inona no natao tamin’izay olona nahiahina? Nofatorana izy ireny ka natsipy tao anaty rano “voahasina.” Raha nilentika izy dia tsy voaheloka. Raha nitsingevana kosa izy, dia nampangaina ho mpamosavy ka novonoina teo no ho eo, na natolotra ny fitsarana. Nisy koa nolanjaina satria maivana kely na tsy misy lanjany, hono, ny mpamosavy.

Milaza ny boky iray fa noheverina hoe “nasian’ny Devoly marika ny mpamosavy satria nanao fifanarahana taminy.” Iny “mariky ny Devoly” iny àry no tadiavina rehefa misy olona ahiahina. “Kakasana daholo ny volo amin’ny vatany, ary dinihina ny tenany manontolo”, sady amin’izay eny imasom-bahoaka! Tsindronina amin’ny fanjaitra izay zavatra hafahafa hitan’ny mpitsara, ohatra hoe votsy, na pentina, na olatra. Raha tsy maharary na tsy mandeha ra ilay izy, dia lazaina hoe “mariky ny Devoly.”

Samy nanenjika mpamosavy, na firenena katolika na protestanta. Nahery vaika kokoa aza ilay izy tany amin’ny tany protestanta. Tonga saina anefa ny olona rehefa nandeha ny fotoana. Nanaraka voampanga maromaro, ohatra, i Friedrich Spee, pretra zezoita, rehefa nentina hodorana velona izy ireo. Nanoratra anefa izy, tamin’ny 1631, fa tsy nisy tena mpamosavy izy ireny na iray aza. Nampitandrina mihitsy aza izy hoe raha izany no mitohy, dia tsy hisy olona hiangana intsony ao amin’ilay tany! Lasa fantatry ny dokotera koa fa tena aretina ny androbe, ka tsy voatery hoe misy demonia izay olona voan’ny fanintona. Nihena àry ny olona notsaraina, tamin’ny taonjato faha-17, ary tsy nisy intsony izany tamin’ny taonjato faha-18.

Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Rehefa tsy manaraka ny fampianaran’i Kristy ireo mpivavaka milaza azy ho Kristianina, fa mampianatra lainga sy finoanoam-poana, dia loza mahatsiravina ny vokany. Efa nilaza mihitsy ny Baiboly hoe noho ireny olona ratsy fanahy ireny no “hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana”, ka ny tena fivavahana kristianina no lasa afa-baraka.—2 Petera 2:1, 2.

^ feh. 2 Zanatany eoropeanina koa i Amerika taloha.